Manako Any Afrika Ny Fametraham-pialàn'ny Papa

Niteraka fihetseham-po tamin'ny Firenena Afrikana mampiasa ny teny Frantsay, na tamin'ny haino aman-jery nentim-paharazana na tamin'ny tambajotra sosialy, ny fanambaràn'ny Papa Benoà XVI mikasika ny faniriany hiala amin'ny asany manomboka amin'ny 28 Febroary 2013. Ny fankasitrahana ny Papa miaraka amin'ny hetaheta mba hisian'ny mpitarika Afrikana sasany haka ohatra amin'ny nataony no tena fihetseham-po nibahana tao.

The Holy Father, Pope Benedict XVI

Ny Ray Masina,Benoà XVI. Sarin'ny Fiangonana Katolika (Angletera sy Pays de Galles) eo amin'ny Flickr, fahazoan-dalana CC by-nc-sa/2.0

Hevitra samihafa, saingy araham-piderana

Nanoratra toy izao manaraka izao[fr], ao amin'ny lahatsoratra iray feno antontan-kevitra tsara ao amin'ny bilaogy Togocouleurs mitondra ny lohateny hoe ‘Tsy maintsy tokony ho faty Papa ve ny Papa?’, i Charles Lebon:

La nouvelle est tombée ce 11 février comme un coup de tonnerre dans un ciel serein. Ce coup aurait été moins violent si c’était le décès du pape, qui, dans ce cas et trop souvent prévisible, obligeait les journalistes à attendre sous les fenêtres du saint homme en agonie avec micro, camera et bougie. Mais ce n’était pas le cas. Il s’agit de la démission du souverain pontife au sens de : « renoncer à sa charge ».

Nivoaka toy ny vara-datsaka tanaty lanitra tony ny vaovao tamin'ny 11 febroary. Tokony ho tsy mafy loatra ny filàtsany raha toa ka nilaza izy ireo fa maty ilay Papa, ary amin'izay fotoana izay, toy ny nataon'ireo hafa, dia nampiandry teo ambany varavarankelin'ilay ray masina miala aina  ireo mpanao gazety miaraka amin'ny micro, ny fakantsary, ary ny labozia. Fa tsy izany no zava-nitranga. Ny tena marina dia ny fametraham-pialan'ny mpitantana dimbin'i Piera, ao amin'ny hevitra hoe: ‘mandàny anjara ziogany’.

Nitanisa an'i Ray Jacques Seck any Dakar [fr] ny bilaogin'i Diery Diallo :

Je dis que je suis heureux que le Saint-Père (Pape Benoît XVI) ait pris cette idée personnellement. Les hommes de Dieu que nous sommes (…) ne sont pas des fonctionnaires qui travaillent. Je suis heureux que le Saint-Père à la tête de l’Eglise nous donne l’exemple. Les évêques, Cardinaux, Pape, ne sont pas des fonctionnaires, quand ils ne peuvent plus ils cèdent la place aux autres », a réagi Abbé Jacques Seck sur les ondes de la Rfm. Rappelons que le Pape Benoit XVI a annoncé sa démission de ses fonctions de Pape pour le 28 février 2013. Il a donné comme raison, son âge avancé qui ne lui permet plus d’exercer le ministère Pétrinien.

Ambarako fa faly aho satria nanao dingana samirery ny Ray Masina (Papa Benoa XVI). Ny Olon'Andriamanitra tahaka anay […] manko tsy mba fonksionera amin'itony asa itony. Faly aho fa nanome ohatra ho antsika ny Ray Masina amin'ny maha lohan'ny Fiangonana azy. Tsy fonksionera ny Eveka, ny Kardinaly ary ny Papa, rehefa tsy afaka manohy intsony izy, omeny ny olona hafa ny toerany” hoy ny fihetseham-pon'ny Ray Jacques Seck teo amin'ny onjam-peon'ny RFM. Andeha ho tsaroantsika fa nanambara ny Papa Benoa XVI fa manan-kery ny fametraham-pialany manomboka ny 28 Febroary 2013. Ny antony narosony, ny taonany efa lehibe izay fantany fa tsy ahafahany intsony mamita ny andriaikitry ny Tompo.

