Brazila: Asehon'Ireo Olom-Pirenena Tsotra Manao Gazety Ireo Asa Vaventy Tsy Vita Ao An-Tanàna

[Ny rohy rehetra dia mitondra amin'ny pejy Teny Paortogezy afa-tsy izay voalaza mifanohitra amin'izany.]

Nabaribarin'ireo olom-pirenena Mpanao gazety manao fanadihadihana ao aminà tanàna kely ao Brazila ny tsifahombiazan'ny governemanta ao an-toerana, izay notsinotsinoavin'ireo Mpanao gazety vaventy ao amin'ny firenena, fa nopotehan'ny fandovàna fanaovana hatsirambina ny raharaham-panjakana sy ny tsy fandraisana andraikitra izany ka tsy hahafahana mamita ireo tetikasam-panjakana ara-potoana.

Ny Tetikasa Amigos de Januária [Naman'ny Januária], tamin'ny taona 2011 tao amin'ny Rising Voices grantee [en], dia niasa mba itazonana ny governemantan'ny Januária [en], tanàna misy mponina miisa 65,000 any amin'ny faritra Avaratry ny Fanjakana Minas Gerais ao Brazila, izay tonga ho olom-banona nanomboka ny taona 2004. Nitatitra ireo tetikasa isan-karazany vao haingana izay atao ao an-tanànany ny Fikambanan'ireo Mpanao gazety olom-pirenena niaraka tamin'ny Maire voafidy farany sy ireo solontenam-panjakana maro ao an-toerana izay namita ny asany ny 1 Janoary 2013, ao anatin'izany ny fananganana tranoben'ny fanatanjahantena, ny fanarenana ny làlana, ary ny fanamboarana ireo sisin-drano. Nanomboka ny taona 2012 ny asa ary ny volana May tamin'iny taona iny ihany no tokony hifarana izany nefa nilaozan'ireo tompon'andraiki-panjakana tsy nisy fahavitana akory izany .

Construction of a sports court in Januária. Photo by Amigos de Januária, under Creative Commons license.

Fanorenana Tranoben'ny Fanatanjahantena ao Januária. Sary avy @ Amigos de Januária, fahazon-dalana avy @ Creative Commons.

Tamin'ny Desambra lasa teo, andro vitsivitsy talohan'ny nipetrahan'ireo mpitantana vaovao ny tanàna, nisafo ilay tranoben'ny fanatanjahantena tao amin'ny faritra Novo Milênio ny ao amin'ny tetikasa ary nilaza:

A obra possui apoio do Governo Federal e esta estimada em R$ 437.022,25. Acontece que na placa o prazo de execução é de 180 dias, mas não existe data de início da obra, o que dificulta o acompanhamento por parte da população em verificar se existe atraso na execução.

Ny Governemanta Federaly no mamatsy ny asa ka mitentina eo amin'ny 437.022,25 reais [eo ho eo amin'ny 221.390 US dollars]. Ny zava-nitranga dia toy izao: ny taratasy fahazoan-dàlana amin'ny fanaovana ny asa dia manambara fe-potoana ao anatin'ny 180 andro, saingy tsy nisy daty mazava ny fanombohana ny asa, ka mitarika fahasarotana ho an'ny mponina amin'ny fanaraha-maso ny asa sy ny fotoana farany handraisana ny zava-bita izany.

Nampanantena ireo mambra ao anatin'ilay Tetikasa fa hihazona ireo izay tafatsangana tamin'ilay tranoben'ny fanatanjahantena, mba handrisihana “ireo olom-boafidim-panjakana vaovao hanohy ny asa ny taona 2013″.

Hole in the crossing of Leão XIII street with Brasil Avenue, during a summer rain. Photo by reader Wellington Silva, published by Amigos de Januária.

Asa tsy vita najanona eo amin'ny fihaonan-dalana Leão XIII sy Brasil Avenue mandritra ny fotoan'ny oram-pahavaratra. Sary avy amin'i Wellington Silva, mpamaky, navoakan'i Amigos de Januária.

