Lainga, Laingan-doza, ary ny Antontan'isa Tiorka

Rehefa antontan'isa no resaka, dia mijanona manaraka am-bokony fotsiny ny foto-kevitra fony faha-Sovietika ny governemanta Tiorkmena, toy ny amin'ny boky fandrahoan-tsakafo, fanodinkodinana angon-tahiry sy fanalàna an'izay marina rehetra mety manelingelina. Misy ny lamina napetraka mandritra ny dimy taona, ary saika nihoarana foana ireo tanjona napetraka tamin'izy ireny, nefa tsy nolazaina akory ny zavatra tsy nanjary toy ny haratsin'ny zavabitan'ny ekipan'ny tanora manao kitra tamin'ny Amboaran'ny Firenena Mahaleo tena Miteny sy Mampiasa ny Teny Anglisy 2012 (CIS – Commonwealth of Independent States) na koa ny fipoahana mahafaty tany amin'ny toby fitahirizana fitaovam-piadiana tany Abadan tamin'ny Jolay 2011.

Fa mbola azo jerena ao amin'ny antontan'isa ofisialy ihany koa ny fampisehoan’ i Ashgabat mibaribary ny fihetsika tsy voatandriny eo amin'ny zava-misy sy ny angon-tahiry momba ny isan'ny olona mitondra ny VIH eo amin'ny firenena. Raha ny fahitan'ny Index Mundi azy, izay manambatra ireo endrika mampiavaka ny firenena, amin'ny fampiantranoana ireo olana miainga avy aminà loharano maro (amin'ity tranga ity aloha, toa iray ihany), dia tapitra tsy nisy intsony tamin'ny 2008 ny olona mitondra ny otrikaretina VIH tany Tiorkmenistana – raha ny antontan'isa no vakiana. Na mavesa-danja toy inona aza izany zava-baovao izany, dia toa tongatonga ho azy, miaraka amin'ny isa noboriboriana, ny fandraketana ny tranga : 100, 100, 100, 200, 200, 200, 200…

Maridrefy Mundi http://www.indexmundi.com
Trangan'ny VIH/SIDA any Turkmenistan

Ary raha nanjavona tao anatin'ny kisary ny olona mitondra ny otrik'aretina VIH, dia mitohy mitombo hatrany ihany kosa ny fijinjana ny varim-bazaha. Taterin’[ru] ny tranonkala tantànan'ny fanjakàna, Turkmenistan.ru, toy ny fanaon'ny mpandresy :

Хлеборобы Туркменистана доставили на заготовительные пункты страны более миллиона тонн пшеницы. Достижение этого результата говорит о том, что земледельцы смогут справиться с главной задачей страды-2012 – без потерь собрать богатый урожай хлеба и доставить в закрома Родины 1 миллион 600 тысяч тонн зерна.

Nanolotra varim-bazaha iray tapitrisa taonina hoan'ny ivontoeran'ny famatsiana masomboly ny firenena ireo Tiorkmena mpamboly masomboly . Milaza ity zava-bita ity fa afaka manatratra tsara ny tanjona fototra tamin'ny taom-pijinjana 2012 ireo tantsaha, izany hoe, hijinja vokatra tsy misy fatiantoka ary ho afaka hanolotra masomboly 1.6 tapitrisa taonina.

Nanampy [ru] sy dedaka ihany koa ny Turkmenistan.ru fa na i Alexander Lukashenko, Filohan'i Belarosia, aza dia nilaza fa nitsirirtra ny jinja vokatra Tiorkmena. Nitatitra [ru] ihany koa ny tranonkalam-baovao iray hafa tantànan'ny governemanta fa nanolotra Cadillac Escalade ny filoha Tiorkena Gurbanguly Berdymuhamedov ho an'ny mpamboly varim-bazaha any amin'ny Farintanin'i Lebap, any avaratra atsinanan'ny firenena.

Fa andeha hiverina amin'ny ‘tontolo tena izy,’ tsy taitra firy amin'ny safidin'ny governemanta amin'ny vaovao ratsy na tsara ny Tiorkmena mponina amin'ny aterineto, eo amin'ny vavahadin'ny Chrono-tm.org haino aman-jery tantanan'ny mpanohitra ny governemanta. Nandroso soso-kevitra [ru] ny olona iray fa na dia eo aza ny fijinjana ‘tsara’ lazaina fa azo isan-taona, dia tsy mitsahatra ny miakatra ny vidin'ny mofo. 

Maro ny olon-kafa no manontany hoe inona ary izao no hampiasàn'ireo mpamboly an'ity Cadillac avy amin'ny mpitarika Tiorkmena ity. Nanao fanehoankevitr mahatsikaiky [ru] i Toyli, amin'ny maha mpampiasa azy:

Ну и что? Теперь эти хлеборобы будут по очереди ездить на этом Кадиллаке? Ай да Бердымухаммедов!..

 Ka ahoana ary? Andeha hiova hitondra ity Cadillac ity indray izany izao ireo mpamokatra masomboly ireo? Hevitra tsara ry Berdymuhamedov!..

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.