Fikatonan'ny Google Reader: Toetra Ratsin'ny Google?

Nanambara ny Google tamin'ny herinandro lasa fa hakatony amin'ny 1 Jolay ny tolotra mpamaky fahana RSS fanomeny, fantatra amin'ny hoe Google Reader.

Google Reader, tahaka ireo mpamaky fahana hafa rehetra (RSS na Atom, indrindra indrindra) dia fomba iray tena mora ampiasaina hanarahana akaiky ireo votoaty navoakan'ny bilaogy na tranonkala manana io fahafahana io. Tao anatinà fanambaràna iray farany dia nanampy ny Google hoe :

Antony roa tsotra kely no mahatonga an'io : nihena ny fampiasàna ny Google Reader, ary amin'ny maha orinasa anay be loatra ny angovo  narotsakay ho anà vokatra tsy dia manao ahoana. Heverinay fa ny karazam-pifantohana toy izany dia hiteraka fihatsaran'ny fomba fampiasa ho an'ireo mpampiasa Google.

Ao amin'ny bilaogy Alt1040 miresaka momba ny teknolojia, manontany tena i Javier Lacort raha toa ka tena tolotra mandany vola nefa tsy dia misy mampiasa loatra izy io, ary tondroiny ilay tolotra ho [es] toy ny :

un movimiento sorprendente dada la cantidad de usuarios que usan este servicio diariamente. Por otro lado, lo cierto es que llevaban mucho tiempo sin actualizar el servicio, e incluso retirándole funcionalidades, como los Share o los Me gusta. […] El problema es que a veces Google hace movimientos bastante difíciles de comprender. Sobre todo, de un tiempo a esta parte, cuando se basan en potenciar el uso de Google+ a cualquier precio. En este caso, con el cierre de Google Reader, despidiéndose de uno de los servicios más usados en el día a día por muchísimos usuarios. Y lo que es peor, obligando a estos mismos usuarios a despedirse de él.

hetsika mahagaga, indrindra raha jerena ny isan'ireo olona mampiasa ity tolotra ity isanandro. Etsy ankilany, marina fa efa fotoana ela ihany izay no nanaovan-dry zareo fampanarahana toetrandro an'ilay tolotra, ary nisy mihitsy aza fampiasa vitsivitsy notsoahan-dry zareo, toy ny Share(Zarao) na Like(Tiana). […] Ny olana dia indraindray ny Google manao hetsika izay somary sarotra takarina. Ambonin'izany rehetra izany, vao haingana, fony ry zareo nifototra tamin'ny fampiakarana ny fampiasana ny Google+ tamin'ny fomba rehetra. Amin'ity tranga ity, miaraka amin'ny fanakatonana ny Google Reader, dia efa fanaovana veloma ihany koa ny tolotra iray isan'ny be mpampiasa indrindra eo amin'ny fiainana andavanandron'ireo mpampiasa. Ary ny tena ratsy indrindra dia ny fanerena ireny mpampiasa ireny ihany hanao veloma azy ity.

Saingy tena marina ve fa tolotra iray mitontongana ny fampiasàna azy ity e? Ao amin'ny “Geek's Room” naverin-dry zareo navoaka ny  [es] tatitra iray avy amin'ny Buzzfeed Network izay maneho fa ny Google Reader no mbola mamokatra todika betsaka kokoa noho ny Google+ (raha hiresaka vokatra avy aminà orinasa iray ihany), izay azo jerena ato anatin'ity kisary manaraka ity:

google-referralsLazain'i Enrique Dans ho fitaovana iray tsy hisy hahasolo azy ny Google Reader, na dia nataony mazava tsara aza fa tsy mihevitra azy ity ho vokatra iray natao ho an'ny daholobe izy ity, fa iray izay natodika ho an'ireo mpampiasa izay “efa lasa lavitra amin'ny fifandraisan'izy ireny amin'ny resaka seraseram-baovao”, ary manontany tena [es] izy mikasika ny mety ho fahelàna velon'izy ity ao anatin'ny vanim-potoan'ny tambajotra socialy :

Enterarse de noticias a través de Facebook o de Twitter resulta cada vez más habitual. Sin embargo, pensar en sustituir Reader con alguna de estas herramientas supone enfrentarse a un entorno muchísimo menos eficiente, que depende de procesos de descubrimiento social. Frente a disponer de las fuentes en un formato sencillo y accesible inmediatamente, es sencillamente otra cosa: una posibilidad para quienes “se encuentran” con las noticias, pero no para quienes “vamos a buscarlas”.

