Arzantina, ny Governemanta sy ny Papa Fransoà

Raha niandry ny valim-pifidianana izao ho Papa vaovao izao tontolo izao, efa nanantena ny Arzantina fa olona mpiray tanindrazana aminy no ho voafidy ho Papa. Nanambara ny setroka fotsy nivoaka tao Vatikana fa vita ny fifidianana: zezoita voalohany sy papa Arzantina voalohany, Jorge Bergoglio – izay lasa Fransoà ankehitriny- no lasa Fahefana ambony eo amin'ny Fiangonana Katolika taorian'i Benoà XVI.

Tao amin'ny Twitter, niresaka momba izany tamin'ny alalan'ny tenifahatra isan-karazany ireo Arzantiniana tahaka ny #Bergoglio, #HabemusPapam, #PrimerasPalabrasDelPapa [es] (Voalohan-tenin'ny Papa), #LaBarraDelPapa [es] (mpankafy an'ny Papa), #FranciscoI [es], no ohatra amin'izany. Isan-karazany ireo fihetseham-po.

Ho an'ny maro, tsy nampoizina ny valim-pifidianana, tahaka an'i @JessyDelPino [es] izay nilaza hoe:

@JessyDelPino Q?? Me despierto y tenemos PAPA argentino! Pensaba q mi viejo me estaba cargando!!! #HabemusPapam #Bergoglio #Francisco1

@JessyDelPino: Inonà?? Nifoha aho ary nahita fa nahazo Papa Arzantiniana isika! Nihevitra aho fa nivazivazy tamiko ity lahy antitra ity!!! #HabemusPapam #Bergoglio #Francisco1

Na ireo tsy mpino aza mba nizara ny fijerin'izy ireo ihany koa, tahaka an'i Lucero Aguirre (@LuuceroAguire) [es]:

Argentinos celebran elección de Papa Francisco I en Plaza de San Pedro

Arzantiniana mankalaza ny nifidianana ny Papa Fransoà tao amin'ny Kianjan'ny Masindahy Piera tao Roma. Sary nozaraina tao amin'ny Twitter ho an'i @aciprensa

@LuuceroAguirre La verdad no lo puedo creer, no soy creyente, ni nada, pero es realmente un ORGULLO tener POR FIN a un Papa como tiene que ser! #Bergoglio

@LuuceroAguirre: Ny marina dia tsy mampino ahy ilay izy, tsy mpino aho ary tsinotsinona, saingy REHAREHA ny fahazoana Papa araka ny tokony izy! #Bergoglio

Tao amin'ny bilaogy Politika sy Politisianina [es], Rosa Alcántara namoaka indray ilay lahatsoratra niresaka momba ny fifandraisana tsy milamina eo amin'ny governemantan'i Cristina Fernández de Kirchner sy ny Papa vaovao. Olana maro samihafa no ifotoran'ny fahasamihafan'ny eveka teo aloha sy ny filoham-pirenena, ohatra amin'izany ny fanambadian'ny samy pelaka [es]:

Una de las cuestiones en las que el cardenal Bergoglio se enfrentó al gobierno fue el proyecto de Ley de Matrimonio entre Personas del Mismo Sexo. El 9 de julio de 2010, días antes de su aprobación, se hizo pública una nota de Bergoglio calificando como una «guerra de Dios» dicho proyecto de matrimonio gay, que contemplaba que las personas homosexuales pudieran contraer matrimonio y adoptar niños.:

Olana iray eo amin'i Kardinaly Bergoglio ifanoherany amin'ny governemanta ny Lalàna momba ny Fanambadian'ny lahy samy lahy sy ny vavy samy vavy. Tamin'ny 9 Jolay 2010, andro mialoha ny fankatoavana ny lalàna, nilaza ny taratasy misokatra avy amin'i Bergoglio fa ady amin'Andriamanitra ny fanambadian'ny lahy samy lahy sy ny vavy samy vavy izay mety hampitatra amin'ny fananganan-jaza ataon'ireo pelaka na lesbiana mifanambady.

Fifandirana hafa ihany koa no niseho nandritra ny fankalazana ny Revolisiona Mey, fetim-pirenena ankalazaina isan-taona ary tafiditra amin'ny Fomba Amam-panao Tedeum ao amin'ny Katedralin'i Buenos Aires. Na dia izany aza, tamin'ny taona 2008, nanapa-kevitra hanova ny toerana fankalazana ny filohan'i Arzantina. Bilaogy Radio Cristiandad naneho hevitra [es] (Radion'ny Kristiniana) momba izany toe-javatra izany

Pese a que el gobierno cumplió con gestiones protocolares para el cambio, la decisión de llevarlo a Salta, donde se hará una oración interreligiosa, generó inquietud en sectores eclesiásticos. Gobierno dice que es para “federalizar” fiesta patria.

