Pôlitikan'ny Zava-mahadomelina Sy Ny Drôna Any Shina

Ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny Fifandraisana Iraisam-pirenena & Fandriampahalemana ity lahatsoratra ity.

Naw Kham Before Execution

Naw Kham talohan'ny famonoana. Sary nalaina avy amin'ny lahatsarin'ny vaovao tao amin'ny China Central Television.

Novonoin'i Shina ny 1 Martsa 2013 teo ny mpanjakan'ny zava-mahadomelina any Myanmar Naw Kham sy ireo mpikambana ao amin'ny tarika misy azy, Hsang Kham avy any Thailand, Yi Lai, ary Zha Xika avy ao Laos, taorian'ny nanamelohana azy ireo ho namono tantsambo Sinoa 13 tany amin'ny onin'i Mekong tamin'ny 2011.

Antony roa no nahasarika ny sain'izao tontolo izao tamin'io fanamelohana ho faty io. Voalohany, nandefa ilay diaben'ny famonoana ireo tambajotran'ny TV m-panjakana Shinoa, fanapahan-kevitra izay naharomotra olona maro tany Myanmar ary en fa hatrany Shina. Faharoa, nanaiky ny governemanta Shinoa fa nieritreritra ny hampiasa drones (drôna) tamin'ny 2012 hisamborana an'i Naw Kham izay niafina tany ambanivohitr'i Laos tamin'izany fotoana. Io no fotoana voalohany indrindra nampahafantaran'i Shina ampahibemaso fa nahazo drôna izy.

Nahatonga resabe eran-tany momba ny heloka bevava nataony ny fanamelohana ho faty an'i Naw Kham. Fantatra amin'ny anarany hoe ‘Mpiahy ny Telolafy Volamena’, i Naw Kham dia nitarika ny milisy Hawngleuk ahitàna vatan-dehilahy matanjaka100 tany Tachilek, tanàna antsisintanin'ny Fanjakan'i Shan ao Myanmar izay nanao raharaha fivarotana zava-mahadomelina, fakana an-keriny ary fanodinkodinana. Miaraka amin'i Myanmar izay foibeny, ilay Telolafy Volamena fanta-daza any amin'ny faritry ny kaontinantan'i Azia Atsimo Atsinanana no mpamokatra opium goavana indrindra faharoa eran-tany aorian'i Afganistana.

Nitaky vola ihany koa ny tarik'i Naw Kham ho fiarovana ireo sambo mpanao raharaham-barotra manerana ny Ony Mekong. Lasa izy no lehilahy nokarohana fatratra tany Shina taorian'ny namonoan'ny tariny tantsambo Shinoa 13 izay nandà tsy handoa vola tamin'ny 2011. Nampirisika an'i Shina, Laos, Myanmar ary Thailand hanao fikarohana niraisana nanerana ilay ony sy handrindra ezaka hisamborana an'i Naw Kham ilay ‘Raharaha Tao Mekong’Niteraka fampitahana tamin'ilay hetsika miaramila nataon'i Etazonia hamonoana ny lehiben'ny al-Qaeda, Osama bin Laden, ny fisamborana azy.

Ahoana ny fomba nataon'i Naw Kham hisorohany ny fisamborana tanatin'ny taona maro? Araka ny fantatra dia toa narovan'ireo mpitondra avo Birmaney sy ireo mponina vitsivitsy izy, hoy ny gazetin'i Myanmar, Mizzima News:

Vitany ny nisoroka nandritra ny teo amin'ny roapolo taona teo ny ezak'ireo masoivoho mpampihatra lalàna tany amin'ny faritra natao hisambotra azy noho ny “fiarovana sy fiahiana” nomen'ireo mponina sy ny miaramilan'i Birmania tany amin'ny faritr'i Tachilek sy Kentung ao amin'ny fanjakan'i Shan, hoy ireo tompon'andraikitra. Noraisina ho “Robin des Bois” izy, noho ny vola nosolokiany tamin'ny sambo nivezivezy tao Mekong.