Efa dila avokoa ny fe-potoana tokony nanamboarana ny sisin-tanàna sy ireo làlana maro, ary navelan'ireo olom-boafidim-panjakana teo aloha ho tsy vita ny asa. Ny lahatsoratr'ilay Fikambanana dia nizara ny ahiahiny amin'ny fampiasana mihoampampana ny hetram-bahoaka sady nitatitra ny loza mananontanona ny mponina indrindra mandritra ny fotoanan'ny orana.

Ho fankalazana ny faha-152 taona hatramin'ny nanorenana ny Januária, nanomboka nanao ny asa ny governemanta teo an-toerana mba hamelomana indray ny sisin-tanàna ny 13 Desambra 2011, ka novinavinaina ho ny 8 May 2012 ny famaranana ny asa. Kanefa, tsy vita ara-potoana izany sisin-tanàna izany. Ary satria fantatra fa manaraka ny reniranon'i São Francisco [en] no misy ny tanàna, dia anisan'ireo manana ny toerany lehibe amin'ny fisintonana mpizahatany ny sisin-drano.

O ponto turístico da cidade rebebeu [sic] barras de segurança a sua volta, bancos de madeira no estilo clássico e calçamento plano adequado a deficientes visuais. Entretanto apenas uma parte do projeto esta pronto, a grande maioria da passarela não está calçada e os postes de iluminação mencionados na publicidade não foram feitos nem instalados.

Efa nahazo vy fitazonana ho fiarovana mihazo ny sisin-drano amin'izao fotoana izao ilay Fisintonana mpizahatany ao an-tanàna, seza vita amin'ny hazo tsotra ary vato fisaka mitovy tàntana handehanan'ireo Jamba. Kanefa, vao ny ampahany amin'ilay tetikasa ihany no vita tanteraka, ny ampahany betsaka amin'ireo làlan'ny mpandeha an-tongotra no tsy vita vato ary ireo fitaovana manazava ny làlana izay efa natao dokam-barotra aza toa mbola tsy mipetaka na tsy voavoatra akory.
Docks of Januária. Photo by Amigos de Januária, used under CC license.

Sisin-dranon'i Januária. Sary avy @ Amigos de Januária, nampiasa amin'ny  alalan'ny fahazon-dalana CC .

Ny làlana Getúlio Vargas no iray amin'ireo asa vitsivitsy efa vita.

Getúlio Vargas Square reformed in the town of Januária, Minas Gerais state, Brazil. Photo by Amigos de Januária, under Creative Commons license.

Vita tanteraka ireo asa ao amin'ny Lalana Vargas ao an-tananan'i Januária, Fanjakan'i Minas Gerais, ao Brazila. Sary avy amin'ny Amigos de Januária, lisansa Creative Commons.

Mampatsiahy indray ireo asa tsy vitan'ny teo aloha tsy maintsy lovain'ireo mpitondra vaovao ireto asam-bahoaka tsy vita eran'ny tanàna ireto. Ao ambadik'ireo tetikasa fananganana mikatso ireo, dia tsy maintsy mitady vahaolana ara-bola mikasika izao fahavoazana izao ilay governemanta vaovao alohan'ny hamindrana ny fahefana – tara ny fandoavana ny karaman'ireo mpiasam-panjakana ho an'ny volana Desambra, ary tsy nisy akory ny vinavina natolotra ho an'ny volana Janoary. Nitatitra ny Amigos de Januária fa mbola tsy voaloa ihany ireo karama tany am-piandohan'ny volana Febroary.

Tsy tranga manokana ao Brazila anefa izany ao Januária izany. Ny tsy fandoavana ny volan'ireo mpiasam-panjakana sy ny toetry ny asam-panjakana tsy vita no mamaritra ny toetra marefon'ny fanomezan-toky ataon'ny mpanao politika ao amin'ny tanàna. Matetika dia miha-betsaka ny olana mikasika ny foto-drafitrasa mijoro sy ny raharaha mifandraika amin'izany mandritra ny fotoanan'ny tetezamita ara-politika, ka miantraika any amin'ny fiainan'ny mponina. Ireo mambra ao amin'ilay tetikasa Amigos de Januária dia efa an-dàlam-pandinihana ireo olana ireo mba hampandeha hatrany ny raharaha ao an-tanàny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.