Ilay Tsara Tarehy sy ilay Biby Tsy Voafehy? Naharomotra Ny Nasionalista Rosiana Ilay Oliravina “Foko Hafa” Nandresy

Tahaka ny tsy niomana mialoha handresy tamin'ny fifaninanana Oliravina Rosia ilay 18  taona Elmira Abdrazakova tamin'ny Asabotsy 2 marsa 2013 farany teo. Raha izany  manko dia efa tsy nataony hitam-bahoaka mialoha ny mombamomba azy tao amin'ny tambajotra Rosiana VKontakte. Amin'izao fotoana lasa nanaisotra manontolo ny mombamomba azy izy. Nihalehibe tao amin'ny tanana ambonivohitra kely Siberiana ao Mezhdurechensk (miorina ao Kemerovo Oblast’, faritra mpitrandraka arintany manakaiky an'i Novosibirsk) izy, tsy niomana tamin'ny fahamaroan'ny levilevy azony vokatry ny fandreseny i Abdrazakova, levilevy ataon'ireo nasionalista ao amin'ny RuNet, izay nameno hafatra fanavakavahana ara-poko ao amin'ny pejiny.

Na dia nofoanana aza ny kaontiny, mbola nameno ny RuNet ihany ny teny masiaka. Rehefa navoakan'ilay Rosiana Rustem Adagamov tao amin'ny bilaoginy ny vaovaon'ny [ru] fandresen'i  Abdrazakova, miaraka amin'ny sariny, dia nahasarika famoahan-kevitra tahaka izao [ru] “Mbola misy tovovavy Rosiana ihany ve ato amin'ny Federasiona Rosiana?,” izay tsy vitan'ny tahaka ny manondro ny vehivavy tahaka an'i Abdrazakova ho tsy tena Rosiana,  fa vahiny nividy zom-pirenena. (Tsy vahiny amin'ny fifampihenjanana ara-poko ny fiaraha-monina Rosiana. Indrindra fa misy amin'izao fotoana izao fisantarana andraikitra  [ru] mikendry mazava ny ady amin'ny “mpifindra monina tsy ara-dalana.”) Mitaraina amin'ny “fiovan'endrika” ihany koa ny ideology Nasionalista sady mpanohitra mpikambana ao amin'ny Vaomieran'ny Fandrindrana Konstantin Krylov.” Mamoaka ny sarina vehivavy Aziatika antitra ho maneho ny ‘tavany” , hoy izy nanohy [ru] amin'ilay fomba fanaon'olo-tsotra  sandotsandoka:

Нам её таперича любить положено. Ну так и дочу её, значит, положено любить. И весь прочий выводок. Всех народцев-золоторотцев, в земле россиянской просиявших.

Ankehitriny tsy maintsy mitia azy isika. Ary ny zanany vavy ihany koa tsy maintsy tiavintsika. Sy ireo iray tampo aminy. Ireo vahoaka fadiranovana rehetra Mamirapiratra ato amin'ny Tany Rosiana [ru].

Tahaka ny Tatar ny anaran'i Abdrazakova sy ny volony mainty, saingy ny tena marina dia Shor izy (vahoaka mitovitovy amin'ny Tiorka fa teratany any Siberia). Na ny Tatars, vondro-poko vitsy an'isa lehibe indrindra any Rosia izay malaza amin'ilay hoe Repoblika Tatarstan, sy ireo somary vitsy an'isa kokoa Shors dia samy avy any amin'ny faritra Rosiana milamina an-jatony taona. Saingy, ny vokatry ny fijery maoderina avy amin'ny nasionalista Rosiana no mijery azy ireo (sy ireo vondro-poko tsy-Rosiana rehetra) amin'ahiahy sy hasiahana. Ho an'ireo nationalista ireo, “hafa” ny Tatars, na dia sahirana amin'ny fanavahana Tatar iray amin'ny vahoaka Rosiana ankapobeny aza ny vahiny iray, raha mampahatsiahy ny olana mpitranga any Kaokazy avaratra kosa ny fivavahany nentin-drazana mahazatra azy ireo. Farany, ny Tatars dia ny sisa ambin'ny Zioga Tatar, fananiham-bohitry ny Mongol nandritra ny vanim-potoana Antenantenany Rosiana, izay efa nifarana tokotokony ho 700 taona izay.

An artist's depiction of how Russian nationalists may view Elmira Abdrazakova. Image remixed using Vereschagin's "A Bukharian Soldier", CC 2.0 Wikimedia Commons.

Toy izao ny fijerin'ny nasionalista Rosiana an'i Elmira Abdrazakova. Sary namboarin'ny mpanoratra nampiasa ny sarin'i Vereschagin “Miaramila Bokhariana,” CC 2.0 Wikimedia Commons.

