Myanmar : Iza No Nihavian'ny Rotaka Tao Meikhtila ?

[Amin'ny teny anglisy avokoa ny rohy rehetra raha tsy misy ny fiovana.]

Nandritra ny telo andro, nampisafoaka ny fitroaram-bahoaka tao Meikhtila, ao amin'ny faritra Mandalay, ao Myanmar.

Nanomboka tamin'ny 20 martsa 2013 ny rotaka, taorian'ilay mpanefy namono mpivarotra volamena roa noho ny fifamaliana mikasika singam-bolamena vaky. Nirohotra ny vahoaka hiaro ireo mpivaro-bolamena ary nandroba ilay mpanefy.

Nametraka fotoana tsy azo ivezivezena ny polisy taorian'ny fandoroana trano sy moto tao an-toerana izay nataon'ny vondron'olona. Satria natahotra ny fiarovana ny ain'izy ireo ny Miozolomana, ary dia nangataka hiala ao afovoan-tanàna. Narovan'ireo polisy sy ireo mpikambana ao amin'ny  Tanora Bodista izy ireo manerana ny lalana.

Photo shared by Mg Byine Oo on Facebook.

Sary nozarain'i Mg Byine Oo tao amin'ny Facebook.

Niadian-kevitra be teo amin'ny mpiserasera izany olana izany. Nisy ireo nandefa fiteny feno fankahalana, ny hafa kosa nalahelo noho ity fifandonana ara-pivavahana ity.

Nandefa  sary ahitana soratra mivaky hoe « Aza avela hiseho ny fifandonana ara-pivavahana noho ny ataonao ! » ny Fikambanan'ny Tanora Bodista, ary ahitana izao fanazavana manaraka izao:

Aza omena toerana ny fankahalana, ny ady sy ny rotaka ara-pivavahana/ara-poko izay mibahana ny lalan'ny demokrasia. Fantatsika fa ny lalàna no tokony hamahana tsy rariny, ny ady ary ny rotaka, satria izany no fomba tokana hamerana ireo voka-dratsy.

- Fikambanan'ny  tanora bodista (Myanmar)

Maherin'ny 2000 ireo olona nizara ity pejy Facebook ity ary nampitandrina ireo izay manoratra fiteny fankalahana izay tsy fantatra ny mombamomba ireo olona amin'ny ankapobeny .

Tun Zaw Anyar Myay miahiahy [my] ny amin'ny mety hisian'ny gidragidra tsy misy farany:

Ry namako, malahelo avokoa isika rehetra (nahare ny vaovao). Raha holovain'ny taranaka hoavy izao ady izao, dia ho lasa herisetra mahazatra tsy misy farany.

Ye Htut, minisitra lefitry ny Fampahalalam-baovao namoaka [my] lahatsoratra fampatsiahivana ny rehetra mikasika ny maha-zava-dehibe ny hamahana ny olana amin'ny fomba demokratika:

Samy manao izay ho afany isika amin'ny fitsaboana ireo ratra ao amin'ny fiarahamonina marefo, nahoana kosa izy ireo no manao izay vitany hanitatra ny ratra?

Tiako ho fantatry ny tsirairay fa tsy hitondra any amin'ny demokrasia ny famahana amin-kery ny olana kanefa afaka mampiasa vahaolana ara-dalàna isika.

Etsy andaniny, misy ireo manontany raha noho ny antony hafa no nahatonga ireo fitroarana. Thanda Win nanamarika [my] fa mifanojo amin'ny fandehanan'ireo tompon'andraikitra politika any ivelany ny herisetra nipoaka tao amin'ny firenena :

1) Raha vao lasa nankany ivelany Nenitoa Suu (Aung San Suu Kyi) na ny Filoha, nipoaka ny rotaka ao Myanmar.

2) Raha vao misy vahiny lehibe tonga ao Myanmar, mipoaka ny fitroarana.

Satria tonga tao Myanmar ny talen'ny Google, Eric Schmidt tamin'ity herinandro ity.

Ye Min Htun nampitaha [my] ny toe-draharaha ankehitriny amin'ny zava-niainany tamin'ny fikomiam-bahoaka tamin'ny taona 1988. Mitsipaka ny fihenjanam-pihetsika “extremisme” ihany koa izy:

Iza no mahatonga ny ady ara-poko sy ara-pivavahana? Iza no ho voa mafy raha avela hitranga izao ady izao?. […] Miampanga izay rehetra manohana ny fihenjanam-pihetsika ara-poko sy ara-pivavahana aho. Tsy vahaolana ny fihenjanam-pihetsika.

Mg Byine O, mpiavy avy ao Meikhtila, nanome ny heviny ihany koa [my] mikasika ny rotaka.

Isan'andro aho matahotra aho sao tonga aty an-tranoko na ny tranon'ny namako […] Taorian'ny  roa herinandro tsy niasan'ireo mponina tao Meikhtila, hikorontana ihany koa ireo tanàna kely manodidina miankina amin'ny tanàn-dehibe. Vao avy niresaka tamin'ny renibeko tamin'ny finday aho ary hoy izy tamiko « Ahoana no ataoko hamarotana ireto vokatra tongolo? Miahiahy tanteraka aho ». Mampalahelo. […]

Ao Meikhtila, manana finoana isan-karazany ny mponina – hindoisma, islamo, kristianisma ary koa finoana nentim-paharazana. Mifandray tsara avokoa ny olona. Tsy manana olana izahay. Indraindray misy ihany ny fifandirana eo amin'ny resa-pinoana fa tsy lasa lavitra tahaka izao. Marobe ireo biraon'ny polisy, ary raha mampiteraka korontana na olana ianao dia mety higadra. […] Fantatry ny olon-drehetra ao Meikhtila izany. Mifangaro am-pilaminana ny rehetra. Ankehitriny, tsy ady ara-pivavahana izao, fa fanomezan'endrika azy.[…] Laviko ny fihainoana ny fanambaran'ny jeneraly izay milaza hoe « Voafehin'ny miaramila ny firenena mba hampitsahatra ny faharatsian'ny fari-piainana ao amin'ny firenena rehetra  ». Fioo… […]

Tahaka izany ihany koa ny siokan'i Ye Myat Min :

@yemyat91 : Ireo olona ambany saina ihany no iharan'ny ataon'ny atidoha ambadik'ity korontana politika ity. Efa mahazatra azy ireo ny rà sy ny fahatezerana #Myanmar

Misy ihany koa ireo mpiserasera no manakiana ireo mahery fihetsika sy ireo olona mandefa vaovao diso sy lainga. Moe Zay Nyein nanangona ny lisitr'ireo [my] pejy Facebook mpandefa vaovao tsy marina sy lahatsoratra mahery fihetsika mampiasa teny bodista sy miozolomana. Eleven Media, sampan-gazety malaza ao an-toerana, namoaka [my] fa diso ilay  lahatsoratra [my] tao amin'ny  pejy Facebookn'ny BBC izay milaza fa olona 10 no namoy ny ainy (21 martsa 2013).

Namoaka [my] filazana an-gazety ny minisitry ny Fampahalalam-baovao tamin'ny 22 martsa 2013 tamin'ny 6ora sy 37 minitra (ora ao an-toerana) fa olona 11 no namoy ny  ainy ary 39 naratra. Trano 152, fiara 2, tranom-panjakana 1, moto 1 moto kodiaran-telo 2 ary tranom-pivavahana 13 no  simba noho ny  rotaka. Mba hamerenana ny filaminana, nanambara ity minisitra ity fa latsaka an-katerena ny tanàna.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.