Avrily, 2013

Tantara tamin'ny Avrily, 2013

Mampanahy ny Hoavin'ny Trano Famakiam-Pokonolona Ao Porto Rikô

  30 Avrily 2013

Miavaka ny Trano Famakiam-bokim-pokonolona San Juan, ao Porto Riko. Tsy mba manana kolontsaina momba ny trano famakiam-boky ho an'ny daholobe sy ny vondrom-piarahamonina ity nosy ity, satria natokana ho an'ireo mpikambana amin'ny toerana tahaka ny oniversite ny ankamaroan'ny trano famakiam-boky. Amin'ireo trano famakiam-boky misokatra ho an'ny daholobe, vitsy ireo azon'ny mpamaky boky...

Lasa Nifanandrina ny Football sy ny Labiera ao Panama

  29 Avrily 2013

Football sy labiera, zava-droa tian'ny Panameana indrindra, no lasa nifandona rehefa nalain'ny orinasa mpamokatra labiera Baru-Panamá [es] ny kaonty bankin'ny Federasiona Panameana Football (FEPAFUT), itakiany onitra $7 tapitrisa dolara amerikana noho ny fanapahana fifanarahana. Nitatitra toy izao i Cocoas [es] tamin'ny 25 Avrily 2013: No malas, son terribles noticias para la Federación Panameña de Fútbol que hoy tiró...

Fivoriana Manohitra Ny Fankahalàna Hanosehana ny Fanavakavaham-Bolonkoditra Mihamanjaka ao Sri Lanka

  29 Avrily 2013

Miomana ny hivory ao an-drenivohitra Colombo ny andron'ny 28 avrily ny mpikatroka manohitra ny fankahalana. Niaina fanafihana maherisetra misingatsingana sy kabary fankahalàna vondron'olona vitsy an'isa ny firenena tao ho ao. Tonga roa herinandro monja taorian'ny fiaretan-tory amin-dabozia nataon'ireo olona nijoro teo ivelan'ny biraon'ny Bodu Bala Sena (na Herin'ny Tanjaky ny...

Niakatra Ny Tahan'ny Famonoana Vehivavy Ao Meksika

  29 Avrily 2013

Violeta, tovovavy mpianatra 18 taona no hita faty [es] tao amin'ny làlan-tany ao amin'ny Faritra Chiapas, nahitana dian-dratra ny vatany. Nandritra izany ihany, tao amin'ny Faritra Guanajuato, fatim-behivavy iray antsoina hoe Olga no hita [es] nalevina ny tapan'ny vatany ary rakotra sokay. Toa nokendaina izy. Roa amin'ireo lasibatra manoloana ny fihanaky ny herisetra arahina...

Tsy Misy Fakàn-tsary? Tsy Misy Olana. Mamorona Lahatsary Amin'ny Fiteninao Manokana

Rising Voices  29 Avrily 2013

Noho ny fitaovana vaovao ao amiin'ny habaka Tetikasa Momba ny Fiteny Andalam-pahaverezana (Endangered Languages Project (ELP), afaka mitondra ny anjara birikiny ao amin'ny aterineto amin'ny alalan'ny famelomana indray ny fiteniny andalam-pahaverezana ireo mpiaro fiteny tsy manana fakàn-tsary nomerika. Ahafahan'ireo mpampiasa azy mamorona media an'olo-tsotra ho azy manokana amin'ny alalan'ny fandraketana lahatsary...

“Ny Daroka Drôna No Endrika Ahafantarana An'i Etazonia Any Yemen”

Nijoro vavolombelona teo anatrehan'ny Senat Amerikana ny Yemenita iray, 22 taona, Farea Almuslimi, nandritra ny fotoam-pihainoana mikasika ady miafin'ny Amerikana ampiasàny drôna ka nanome fijoroana vavolombelona mahery vaika. Avy any amin'ny tanànan'i Wessab ity mpikatroka mafàna fo sady mpanao gazety ity, tanàna niharan'ny daroka drôna Amerikana tamin'ny 18 Aprily 2013 teo.

Tsy Handray Anjara Amin'ny Fifidianana Hoavy Izao ao Pakistan Ireo Ahmadis

  27 Avrily 2013

Nanapa-kevitra tsy handray anjara amin'ny fifidianana hoavy izao ny fiarahamonina Ahmadi ao Pakistan, izay ahitana mpikambana 200.000. Noraisina ny fanapahan-kevitra mba hanoherana ny fanavakavahana ataon'ny fanjakana amin'ny fiarahamonina. Tsy mba nandray anjara tamin'ny fizotry ny fifidianana izy ireo nanomboka tamin'ny taona 1985 raha natokana tao amin'ny lisitry ny fivavahana vitsy an'isa ny mpifidy Ahmadi. Tamin'ny...