Pakistana: Ny Fanentanana “Access Is My Right” (Zoko Ny Miditra)

Ny ONG Pakistane Bytesforall mpiaro ny zo amin'ny aterineto dia nanomboka fanentanana ety anaty aterinto mikasika ny fitantavànana sy ny sivana ety anaty aterineto. Ilay fanentanana, antsoina hoe “Access Is My Right,” dia mikendry ny hanaitra ny sain'ireo mpampiasa aterineto mikasika ny politika sy ny fomba fampiasa izay mametraka teritery amin'ny zo haneho hevitra malalaka ety anaty aterineto.

Tao anatin'ny taona vitsy lasa teo, nitombo be tsy nisy toy izany ny fanarahamaso ny aterineto tao Pakistana. Namerimberina nanamafy ireo manampahefana avy amin'ny governemanta fa natao izany ho amin'ny tombontsoa sy fiarovana ny olom-pirenena. Ny teny fanevan'ity fampahatsiarovan-tena ity dia “ Pakistana tsy misy sivana sy fanarahamaso no ho Pakistana miroborobo.[Eng]”.

“Ity fanentanana ity dia antso [iray] hisian'ny hetsika midadasika kokoa hiarovana ny zon'olombelona eo amin'ny firenena sy hiadian'ny olom-pirenena amin'ny sivana misy ankehitriny satria hisy vokany ratsy kokoa amin'ny fahalalahana sivily izay efa mangozohozo sahady ao amin'ny firenena io. Entaninay ny tsirairay izay niharan'ny sivana tety anaty aterineto, na manohitra ny hevitra hametrahana fandraràna ny aterineto sy ny fifandraisan-davitra, mba hanatevina laharana sy hanao hetsi-panoherana amin'ny alàlan'ny fizaràna ireo sary fanentanana manerana ny aterineto, araka izay tratrany.”

Tato anatin'ny taona vitsy lasa dia naka fepetra mismisy kokoa hatrany i Pakistana hametrahana ny sivana dijitaly. Nandeha lavidavitra kokoa aza ny governemanta nividy fitaovana fanatatavànana rohy (URL) hahafahany misakana ny fidirana amin'izay URL rehetra ‘tsy iriana’ — ny taratasy ofisialy dia mamaritra ny fomba fiteny hoe ‘tsy iriana’ amin'ny fampiasàna fomba famaritana manjavozavo mifandray amin'ny resaka maoraly. Anatrehan'ny fandrafetana politika tahaka ity iray ity, tena miankina aman'aina ny anjara toeran'ny fanentanana tahaka ny “Access is my Right” (AIMR).

Communication rights are fundamental rights

Zo fototra ny zo amin'ny fifandraisan-davitra

 

Nahita vokatra goavana ilay fanentanana teny anaty tranonkala media sosialy toy ny Facebook sy Twitter. Efa nifampizaràn'ireo olona an-jatony ary niteraka fifanakalozan-dresana mivaivay ireo sary namboarina tamin'ny ordinatera naelin'ny pejy Facebook-n'ilay fanentanana.

Tamin'ny famoronana ireny sary natao tamin'ny ordinatera ireny, ny tarika ao an-damosin'ny AIMR dia nifantoka tamin'ireo olana izay nitranga vantany vao nifidy ny hanivana ny aterineto ny governemanta, na hanapaka ny tolotra finday any amin'ireo faritra notsongainy tao amin'ny firenena. Ireny olana ireny dia tonga hatramin'ny tsy fahafahana miantso ireo laharana natao hilàna vonjy raha misy itairana ka hatrany amin'ny fatiantoka goavana ho an'ny fandraharahana, ary mihoatra noho izany.

Efa ho roa volana ireo ny Youtube no voasakana ao Pakistana. Ao anaty lahatsoratra iray anaty bilaogy ao amin'ny tranonkala ny “Access is My Right”, mivaky toy izao ny fanaingoana iray mahaliana nataon'i: “Tsy Tube-nao (YouTube), fa Tube-nay (OurTube)”:

 Illustrated by Anny Zafar. For printable file, please contact info@bytesforall.pk.

Fanaingoan'i Anny Zafar. Ho an'ny failo azo atao printy, azafady, mifandraisa amin'ny info@bytesforall.pk.

Avoitran'ny AIMR io ao anaty lahatsoratra am-bilaogy iray mitondra lohateny hoe, “Moral Policing will Tarnish our Nascent Democracy” – (Hanaratsy endrika ny demaokrasiantsika vao miana-mandeha ny fametrahana politika aùmin'ny maoraly):

Ireo governemanta tsy matoky ny olom-pireneny no manara-maso amin'ny alàlan'ny fitaovana tsy misy indrafo ny eritreritr'izy ireny sy ny fidirany amin'ny loharanom-baovao.

 Design and illustration by Anny Zafar

Fanomzeana andrika sy fanaingoana nataon'i Anny Zafar

 

Efa lasa endrika tafiditra ao amin'ny fiainana andavanandron'ny vahoakan'ny taonjato faha-21 ny sehatra malalaka ety anaty aterineto natao ho an'ny fanabeazana, ny fanentanana ary ny fialamboly ary afaka mitàna anjara toerana tsy azo ialàna amin'ny famelàna ny olom-pirenena handray anjara mavitrika amin'ny fampandrosoana firenena iray. Ny fnentanana “Access is my Right” dia mikendry ny hampitombo ny firotsahana an-tsehatry ny olom-pirenena  amin'ny fiarovana ireny sehatra tena ilaina ireny. Tsidiho ny  tranonkala fanentanana mba hahalalàna bebe kokoa sy handraisanao anjara.

Lahatsoratra niarahana nanatontosa tamin'i Salman Lateef.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.