Ny Big Wet: Anatin'ny Gripan'ny Tondra-drano Ny Any Avaratr'i Aostralia

Fintinin'i Nick Evershed ny fihetseham-po nasionaly mikasika ny toetrandro tao ho ao tany Aostralia sy ny fipetrak'izany toetrandro izany, raha toa ka vaky ny fefilohan'ny ony Queensland ka tondraky ny rano kosa ny any Avaratry New South Wales (Galles Atsimo Vaovao):

‏@NickEvershed: Aostralia: raha tsy mirehitra izy dia mety ho dibo-drano izay.

Mandritra izany, mbola tsy voafehy ny doroala any amin'ny faritra sasany any Victoria.

Nahasintona ny fanehoankevitra amin'ny ankapobeny ny tenifotora #bigwet sy #qldfloods, toy izany koa ny tantara eo an-toerana.

Nitanisa ny mponina iray avy any amin'ny lemak'i Lockyer, andrefan'i Brisbane ny ABC News Breakfast:

‏@BreakfastNews : Steve McDermott avy any amin'ny lemak'i Lockyer: Efa niainanap indray mandeha tanatin'ny zato ny tondradrano toy izao tamin'ny 2011, tsy niomana ny hahita toy izao sahady ianao roa taona aty aoriana #bigwet

Maherin'ny 20 ny olona maty tamin'ny faritra Lockyer tamin'ny tondradrano 2011.

Herintaona lasa izay, novokarin'ny fantosna Youtube ofisialin'ny Filankevi-paritry ny Lemaky  Lockyer ity horonantsary ity:

Any Brisbane, nibitsika matetika mikasika ilay tondradrano i Derek Weeks:

@derek_weeks: Eto izao no tokony hisy ny faritry ny tondradrano noeritreretina http://www.brisbane.qld.gov.au/ #qldfloods #bigwet afaka fotoana fohy.

Nanampy sary izy taorian'izay:

‏@derek_weeks: #collegescrossing ora vitsy taloha, vao vita taorian'ny 2011 #qldfloods #bigwet http://lockerz.com/s/279870176

College Crossing

Fiampitàna ho amin'ny Kolejy, Queensland. Sary: bitsika Derek Weeks

Tsy hoe ny Twitter foana no fomba tsara indrindra hahazoana vaovao marina sy manaraka ny toetrandro, indrindra rehefa hoe tapaka ny fifandraisana na tsy misy herinaratra. Iray amin'ireo tsy nahazo fifaneraserana i Jess Faith avy any avaratra lavitry Queensland:

‏@jessfaith89: Arahaba ry teknolojia! Nalahelo anao mihitsy aho! #bigwet #qldfloods #Cairns

Iray amin'ireo tobin'ny ‘radio eo an-toerana’ mpandefa vaovao nasionaly ny ABC Wide Bay. Iray amin'ireo foibenà fampielezampeo ABC maro ao an-toerana namerina nibitsika ity karazan-javatra tsy mitombina ity.

‏@abcwidebay: Lazaina fa nahatratra hatramin'ny 20.3 m ny haavon'ny ony Gympie #bigwet #qldfloods

Iray amin'ireo tao amin'ny aterineto nampifandray ny haratsin'ny andro amin'ny fiovan'ny toetrandro i David Kirkpatrick:

‏@daveyk317: Mandre ny teny hoe “Sambany / tsy nisy ty izany” foana isika tanatin'ny vaovaon'ny #qldfloods – mbola ho rentsika bebe kokoa izany noho ny fiovaovan'ny #ClimateCrisis.

Manana sarintaninà tondradrano maromaro i Brisbane, tohanan'i Ushahidi, eto: Rivodoza any Brisbane sy ny sarintanin'ny Tondradrano.

Hatreto, olona telo no voamarina fa maty. Mbola haharitra andro maro ity andro tena ratsy amin'izao fotoana izao ity ary ny vokatry ny tondradrano avy eo koa satria mbola mitodi-doha mianatsimo any Sydney ilay rivo-doza mahery. Amin'izao fotoana izao, miampy isaky ny segondra vitsy ny teny hoe #bigwet.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.