Maro ireo fihetseham-po no nipetraka [fr] teo amin'ny pejy facebook-n'ny Radio France International, maridrefy izay isan'ny maro mpihaino any amin'ny tany mampiasa ny teny Frantsay any Afrika, nandritra ny fandaharam-potoana natokana ho amin'ity tranga ity:

File:Benoît XVI synode 2008.jpg

Maro ireo Afrikana no maniry ireo mpitantana azy ho voasinton'ny hetsika feno fahasahiana nataon'ny Papa Benoà XVI. Loharanon-tsary:
commons.wikimedia.org

Nanoratra i Hilal Sylla [fr] avy any Conakry any Ginea:

Pour peu que cela ait du sens, cette démission de Benoit XVI me renvoie au Film culte sur l'église et les illuminatis. Une façon de dire que l'église n'a plus de force dans un monde dominé par tant de perversion. Une question : la fin du monde n'est-elle pas proche?

Na dia tsy dia manan-danja be aza izany, dia mampahatsiaro ahy horonantsary malaza izay mikasika ny fiangonana sy ny Illuminati ny fametraham-pialan'ny Papa Benoà. Fomba iray ilazàna fa tsy manana hery intsony ny fiangonana eo amin'izao tontolo feno hadalana loatra izao. Fanontaniana tokana: Efa akaiky ve ny Faran'Izao Tontolo Izao?

Ho an'i Samuel Azabho [fr] avy any Kisangani any amin'ny Repoblika Demokratikan'i Kongo:

Cette démission est normale par le fait de l'age. son pontificat est positif dans la mesure où il est le précurseur de la lutte contre la pédophilie. je pense qu'il était un homme de décision. Et celui qui doit venir après lui doit relever le défis de l'avenir de l'église catholique et de toute l'humanité peu importe sa race et ses origines.

Tsy vaovao akory ity fametraham-pialana ity noho ny taonany. Saika tsara avokoa ny fitondrana maha-Papa azy raha toa koa ka mbola izy no fototry ny ady atao amin'ny fametavetana zaza tsy ampy taona. Mihevitra aho fa nanao fihetsika feno fandinihana izy. Ary ireo rehetra te-hanaraka azy dia tsy maintsy mahazaka ny fanamby amin'ny hoavy eo amin'ny Fiangonana Katolika, ary koa ny olombelona rehetra, na inona na inona volon-koditra sy fiaviany.

Nanamarika i Ben Mbele avy any Yaonde [fr]:

nous pouvons cependant dire ke le pontificat de benoit xv1 n'a pa été un fleuve trankil, de son discours sur l'islam et la violence en passant par le scandal des prêtres pédophiles et enfin du débat sur le mariage gay,au demeurant notons ke la décision salutaire de benoit xv1 fera un précédent car il lancera le débat sur la modification du droit canon en matière du mandat du pape, personnellement il ne faut pa trop attendre du nouveau pape en matière d’émancipation sur certains sujets car la plus part des cardinaux actuels ont été nommé par benoit xv1 et jean paul 2 eux très conservateurs.

Na izany aza azontsika atao ihany no milaza fa tsy ony tony akory ny fotoana naha-Papa an'i Benoà XVI , hatramin'ny lahateniny mikasika ny Silamo, nandalo ny tantara ratsin'ireo pretra nametaveta zaza tsy ampy taona, hatramin'ny olan'ny mariazin'olona mitovy fananahana, amin'izany rehetra izany, hitantsika fa hitoetra ho ny voalohany misava làlana ity fanapahan-kevitra miaty fnavotana natan'i Benoà XVI ity satria hiteraka adihevitra amin'ny Lalàna Canon izy ity mikasika ny fe-potoana hitondran'ny Papa, hoe hovaina sa tsia, raha ny hevitro manokana, tsy tokony hanantena foana avy amin'ny Papa vaovao isika mikasika ny famotsorana vondron'olona vitsivitsy satria ny ankamaroan'reo kardinaly amin'izao fotoana dia saika voatendrin'i Papa Benoà XVI sy Joany Paoly 2, ary tena mpandala ny nentim-paharazana.

