Miaramila Amerikana Namoaka Vaovao Tany Amin'ny WikiLeaks

Nohenoina nandritra ny fitsarana ara-miaramila natao azy ilay miaramila Amerikana sady mpampianga, Bradley Manning tamin'ny herinandro lasa teo mba hanazava amin'ny fiteniny manokana, ny antony nahantonga azy namoaka tahirin-kevitra miaramila saropady an'arivony tao amin'ny habaka WikiLeaks. Eto no ahitana dika tsy ofisialin'ny fijoroana vavolombelona izay narakitr'ilay mpanao gazety Alexa O’Brien. Nilaza tamin'ny  fitsarana i Manning fa nanapa-kevitra namoaka ireo tahirin-kevitra ireo ho an'ny media izy satria nampanahiran-tsaina azy tanteraka izany [tahirin-kevitra] mikasika ny asa ataon'ny miaramila Amerikana mandritra ny ady ao Irak sy Afghanistan.

Bradley Manning mural. Photo by mulch.thief. (CC BY-NC-SA 2.0)

Sarin'i Bradley Manning amin'ny rindrina. Sary avy amin'i mulch.thief. (CC BY-NC-SA 2.0)

Nandritra ny fakana ambavany, nanolotra taratasim-piarovana manoloana ireo fiampangana am-polony hanenjehana azy ny ekipa mpisolo vava an'i Manning, anisan'izany ny fiampangana madinika marobe momba ny fahazoana vaovao. Amin'ireo fiampangana folo, mety hahazo sazy 20 taona an-tranomaizina farafahabetsany i Manning.

Na dia eo aza ny fiarovana azy sy ny fijoroana vavolombelona, mbola notorian'ny governemanta Amerikana hatrany izy tamin'ireo fiampangana 22 rehetra nanenjehana an'i Manning. Ny tena ratsy indrindra tamin'izany, dia ny ‘fanampiana fahavalo,’ izay mety hitarika sazy an-tranomaizina mandra-pahafaty na sazy fanamelohana ho faty mihitsy aza, na dia nilaza aza ireo mpampanoa lalàna fa tsy hangataka sazy fanamelohana ho faty mikasika ny raharaha Manning.

Tamin'ny fijoroana vavolombelona teo anatrehan'ny fitsarana, afaka nilaza ny marina momba ny famoahana ireo tahirin-kevitra tamin'ny WikiLeaks i Manning  ary nanazava ny antony nanaovany izany. Namariparitra ny fahatahorany sy ny ahiahiny mikasika ny asa ataon'ny Miaramila Amerikana i Manning araka ny fijeriny amin'ny maha-Tafika Mpanadihady azy. Naneho hevitra mombanà lahatsary izay ho fantatra atsy ho atsy amin'ny anarana hoe Collateral Murder (Famonoana Havana Akaiky), izay mampiseho ireo miaramila Amerikana mitifitra ireo mpanao gazety Reuters roa sy olo-tsotra maromaro tsy manana fitaovam-piadiana izy, hoy i Manning nilaza tamin'ny fitsarana:

“Amiko, ny lafiny tena mampiahiahy amin'ilay lahatsary, na dia izany  aza, dia ireo [miaramila Amerikana] toa lian-drà. Manitsakitsaka ny maha-olona an'ireo olona tokony arovany izy ireo  ary toa tsy manome lanjany ny ain'olombelona amin'ny fanoharana azy ireo tahaka ny fiteny hoe “faikan'olona maty” ary mifampiarahaba tamin'ny fahavitan'izy ireo namono olona marobe. Tao amin'ny lahatsary, nahitana olona iray niezaka nandady mba hiaro tena. Naratra mafy ilay olona. Raha tokony hiantso mpitsabo hijery azy, nibaiko am-bava azy ny iray tamin'ireo mpikambana amin'ny ekipa mpampiasa fitaovam-piadiana an'habakabaka mba hanangona basy ka afaka manavo-tena izy [ilay olona naratra] amin'izay. Ho ahy, mitovy ny ankizy mampijaly vitsika amin'ny fitara-mamily (loupe) izany

Namariparitra izay antenainy ho vitany tamin'ny famoahana tahirim-baovao momba ny ady ao Irak sy Afghanistan  i Manning – tahirin-kevitra tafaporitsaka izay ho fantatra amin'ny GAzety momba ny Ady ao Iraka sy Diary momba ny Ady ao Afghana:

