‘Afaka Manampy Manazava Amin'Izao Tontolo Izao Mikasika an'i Katalonia ny Global Voices’

 

violeta

Violeta Camarasa, mpamoaka lahatsoratry ny Global Voices Català.

Navoakan'ny gazety tsy miankina amin'ny aterineto Vilaweb [ca] ny dika voalohan’ity lahatsoratra ity. Namerina namoaka izahay niaraka tamin'ny fahazoan-dàlana.

Dinidinika niarahana tamin'i Violeta Camarasa, mpamoaka lahatsoratra amin'ny teny Katalàna eo amin'ny Global Voices Online (Twitter) [ca]. Na dia namoaka ny lahatsorany voalohany tamin'ny teny Katalàna aza ny Global Voices [ca], dia naharitra herintaona kosa ny tetikasa vao nahazo vàhana. Ankehitriny efa mamoaka ara-dalàna tsara ny Global Voices Català, miaraka amin'ny zo sy ny andraikitra rehetra amin'ny maha-mpamoaka dikanteny hafa azy ao amin'ny Global Voices. Nampiantrano fifanakalozan-dresaka teo amin’ i Saül Gordillo [ca], Sílvia Cobo [ca], Cristina Vaquer (Twitter) [ca] avy amin'ny mpiara-miasa mpanao gazetin'ny tambajotra People's Witness [ca], ary i Violeta Camarasa, mpamoaka lahatsoratry ny Global Voices Català, ny Anjerimanontolon'i Pompeu Fabra any Barselona ny Alarobia 27 Febroary lasa teo.

Ohatra roa:  Al Jazeera sy The Washington Post

Nasehon'ny Global Voices Català nandritra izay volana maro lasa izay fa zakany tsara ny manazava an'i Katalonia amin'izao tontolo izao, manentsina ny tsy firaharahiana manan-tantara nataon'ny media tranainy an'ilay faritra. Ohatra:

1) Nanasongadina ny vaovao mikasika ny politika Katalana ny Al Jazeera tao anatin'ny lahatsary The Stream mikasika ny fanoherana nataon'ny olona an-tapitrisany tamin'ny 11 Septambra tao anatin'ny vanaim-potoana nitomboan'ny fifanolanana teo amin'i Katalonia sy ny governemanta Espaniola. Eo amin'ilay lahatsary, misaotra ny Global Voices Català ny vahinin'ny The Stream noho ny fanairana ny ekipa amin'ity olana nahitàna ny lahatsoratra iray izay nivoaka [ca] andro maromaro taloha ary koa tao amin'ny Twitter (jereo eo amin'ny minitra faha-11.33 sy 28.19).

2. Ao anaty lahatsoratra bilaogy mikasika ny the Cafè amb Llet affair, niteny mikasika ny lahatsoratry ny Global Voices ny The Washington Post. Niverenena nojerena ny lahatroratry ny bilaogy taty aoriana rehefa nokianin'i Rtoa Camarasa ny lahatsoratra.

Inona no tena tanjon'ny Global Voices Català?

Singa iray amin'ny fiparitahan'ny Global Voices Online maneran-tany ny Global Voices Català. Miasa toy ny tambajotra izahay, manana asa roa ny famoahan-teny ao anatin'izany tambanjotra izany. Voalohany, ny mandika izany ho amin'ny fiteny (raha ny anay dia ny Katalàna), mba hanazavana ny mpanaraka azy ny hevitra sy ny olana izay miseho eran-tany eo amin'ny adihevitra anaty aterineto. Adidy ihany koa ny manazava amin'izao tontolo izao ny lohahevitry ny adihevitra mikasika ny tranonkala amin'ny teny Katalàna.

Matetika ianao no miresaka mikasika ny tsirikevitry ny adihevitra anaty aterineto

Eny, sady sarotra izy ireny. Mety hihodinkodina aminà fanontanianaizay nipoitra mivantana avy amin'ny aterineto ny adihevitra; mety hoe resaka amin'ny aterineto ihany koa izy ity mikasika ny zava-misy tsy amin'ny aterineto, miseho amin'izao fotoana. Amin'izay indray, afaka manome an'izao tontolo izao izahay, endrika tokana mikasika ny zava-miseho aty Katalonia, manampy ny zavatra efa mahazatra asehon'ny haino aman-jery fototra.

Afaka manampy manazava ny hetsika fisintahan'i Katalonia amin'izao tontolo izao ve ny Global Voices?

Mazava ho azy! Jereo fotsiny ny tamin'ny herintaona, tena niorina tamin'ny zavatra navoakan'ny haino aman-jery fotsiny na koa ny fanodinan-tsaina avy any Madrid fotsiny ny sarin'i Katalonia eo amin'izao tontolo izao. Varavarankely vaovao sy mivantana mankany amin'ny zava-mitranga Katalàna misy amin'izao fotoana izao ny Global Voices. Ary afaka manazava misimisy kokoa mihoatra noho ny resaka fiandrianam-pirenena aza izahay: ohatra, ny loza mikasika ny fandroahana vokatry ny krizy ara-toekarena, ny kolikoly, ary ny olana maro samihafa mifandray amin'ny fiarahamonina Katalana amin'izao fotoana izao. Tsy manilika ny olana iray ny olana iray hafa, ary mifandray amin'ny firenena izay andrandrainay fatratra avokoa izany.