Efa lasa mahazatra izao ny fikarokarohana vaovao amin'ny alàlan'ny Facebook na Twitter. Kanefa, ny hihevitra hanolo ny Reader amin'ny iray amin'ireny fitaovana ireny dia midika fiatrehana tontolo iray faran'izay tsy alehany, izay miankina betsaka amin'ireo dingan'ny zava-baovao eo amin'ny sosialy. Rehefa anananao amin'ny endrika tsotra sy tonga dia azo raisina avy hatrany ny loharano, dia efa tena zavatra hafa tsotra kely mihitsy izay: vintana ho an'ireo izay “efa eo amin'ny toerana” misy ilay vaovao, fa  tsy ho an'ireo izay “mikatsaka azy”.

Tsy nitazam-potsiny ilay fanambaràn'ny Google ny vondrom-piarahamonin'ireo mpampiasa azy, ary dia porofon'izany ny fanangonan-tsonia iray ao amin'ny Change.org izay efa nahangona maherin'ny sonia  141.555 mitaky ny tsy hanakatonana ilay tolotra.

Maneho hevitra [es] ao amin'ny Fayerwayer i Cony Sturm hoe ireo tolotra hafa izay niankina tamin'ny Google Reader koa, toy ny FeedDemon, dia nanambara ny fikatonan-dry zareo noho ny fiankinany betsaka tamin'ny foto-drafitrasan'ny Google. Nandika ho amin'ny fiteny Espaniôla ny ampahany tamin'ilay taratasy fitarainana nataon'i Daniel Lewis ho an'ny Google nampandalovina tamin'ny Change.org ihany koa izy:

Nuestra confianza en los demás productos de Google – Gmail, YouTube, y sí, incluso Plus – requiere que confiemos en que ustedes respetarán cómo y por qué usamos sus otros productos. Esto no es sólo sobre los datos en Reader. Esto es sobre nosotros usando sus productos porque los amamos, porque hacen mejores a nuestras vidas, y porque confiamos en que no los destruirán”, afirma. “Por favor, no destruyan esa confianza”

“Ny fitokisanay ireo vokatra hafa an'ny Google – Gmail, YouTube, ary eny, mety mihoatra noho izany – dia ilàna ny hoe matoky anareo izahay amin'ny fanajàna ny fomba sy ny antony ampiasànay ireo vokatrareo hafa. Tsy hoe noho ny angon-drakitray ao amin'ny Reader fotsiny izy ity. Fa momba anay mampiasa ny vokatrareo satria tianay ilay izy, satria mampivoatra ny fiainanay ilay izy, ary satria matoky izahay fa tsy ho hapoakanareo izy io”, hoy izy manoratra. “Noho izany, miangavy aza potehina izay fitokisana izay.” 

Nefa raha sanatria tsy mahomby io, tsy maintsy mitady fanolo isika, toy ny nataon'i Bárbara Pavan tao amin'ny Bitelia, toerana amoahany [es] lisitra iray misy fanolo 10 ho an'ny Google Reader (Pavan ihany koa dia mizara lisitra fohy izay akaikikaiky kokoa)

Raha ny marina, ny kaompania sasany toy ny Digg dia nanambàra [es] fa halain-dry zareo tàhaka ilay tolotra. Ka na dia hanakatona ny fahana Reader aza ny Google, tsy midika ho fahafatesana ho an'ilay endrika nahazatra izany, izay ny fananganana azy dia nandraisan'itompokolahy Aaron Swartz anjara izay vao haingana no nodimandry.

Ny nanjary nibaribary indray izao dia ny tsy fitovian'ny fahalinana sy ny tombontsoan'ireo mpampiasa sy ny an'ny orinasa, ary , araka ny lazain'i Enrique Dans ao amin'ilay lahatsoratra notanisaina tery aloha:

Con el cierre de Google Reader, Google muestra su peor cara: la del desprecio absoluto a sus usuarios. La de la empresa de la que jamás te puedes fiar. Algunos ven el cierre como inevitable, pero retirar una herramienta con una base de usuarios tan fiel sin proponer siquiera un reemplazo digno de ser tenido en consideración es una manera de demostrar que esos usuarios te traen completamente sin cuidado, que no te preocupan lo más mínimo.

Miaraka amin'ny fanakatonana ny Google Reader, dia mampiseho ny toetra ratsiny ny Google: ny tsy firaharahiana ny mpampiasa azy. Ny endrika orinasa iray izay tsy ho azonao itokiana velively. Ny sasany mahita ilay fikatonana ho tsy azo ihodivirana, nefa ny fanesorana fitaovana iray manana mpampiasa miraiki-po tahaka izany, tsy misy akory na dia tolo-kevitra mendrika ho sainina hanoloana azy aza, dia fomba iray hanehoana fa tsy misy raharahanao mihitsy ny amin'ireo mpampiasa ireo, fa tsy misy na kely aza mampiasa loha anao mikasika azy ireo.

Aza mba ratsy saina e.

Ny lahatsoratra orizinaly dia navoaka tao amin'ny bilaogy Globalizado [es] an'i  Juan Arellano .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.