Mampahatsiahy antsika ny hasarotr'ireo pôlitikan'ny zava-mahadomelina any Myanmar ihany koa ny fiainana mahonenan'i Naw Kham. Manazava ny fifandraisana misy eo amin'ny ady amin'ny zava-mahadomelina sy ny adim-bahoaka mitroatra any Myanmar Avaratra ny Shan Herald:

Tsy misy na iray aza tsy manan-tsiny amin'ny ady amin'ny zava-mahadomelina ao Birmania:

Ny vahoaka noho ny filàn'izy ireo fatratra ny hiaina

Ireo mpikomy mba hividianan'izy ireo fitaovam-piadiana enti-miady aminà governemanta mpanao didy jadona

Ny governemanta sy ireo heriny mitam-piadiana noho ny fampirisihan'izy ireo ny namany hiditra anatin'ny fivarotana zava-mahadomelina entina miady amin'ny mpanohitra sy ny famelan'izy ireo ny heriny hirotsaka anatin'izany ahafahan'izy ireo mihinana, miakanjo ary hiamatsy tena ara-pitaovana

Feno ny faribolana rehefa manararaotra ny toe-javatra misy eo amin'ny sehatry ny fandraharahana mba hirotsahana, hamokarana ary hivarotana zava-mahadomelina ireo mpandraharaha tia vola

Mino i Khuensai Jaiyen avy ao amin'ny sampan'ny Fanaraha-maso Ny Zava-mahadomelina ao Shan fa ny “vahaolana pôlitika miaraka amin'ireo vondrom-poko mitam-piadiana” no fanalahidin'ny famahana ny loza mitataon'ny zava-mahadomelina:

Fotoana izao hamaranana ilay faribolana vetavetan'ireo mpanjaka vaovaon'ny zava-mahadomelina izay mipoitra sy hatao saribakoly ombieniy ombieny. Tokony hojerena ny fototra politikan'io olan'ny zava-mahadomelina io

Niteraka adihevitra ny vaovao mikasika ny fananan'i Shina drôna, izay mikasika ny faneken'ny governemanta Shinoa na tsia ny hampiasàna izany hiarovana ny fampiasam-bolany any Myanmar, indrindra ny tetikasa “gazoduc”. Miresaka momba ity olana ity i Mizzima:

Mety ho eny, mety ho tsia. Na izany aza ny fahitana ny fampahatsiarovan-tenan'i Shina ny mpiray vodirindrina aminy any atsimo andrefana momba ny traikefany ara-piadiana dia mandefa hafatra iray [izay] tsy azo atao tsinontsinona.

Azo inoana marina dia marina tokoa fa hisedra fitsapana ny faharetan'ny Shinoa sy ny pôlitikany momba ny fanajàna ny fiandrianam-pirena mandritra ireo volana hoavy—tsy eo amin'ny sehatry ny adin'ny Kachin irery ihany, fa eo amin'ny fiarovana ireo fantsona be fitaterana solika tsy ho azon'ny ankasom-parana ihany koa.

Raha ny mikasika ny fandefasana mivantana ilay diaben'ny  famonoana, nitsikera ilay “fihetsiketsehana tsy dia ilaina loatra” ny ankamaroan'ireo Birmana sy Shinoa mpampiasa aterinetoNanoritsoritra izany ho ‘faniratsirana ny fahamendrehan'olombelona’  i Nicholas Bequelin avy ao amin'ny Sampana mpanaramaso ny Zon'olombelona:

Tsy misy tokony hamadihana fanamelohana ho faty ho lasa toy ny fampisehoana mampihomehy tahaka izao ary izany dia mivaona amin'ny fametrahana ny marina … na inona na inona vitan'izy ireo, tsy biby anaty vala izy ireny.

ISN logoFangatahan’ny International Security Network (ISN) ity lahatsoratra ity sy ireo dikateniny amin'ny teny Espaniola, Arabo ary Frantsay, anatin'ny fiaraha-miasa hitrandrahana ny feon'ny vahoaka amin'ireo olana mikasika ny fifandraisana iraisam-pirenena sy ny fandriampahalemana eran-tany. Tao amin'ny bilaogin'ny ISN ity lahatsoratra ity no navoaka voalohany, jereo eto ireo tantara sahala amin'izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.