Miharihary ireo hevitra ireo amin'ny famoahan'ny gazety nasionalista Sputnik & Pogrom tsy misy henatra ho setrin'ny fandresen'i Abdrazakova. Lasa lavitra mihitsy i Egor Prosvirnin, ideology ao amin'ny S&P, amin'ny filazan'ny tsy maty am-bavany, nitondra siosion-dresaka fa nanaovana fandidiana fanatsarana endrika ny molotr'i  Abdrazakova (siosio efa nodisoin'ny [ru] olona nifankazatra tamin'i Elmira sy ireo sariny fahazaza), miantso azy ho “mainty napoakan'ny botox” [ru] sy “tanindrana tatarva [fanaratsiana] manana molotra mampitsamboatra” [ru]. Fa ny fandresen-dahatra [ru] tena fototra, dia miompana amin'ny fomba fieritreritra mampalahelo kokoa:

[…] нам начали прививать толерантность через эталонный образ женской красоты […] меняя наше представление о том, как должна выглядеть “мисс Россия”

[…] Ampidirin-dry zareo tsikelikely hahatonga antsika hahazaka amin'ny alalan'ny sarin'ny hatsara-tarehim-behivavy […] ny fanovana ny tokony ho fijerintsika amin'izany atao hoe “Miss [oliravina] Rosia” izany

Mipongatra ihany koa ny fanombanana an'i Abdrazakova ho manaraka ny fivavahana Miozolomana — ny mpamakin'ny S&P moa dia maneho hevitra tahaka ny hoe “Oliravina Pakistan sy Azerbaijan 2013” [ru] sy ny hoe “Maninona izy no tsy miakanjo burqa [akanjo miozolomana] na  hijab [voaly miozolomana] farafaharatsiny?” [ru].

Ny tena marina, ny Shors amin'ny ankapobeny dia Orthodoksa Rosiana (tahaka an'i Abdrazakova, izay mpianatra Sekoly Alahady fahazaza), fa ny fomba fiakanjony ihany no misy itovizany amin'ny Tatars. Saingy; ireo olona te-hiaro faingana an'i Abdrazakova amin'ny filazana ny “tena” fiaviany dia toy ny mamandri-tena ihany: ny miteny fa “tsy maninona raha mandresy izy satria tsy tena Tatar izy” dia toy ny dite matsatso ihany, raha izany no atao ho fiarovan-tena. Mampidi-doza indrindra izany ho an'i Rosia, izay tsy mivazivazy mihitsy ny olona manoratra tahaka ny hoe [ru] “Amin'ireo telo nifaninana farany, Abdrazakova no nanana endrika Eoropeana indrindra,”  ary dia gaga avy eo rehefa avy eo rehefa nampiely adihevitra fanavakavahana ara-poko ilay fanehoan-kevitra ka lasa manao hoe fa ny foko iza no manana endrika Eoropeana indrindra, mamerina indray ny resaka Aryans sy ny zenetika. Manazava [ru] ny antony mahatonga ny sasany hihevitra ny Shors ho tsara mahasolo ny Tatars kokoa ilay bilaogera Alexander Nemirovsky, mpahay tantara:

Шорцы – православные + сибирские аборигены. А татары – этнические мусульмане и не “хорошие индейцы отдаленной земли Сибирской”. Кроме того, шорцы не ассоциируются с властью, бизнесом и т.д., и их вообще мало кто видел, а татары – ассоциируются, и их как “чужих” себе представляют много лучше […]

Orthodoksa ny Shors ary niorim-paka avy ao Siberia. Ny Tatars kosa etsy ankilan'izany dia foko miozolomana ary tsy “Indiana tsara lavitra be an'i Siberia.” Etsy andaniny, tsy mifandraika amin'ny fahefana sy ny fandraharahana, sns ny Shors, ary tsy malaza amin'ny ankapobeny, nefa ny Tatars kosa dia mifandraika amin'ireo, ary mora tononina kokoa ho “hafa” […]

Amin'ny ankapobeny, nampitamberina ny fihisitrisitra nasionalista tamin'ny fahavaratra teo [ru] ity raharaha ity raha nahazo medaily volamena maromaro ho an'i Rosia nandritra ny fifaninanana ny mpanao tolona Kaokaziana tavaratra maromaro. Zavatra tena vitsy no mahasorena ny nationalista ankoatra ny endrika fahombiazana azon'ny vondron'olona vitsy an'isa “tsy mendrika”.

Mandritra izany fotoana izany, nisy bilaogera iray nahomby tamin'ny fiarovana an'i Abdrazakova. Anastasiya Karimova, mpanao gazety ao amin'ny Kommersant sy tovovavy nalaza nitondra laoranjy [ru] nampiverina ho amin'ny fitantanana ny FSB an'i Lubyanka tamin'ny 2005, niteny mazava momba ny fanavakavahana andavanandro nihatra taminy amin'ny maha-Tatar ilany azy, ka namarana ny filazalazany tsy misy fironam-po manao hoe [ru]:

Я очень хорошо вижу разницу между национализмом и нацизмом. У меня не вызывают ужаса националисты, я даже разделяла в своё время многие предложение ДПНИ по изменению миграционной политики. Мерзкое цепляние к фамилиям и к чертам лица – это переход через черту, разделяющую два разных понятия. На Эльмиру Абдразакову вылились и продолжают выливаться потоки ксенофобского дерьма, но она может утешаться хотя бы тем, что её победа в очередной раз вскрыла старый гнойник […] Держись, Эльмира!

Mahita mazava tsara ny fahasamihafana eo amin'ny nationalisma sy ny Nazisma aho. Tsy matahotra nationalista aho, amin'ny lafiny iray dia manohana ny tolo-kevitry ny DPNI maro momba ny fanovana ny politikam-pifindra-monina aza aho. Ny fironana maharikoriko amin'ny anaram-bositra isan-karazany sy ny endrikendriky ny tava no lasa mampifandray ny foto-kevitra roa samy hafa tanteraka. Niraradraraka sy mbola mitohy ny fahadalàn'ny fankahalana vahiny mahazo an'i Elmira Abdrazakova, saingy afa-mampiono-tena ny tenany izy amin'ny fahalalana fa nanokatra fivontosana efa ela indray ny fandreseny […] Mahereza, Elmira!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.