Ka inona ary izany no ho hitanay ao amin'ny aterineto ao amin'ny Global Voices Català?

Matetika izahay no mamoaka fandalinana izay lasa lavitra noho izay efa fandaharam-potoan'ny famoahana efa nifanarahana. Tena miasa tsy mitsahatra izahay hamoaka votoaty betsaka, mety hoe lava mihoatra noho ny tokony ho jifain'ny olona iray. Manoratra betsaka izahay mikasika ny fiarahamonina Katalàna mba ahafahan'ny teny hafa mandika izany ihany koa, ary mandika teny ireo lahatsoratra rehetra izay avoakan'ny Global Voices hafa izahay, izany rehetra izany no mamokatra ny tantara maro samihafa avy amin'izao tontolo izao. Zava-dehibe ihany koa anefa ny manao sivana mba ahafahan'ny mpamaky mahita ny lahatsoratra mikasika ny teny, ny faritra ary ny firenena izay tiany.

Nandaniana vola ve ny nananganana ny famoahana Katalana?

Ny tena marina, nitsangana tamin'ny 2005 ny Global Voices ary tamin'izany izy aloha dia tamin'ny teny Anglisy (fotsiny) ny famoahana izay mifantoka tamin'ireo tantara avy amin'ny tany an-dalam-pandrosoana. Niparitaka tany Espana sy Frantsa tsikelikely avy eo ny sehatra momba ny teny an'ny Global Voices ary amin'izao fotoana izao efa ahitàna fiteny miisa telopolo. Niorina tamin'ny 2010 ny famoahana Katalàna fa ela vao nahazo vàhana. Tamin'ny 2011 izahay no namoaka lahatsoratra tsy miato, fa tsy toy izany izy ity hatramin'ny 2012, hatramin'io ny Global Voices Català no tena namoaka votoaty mivaingana maro, mba hialàna tamin'ny sehatra ‘BETA’ (andrana) sy horaisina hoe famoahan-teny feno ao amin'ny Global Voices.

Lalana iray ahafahana mifandray amin'izao tontolo izao ihany koa ny firotsahana an-tsehatra miaraka amin'ny Global Voices...

Izany mihitsy, tena manan-danja tanteraka mihitsy ny zavatra rehetra vokarinay hoan'ny mpamaky Katalàna mikasika ny resaka eran'izao tontolo izao. Fanampin'izany, ao anatin'io zavatra io ihany koa izahay — izany hoe, ny ekipan'ny GV –. Raha ara-tantara, saika miparitaka any amin'ny vaovaon'ny haino aman-jery goavana sy mitatra kely eo amin'ny diplomasia ny vaovao iraisam-pirenena. Tambajotra iray amin'ny maro ny Global Voices izay manampy amin'ny fiatrehana izany. Fanampin'izany, mamela malalaka ny mpamaky ihany koa ny Global Voices, hifandray mivantana amin'ny mpanao gazety sy ny mpitoraka bilaogy izay mamokatra ny votoatiny. Mivantana izany ny serasera.

 

Ary ahoana kosa ny fomba fiasan'ny ekipa Katalàna?

Hatreto aloha, eo amin'ny mpilatsaka an-tsitrapo roapolo eo izahay, fa herinandro vitsy lasa izao dia naharay firotsahana misimisy kokoa tsy toy ny mahazatra izahay. Ary soa ihany aza fa nisy ny fampahafantarana tao amin'ny anjerimanontolon'ny Pompeu Fabra hanampy anay hivelatra misimisy kokoa. Manao asa roa izahay araka ny noteneniko tery aloha. Mandika teny avy amin'ny famoahana hafa izahay, eny indraindray aza manampy fanazavana fohy ho an'ny mpamakinay, ary mitatitra ny resaka izay mamaritra ny tontolon'ny bilaogy Katalana ihany koa izahay. Tsara ny manamarika fa tsy miresaka bilaogy sy bitsika ataon'ny mpanao politika izahay, na koa ny mpanao gazety, na koa ireo olo-malaza. Ny tena marina, ny mifanohitra amin'zany aza. Tianay hasondrotra mihitsy ny feon'ny olona any ivelan'izay taratry ny haino aman-jery fototra. Eo amin'izay lafiny izay no ilànay mpilatsaka an-tsitrapo manana fahaiza-manao “eo amin'ny asa fanaovan-gazety”, fa tsy midika akory izany fa mila mpanao gazety matihanina izahay hiara-hiasa aminay.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.