La presidenta Cristina Fernández de Kirchner también esquivará, como lo hizo su marido durante la presidencia, una homilía interpeladora del primado argentino, cardenal Jorge Bergoglio, durante el Tedeum por el 25 de Mayo.

Na dia efa nameno ny antontan-taratasy ilaina amin'ny fanovana izany aza ny governemanta, niteraka ahiahy teo amin'ireo vondrom-piangonana ny fanapaha-kevitra hanatontosa izany ao Salta, izay toerana fanaovana ireo karazam-pivavahana marobe. Nilaza ny governemanta fa ny “hampivondrona” mandritra ny fetim-pirenena no anton'izany.

Tsy nankasitraka ny toriteny fanoherana avy amin'ilay mpitondra fivavahana Arzantiniana, Kardinaly Jorge Bergoglio nandritra ny Tedeum tamin'ny 25 Mey ihany koa ny Filoha Cristina Fernández de Kirchner, tahaka ny nataon'ny vadiny efa nodimandry nandrindra ny fitondrany .

Tsaroan'i Arzantina ihany koa fa nandritra ny hetsika nataon'ny Filoha teo aloha Néstor Kirchner tamin'ny taona 2010, nosakanan’ny [es] fianakavian'i Kirchner tsy hitantana ny sakramenta ny solontenan'i Bergoglio .

Tao amin'ny bilaoginy Igualdad Dignidad [es] (Fahamendrehana Fitovian-jo) Gladys Lopreto nitsikera ny fihetseham-pon'ireo Episkopate Arzantiniana mikasika ny olana momba ny fanalan-jaza.

Nandritra izany,  Arzantiniana maro no nankalaza ny vaovao mahafaly tsy ahitana resa-politika. Aracelli Crescimbeni (@aracellicres) [es] nanoratra hoe:

@AracelliCres: Hasta en el #Vaticano se dieron cuenta que somos los mejores del mundo #OrgulloArgentino #Bergoglio

@AracelliCres:: Tsapan'i #Vaticano ihany na dia izany aza fa isika no tena mendrika manerantany #OrgulloArgentino (Argentinian Pride) #Bergoglio

Nirongatra ihany koa ny ventsoventso, tahaka ny an'i Miko (@Emi_Eguiazu) [es] izay nankalaza fa Arzantiniana ny papa vaovao fa tsy Breziliana, manao fanoharana mazava momba ny fifandrafiana amin'ny lalao baolina kitra eo amin'ny firenena roa tonta:

@Emi_eguiazu: #LaBarraDelPapa che brasuca che brasuca qe amargado se te ve, nosotros tenemos al papa, vos qedate con pelé

@Emi_eguiazu#LaBarraDelPapa (Mpankafy an'ny Papa) ô ry Breziliana, ô ry Breziliana, toa kivy ianao, nahazo papa izahay, afaka tazonareo i Pelé

Mikasika ny fifandraisan'ny governemanta amin'i Bergoglio, Gabi (@GabiManducaa) [es] “niventso” hoe:

@GabiManducaa: Che Cristina, che Cristina, que amargada se te ve, el papa no es kirchnerista, que carajo vas a hacer? #LaBarraDelPapa

@GabiManducaa:: ô ry Cristina, ô ry Cristina, kivy loatra ianao, tsy kirchnerista ny Papa vaovao, inona indray izao no hafitsokao? #LaBarraDelPapa

Ary ny hafa kosa nanasokajy fa afa-manala azy ireo amin'ny fahotany i Fransoà, tahaka an'i Julian (@MatilaFonte) [es] izay nisioka hoe:

@MatilaFonte: Che Bergolio, Che Bergolio, no te lo decimos maaas, este año pecamos todos, total vos nos perdonas ♫ #LaBarraDelPapa

@MatilaFonte: ô ry Bergolio, ô ry Bergolio, tsy hiteny betsaka aminao izahay, nanota avokoa ny tsirairay tamin'ity taona ity, mba omenao famelan-keloka izahay amin'izany #LaBarraDelPapa

Etsy andaniny, filoha Cristina Fernández de Kirchner nizara teny fiarahabana [es] ho an'i Fransoà I tao amin'ny kaonty Twitter-ny (@CFKArgentina) [es].

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.