Nontsanin'ireo Nizeriana Tamin'ny Bitsika Tamin'ny Teny Yoruba Ny Twitter

Rakotra Yoruba, fiteny iray amin'ireo fiteny telo eo an-toerana be mpampiasa indrindra any Nizeria, ny Twitter, ny 1 Martsa 2013, raha nandrehitra ny tranonkalan'ny bilaogy kely tamin'ny bitsika amin'ny teny Yoruba ireo mpampiasa ity teny ity ho isan'ny fanentanana hankalazana ilay teny eo amin'ny haino aman-jery sosialy ary koa hamporisihina ny Twitter mba hampiditra azy ity ao amin'ny tetikasa fandikantenin'izy ireo.

Amin'ny filazàna ofisialy dia miteny Anglisy i Nizeria, izay malaza amin'ny fisian'ny mponina ao aminy 160 tapitrisa, fa manana tenim-paritra maherin'ny 500 ihany koa izy, ary ny Yoruba no iray amin'ireo teny telo lehibe tenenin'ireo teratany any ireo . Ampiasaina ihany koa izy ity any amin'ny sisintanin'ny Afrikana Andrefana any Benin sy Togo, ary koa any Kioba sy Brezila.

Mibitsika amin'ny teny Yoruba ny mpiresaka miaraka, amin'ny tenifototra #tweetYoruba sy #twitterYoruba. Nanazava ny antony ao ambadik'ity ezaka teo amin'ny bilaoginy ity i Kola Tubosun (@baroka), iray amin'ireo mpikarakara ny fanentanana:

Manohy ny fomba fanao isan-taona ny Andron'ny Bitsika Yoruba tamin'ny 1 Martsa 2013*, fa somary tsy dia manindry mafy loatra amin'ny famporisihina ny Twitter fa kosa ny hankalazana ny hatsaràna sy ny lanjan'ny fampiasàna ny tenin-dreny izany amin'izao vanim-potoanan'ny maoderina izao. Mety tsy hisy intsony ato ho ato ny hoe ireo teny avy eo an-toerana ireo no fomba fifaneraserana tokana, satria voafetra ny olona miteny azy (Maherin'ny 30 tapitrisa no mampiasa ny Yoruba), fa raha mbola misy koa ireo fomba fifaneraserana ireo, dia mbola hisy foana koa ny fomba hahafahana mampita ny kolontsaina sy fomba fijery miavaka an'izao tontolo izao.

Nanomboka tamin'ny herintaona ny Andron'ny Bitsika Yoruba any Nizeria, ary nahasarika saina maro ka voaantson'ny solotenan'ny birao fandikan-tenin'ny Twitter, araka ny nosoratan'i Tubosun. Fa tsy nisy intsony ny vaovao hatramin'izay famintinana ny fanarahana fohifohy avy amin'ny Twitter izay :

Natao ity fanazàrana ity hatramin'ny herintaona mba ho fomba iray handrisihina ny Twitter hampiditra ny teny Yoruba ho isan'ny lisitry ny tena izay adikan'ny seha-pifaneraserana. Nisy ampaham-pahombiazana ihany tamin'ny endriky ny tompon”andraikitry ny fandikan-tenin'ny Twitter izay nanamafy fa na efa voaray aza ny hafatra, dia mbola mila miandry kely ny hampidirina ny teny, noho ny antony ara-lojistika.

#TweetInYoruba Day 20013 (Credit: ktravula.com)

Andro #TweetInYoruba 2013 (Fahana: ktravula.com)

Ireto misy bitsika niaraka tamin'ny fandikan-tenintsika avy amin'ny Andro #TweetInYoruba:

@DAINJURER: Oloore re ko ni fi obituary da e mo! Fi adura yi ranse si eniyan mewa ti o feranju. #tweetinyoruba

@DAINJURER: Tsy avy hahalala anao amin'ny alalan'ny filazana manjo momba anao akory ny olona natao hanampy anao. Alefaso amin'ny olona folo tianao ity.

@renoomokri: Bi iwo ko tile gba wipe ohun kan wa ti o le se lati gbe Naijiria ga, saa gbagbo wipe Naijiria, orile-ede títóbi ni. #tweetYoruba

@renoomokri: Bitsika ho an'ny Nizeriana rehetra: Eny fa na mino aza ianao hoe tsy misy na inona na inona azonao atao hanatsarana an'i Nizeria, farafaharatsiny, inoy fotsiny hoe afaka hatsaraina i Nizeria. #tweetYoruba

@baroka: Since the day is young in other parts of the world, ibi ni emi a ti duro na. Eyin ara Amerika, e maa ba iyoku lo. E ti yege na #tweetYoruba

@baroka: Eto aho no hijanona. Anjaran'ny Amerikanina no manohy ny ambiny. Hahomby ianao. #tweetYoruba

@seunonigbinde: Oluwaseun : Misaotra Anao ry Tompo, Olayide: Tonga ny harena, Temitope: Ny ahy ny hafaliako OniGBINde: tonga ny mpively ampongan'ny mpanjaka #tweetYoruba

@bumight: Ewo ti e ni ede gèésì ti mo fi n twiiti yii? #tweetYoruba

@bumight: Fa maninona moa aho no mibitsika amin'ny teny Anglisy? #tweetYoruba

@molarawood: O dabii pe awon ara Amerika fe ki Kadinali (cardinal) won yi, Timothy Dolan, di Poopu lehin Benedikti. Sugbon emi o ro bee. #tweetYoruba

@molarawood: Hoatry ny hoe tian'ny Amerikana ho ny Kardinaliny, Timothy Dolan, no ho lasa Papa taorian'ny Benoà. Fa tsy mino aho hoe ho tonga amin'izany #tweetYoruba

Maro amin'ireo haisoratra manan-danja avy amin'ny kaontinanta Afrikana no miseho eo amin'ny haino aman-jery sosialy tato ho ato, nilaza ny mpanakiana ara-literatiora Nizeriana Ikhide Ikheloa (@ikhide) tao anatinà tafatafa vao haingana tao amin'ny bilaogy ara-literatiora Brittle Paper. Raha jerena hoe isan'ny ampahany feno amin'ny famantarana maha-firenena iray ny teny sy ny haisoratra, ajanony ny tantaram-pitiavana, dia midira eo amin'ny Twitter sy ny Facebook mba hahazo hevitra mazava tsara mikasika an'izao tontolo izao, hoy izy:

Sady mahaliana ahy no mampalahelo ahy hoe rehefa miresaka haisoratra isika, dia ny ao anaty sehatry ny boky ihany. Angamba efa tsy mety amin'izao intsony ny hampiasàna ny boky ho hany fenitra tokana ara-kolotsaina eo amin'ny tontolo ankehitriny. Mandeha lavitra kokoa aza aho miteny hoe, tamin'ny taonjato faha21, ny boky no mari-pandrefesana mampalahelo indrindra eo amin'ny haisoratra Afrikana. Ilainao ny mandeha any amin'ny tantaram-pitiavana Afrikana roa manan-danja indrindra – Twitter sy Facebook, fanampin'ireo bilaogy sy tranonkala mba hamakianao tsara mikasika ireny olana ireny… Antony iray tsy hamakiako boky tato ho ato dia satria tsy ampy ahy ny fotoana hamakiako ny haisoratra eo amin'ny Twitter, Facebook ary bilaogy. Tena tafalatsaka tanteraka aho…

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.