Didy Fampisamborana Ilay Bilaogera Ejypsiana Alaa Abd El Fattah Noho Ny Resaka Sioka Tamin'ny Twitter

Tonga nitono-tena tao amin'ny mpampanoa lalàna ilay bilaogera Ejypsiana Alaa Abd El Fattah tamin'ny 26 Martsa taorian'ny didy fampisaborana navoaka ho azy ny alin'ny 25 Martsa. Mikasika ny fifandraisany amin'ny mpanjakavavy Joumana ny fanadihadiana, sy ireo sioka Abd El Fattah ary ny filazan'ity mpanjakavavy ity momba an'i Abd El Fattah tao amin'ny Twitter. Araka izany, nisy ny didy fampisamborana navoaka ho an'i Abd El Fattah, noho ny resaka sioka tao amin'ny Twitter.

Nisy ihany koa ny didy fampisamborana navoaka ho an'ireo mpikatroka politika Ahmed Douma, Karim Al Shaer, Hazem Abdel Azeem ary i Ahmed Al Sahafi.

Toa tsy mahalala izay tokony nataony ny mpampanoa lalàna raha tonga nitono-tena tao i Abd El Fattah. Taorian'ny fanemorana voalohany ny fanadihadiana, Abd El Fattah nisioka hoe [ar]:

البلاغ مسخرة مكسوف للنيابة الصراحة

@alaa: Mahatsikaiky ny fitoriana. Somary sadaikatra aho teo anoloan'ny mpampanoa lalàna.

Abd El Fattah holds his son Khaled outside the Public Prosecution earlier today. Photograph shared by @AymanAmalak on Twitter

Abd El Fattah mitrotro ny zanany lahy Khaled ao ivelan'ny fitsarana. Sary nozarain'i @AymanAmalak tao amin'ny Twitter

Nampiany hoe:

بقى اتسأل ما علاقتك بالاميرة جومانة و ما تفسير التعليقات الواردة على صفحتك في تويتر؟ بتحاكم على منشن يا بشر

@alaa:Nanontaniana momba ny fifandraisako amin'ny mpanjakavavy Joumana aho sy ny antony hilazany ny momba ahy tao amin'ny Twitter. Natao famotorana momba ny sioka nivoaka aho

Ary hoy ihany koa izy:

عموما رفضت الاجابة على كل الاسئلة لعدم حياد النائب العام ورغم تهافت التدعائات طلبت قاضي تحقيق. مفيش في الورق حاجة لو اتحبست تبقى قمة المسخرة

@alaa: Nandà tsy hamaly ireo fanontaniana rehetra aho noho ny fitsarana mitanila eo amin'ny mpampanoa lalàna ary na dia eo aza ny fiampangana somary mampihomehy, mpitsara no nanao famotorana ahy. Tsy misy antony tokony hanenjehana ahy akory ao amin'ny fiampangana ary raha hogadraina aho, dia zavatra efa nokendrena tanteraka izany.

Niteraka fihomehezana teo amin'ny mpiserasera ny fiampangana, satria karazana didy fampitandremana hisambotra no navoakan'ny mpampanoa lalàna.

Mpisolovava Ragia Omran nanontany hoe:

لماذا دار القضاء العالي تحول الي سكنة امنية من الامن المركزي خارج و بالداخل؟ للدرجة دي خايفين من علاء و رفاقة؟ @alaa

@rago_legal: Nahoana no nivadika ho toby fiarovana anatiny sy ivelany ny fitsarana? Matahotra an'i Alaa sy ireo namany ve izy ireo?

Ezbai namazivazy hoe:

كل واحد يخلي باله من منشناته

@ezabi:Tokony hitandrina izay anarana alefany amin'ny Twitter ny tsirairay amin'ny sisa

Ahmed Abd El-Fatah (tsy rahalahin'i Alaa) nivazivazy hoe:

بعد موضوع جومانة علاء هو الي هيطلب من النيابة تسجنه.. هيخاغ يرجع البيت


@AhmedFatah
: Rehefa tapitra ny siokan'i Joumana, Alaa no anisan'ny hangataka amin'ny mpampanoa lalàna mba hisambotra azy (Alaa). Matahotra mafy izy hiverina hody any an-trano.

Nelly Ali nangatahaka tamin'ny manampahefana mba hijery mazava:

@nellyali: governemanta tena mampihomehy tanteraka, nosamborina i @alaa noho izy nanonona (olona) taminà sioka… mifikira amin'ny vanim-potoana #MB…mivoaha ao amin'ny zohy!

Cairo67Unedited namarana hoe:

@Cairo76Unedited: Mampihomehy, nanjary mahatsiravina ity fitondrana ity ho an'ny #Ejypsiana notoriana i @alaa noho ny fanononana olona fa tsy noho ny zavatra nolazainy tamin'ny sioka

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.