Mihevitra [fr] i Alpha Ulrick Marcellus avy any Brazzville, any Kongo fa :

La décision du Pape est courageuse. Il ne démissionne pas mais il renonce, il renonce au ministère pétrinien. Une décision qui n'est pas facile à prendre. Son pontificat a été à mon avis celui des grandes épreuves, des discours aux vérités sans détours et choquant. Benoit XVI à donné le meilleur de lui-même, dans la direction d'une Église en conflit avec un monde de plus en plus excentrique. Pour le futur Pape plaise à Dieu de choisir celui qui est apte, valide à prendre des décisions courageuses contre les déviations que le monde légalise pour préserver l'intégrité de la foi et de l'Église.

Feno fahasahiana ny fanapahan-kevitry ny Papa. Tsy  nametra-pialàna izy fa nandà, nandà ny Andraikitry ny Masina. Tsy mora ny fanapahan-kevitra noraisiny. Raha ny hevitro manokana, isan'ny fizahan-toetra goavana ny naha-Papa azy, tamin'ny lahateny tsy miolankolaka sy manohina mafy rehefa milaza ny marina. Nanolotra ny tsara indrindra avy aminy ny Papa Benoà XVI, ho anà Fiangonana anatin'ny ady miaraka amin'izao tontolo izao izay mihalasa mivary lavo hatrany hatrany. Andeha hanantena isika fa, ny Papa ho avy eo, Andriamanitra anie no hifidy azy ao anatin'izay tsara indrindra, afaka handray fanapahan-kevitra feno fahasahiana eo anatrehan'ny kihon-dalana maro izay hamarinin'izao tontolo izao, mba hiarovana ny finoana sy ny fahamasinan'ny Fiangonana.

Nandefa fanadaharana manokana ihany koa ny BBC mikasika ny Tany mampiasa ny teny Frantsay ao Afrika, izay nalefan'ireo foibenà radio tany an-toerana. Manana mpankafy maherin'ny 17.000 [fr] ny pejy facebook-n'ny BBC mikasika an'i Afrika. Maro ireo Afrikana no nanome ny fomba fijeriny nandritra ny fandaharana mikasika ity fametraham-pialana ity teo amin'ny Africa Live tamin'ny 16 Febroary. Nanoratra toy izao i Michel Djadji Anigbe avy any Abidjan, Côte d'Ivoire [fr]:

Relativement à la décision de démission du Pape, son motif me laisse perplexe et pantois. Comment un grand intellectuel tel que lui a pu accepter ce pontificat avec tous les sacrifices que cela demande. Surtout avec ce que son prédécesseur, le vénérable Pape Jean Paul II , a fait du sien. De plus, son argument est trop facile avec le scandale qui nous a été servi par l'affaire de son majordome. Et quand on sait aussi que le Vatican n'est pas ignorant et étranger à tous ce qui passe actuellement dans le monde.

Mifandraika amin'ny fanapahan-kevitry ny Papa ny hametra-pialàna, namela ahy ho sanganehana ihany ny tena antony marina. Ahoana marina moa no nanekeny, izy izay olona lalin-tsaina, ho papa miaraka amin'ireto sorona izay takian'izany? Indrindra miaraka amin'ny zavatra vitan'ny teo alohany, ny Papa hajaina Joany Paoly 2 nandritra ny fotoany. Ny tena fanampin'izany, tsotra loatra ny fiarovan-keviny manoloana ny tantara ratsin'ity mpitantan-draharahany ity. Ary indrindra rehefa hitanao hoe tsy badolahy na koa hoe tsy  vahiny amin'ny zava-misy eo amin'izao tontolo izao ny ao Vatikàna.