Inoako fa raha mahazo sy mahafantatra ny vaovao avokoa ny olona rehetra, indrindra ny vahoaka Amerikana…mety hiteraka adihevi-pirenena mikasika ny andraikitry ny miaramila sy ny politikantsika ivelany ankapobeany momba an'i Irak sy Afghanistan izany…Inoako ihany koa fa ny fanadihadiana amin'ny antsipirahany mikasika ny tahiry naharitra fotoana ela avy amin'ireo sehatra samihafa amin'ny fiarahamonina dia mety hahatonga ny fiarahamonina hanombana indray ny filàna na ihany koa ny fikasana hirotsaka antsehatra amin'ny ady amin'ny fampihorohorona sy ny ady amin'ny fikomiana , izay tsy mahafantatra ny fahasahiranan'ny vahoaka monina eny amin'ny toerana iharan'ny herisetran'ny miaramila isan'andro

Nilaza i Manning fa mahatsiaro ho “maivamaivana” tamin'ny fanomezana ny vaovao tao amin'ny WikiLeaks:

Na dia izany aza, mbola tsy navoakan'ny WLO ny vaovao, mahatsiaro famaivainana aho amin'ny famoahan'izy ireo izany. Mahatsiaro aho fa nahavita zavatra nahafahako manana saina tony, mifototra amin'izay zavatra hitako sy novakiako ary nahafantatra izay zava-niseho isan'andro tao Irak sy Afghanistan.

In-telo Voatendry tamin'ny Loka Nobel, ary efa nigadra teo amin'ny telo taona teo i Manning niandry ny fanombohan'ny fitsarana ara-miaramila azy. Niatrika fitsarana ara-miaramila taminà fotoam-pitsarana samihafa teo aloha izy izay namaritana mikasika ny fomba itondrana ny raharaha hanenjehana azy ny sy ny fomba hitsarana azy. Anisan'izany ny momba ireo vavolombelona afaka ekena hijoro, ny porofo tokony atolotra, sy ireo atontan-kevitra hodinihan'ny fitsarana.

Ny fanontaniana tena lehibe amin'ity raharaha ity dia ny hahafantarana raha nisy fiantraikany tamin'ny Fiarovam-pirenena Amerikana na tsia ny famoahan'ny WikiLeaks ireo vaovao izay navoakan'i Manning. Taorian'ny adim-pitsarana naharitra volana maromaro, afaka nahazo ireo tati-pikarohan'ny governemanta momba ity olana ity ny ekipa mpisolo vavan'i Manning. Na dia izany aza, nanapa-kevitra ny mpitsara ny raharahan'i Manning fa na dia niantraika tamin'ny Fiarovam-pirenena aza ny famoaham-baovao, tsy azo sokajiana ho zava-mifanaraka amin'ny fandinihana ny fahamelohan'i Manning izany.

Indrisy anefa, noferan'ireo manampahefana ny fahazoan'ny olona manatrika ny fotoam-pitsarana. Nandà tsy hanome dika ofisialy tamin'ny fakana am-bavany azy ho an'ny olona ny miaramila, ary voaràra ihany koa ny fitantarana mivantana ny fotoam-pitsarana (na amin'ny alalan'ny Twitter na bilaogy, ohatra). Mahasosotra tokoa izany satria ireo fandehan-draharaha, tahaka ny fitsarana ara-miaramila amin'ny ankapobeny, dia tokony azon'ny olon-drehetra hatrehina sy tantaraina

Niteraka fanontaniana goavana mikasika ny fahazoam-baovao sy ny mangarahara ary ny  andraikitry ny governemanta ao Etazonia ny  fototry ny raharahan'i Manning manokana, sy ny antony nanaovana ny fotoam-pitsarana ny raharahany sasany tamin'ny mangingina. Lohahevitra lehibe hodinihan'ny fikambanana ao amin'ny Global Voices Advocacy izany fanontaniana sy asa mirongatra amin'ny vondron'aterineto tahaka ny WikiLeaks izany amin'ny fahazoana ireo vaovao mahakasika ny governemanta.

Fantatra fa amin'ny 3 Jiona 2013 izao no hanombohana ny fotoam-pitsarana an'i Manning. Mikarakara hetsika ireo fikambanana mpikatroka amin'ny 1 Jiona 2013 mba hanehoana fanohanana an'i Manning. Tsidiho ny www.bradleymanning.org raha te hahafantatra bebe kokoa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.