Nametraka fanontaniana mahaliana i Didier Didou Mady [fr]:

Le rejet de la démission du Pape est-il envisageable au regard du droit canon? Quoi de plus normal que les touristes au Vatican visite à la fois le pape et l'ex-pape. Difficile d'avoir un pape infatigable!

Mety ho azo eritreretina ve hoe holavina ny fametraham-pialan'ny Papa raha ny Lalàna Kanonika no jerena? Inona moa no maharatsy ny hoe mpizahatany tonga any Vatikana mitsidika ny Papa sy ny Papa teo aloha indray miaraka? Sarotra ny hanana Papa tsy mety vizana!

Ohatra ho an'ny mpitondra Afrikana sasantsasany?

Manana firenena maro ratsy tantana i Afrika. Misy ifandraisany ve izany amin'ny hoe teto amin'ity kaontinanta ity ihany koa no nahitàna mpitondra Firenena ela indrindra teo amin'ny fitondràna?:

Maro ireo Afrikana no nanakiana ity fametraham-pialan'ny Papa Benoà XVI ity raha nampifandray ny zava-misy amin'izay mitranga any amin'ny kaontinantany. Nanoratra [fr] teo amin'ny bilaoginy i Josiane Kouaghe avy any Kamerona:

Passés ces moments de disputes, les vraies questions s’imposent. Et les comparaisons ne tardent pas à suivre. «Ah…Il me rappelle Nelson Mandela. Tu te rappelles, en 1999, quand il a démissionné après seulement cinq ans? », demande Éric Ntomb, 64 ans, à son ami. «Tu parles Éric. C’est la même chose avec le pape. Il n’est là que depuis 2005. Si seulement nos dirigeants africains pouvaient faire comme lui», répond l’ami en poussant un long soupir. L’ami dit haut ce que des millions de personnes pensent bas. Et je vous arrête. Ne dites pas que le pape a démissionné parce qu’il est un homme de Dieu. Non!  Il dirigeait le plus petit et puissant État du monde.

Taorian'ireny disadisa ireny, tsapa ho azy ireo fanontaniana tena marina. Ary mora arahana ny fampitahana. “Hay, mampatsiaro ahy an'i Nelson Mandela izy. Tadidinao ve, tamin'ny 1999, tamin'izy nametra-pialana taorian'ny dimy taona monja?” hoy i Eric Ntomb, 64 taona, manontany ny namany. “Miresaka ianao amin'izao ry Eric! Mitovy amin'ny zavatra nataon'ny Papa ihany izany. Nanomboka tamin'ny 2005 fotsiny izy no teo. Raha mba afaka manao toy izany koa manko ireo mpitondra antsika aty Afrika”, hoy ity namany namaly niaraka tamin'ny sento lalina. Nilaza tamin'ny feo mafy ny zavatra eritreretin'ny olona an-tapitrisany maro ity namana ity. Ary sakanako ianao! Aza milaza amiko hoe nametra-pialana ny Papa satria izy olon'Andriamanitra. Tsia! Izy no nitondra ny firenena kely indrindra sy matanjaka indrindra eran-tany.

Ka dia niverenan'i Josiane Kouagheu nojerena ny lisitry ny Filoha Afrikana izay nametra-pialana tamin'ny nahim-pony:

Na izany aza, ny tena mpitondra Afrikana nalaza indrindra niala teo amin'ny fahefana tamin'ny sitrapony dia tsy azo lavina mihitsy fa i Nelson Mandela, tamin'ny 1999, tranga iray izay nahatonga ity fampitahana teo amin'i Mandela sy ny Papa Benoà XVI ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.