Niteny ny Filohan'i Iran hoe “Hiara-HIverina amin'i Kristy i Chavez”

Niantso ny Filoha Chavez ho toy ny “Martiora niasa ho an'ny vahoakan'i Venezoela, izay namoy ny ainy noho ny antony tsy mazavazava” ny Filoha Ahmadinejad tamin'ny hafatra fampiononana nataony noho ny fahalasanan'ny filoha Venezoeliana Chavez, navoaka tao amin'ny habaka ofisialiny. Hoy ny filoha Ahmadinejad nanampy: “Tsy isalasalako fa hiverina hiaraka amin'i Jesoa Kristy sy ireo olo-marina hafa i Chavez,” manao fanoharana an'ilay Imam miafina izay nosokajian'ireo Islamo sasany ho mpanavotra ny olombelona amin'ny hoavy.

Voatsikeran'ny mpiserasera andaniny ary i Ahmad Khatami, lehiben'ny fandalàna ny nentim-pahazarana ao amin'ny fitondrana etsy ankilany i Ahmadinejad

Damavandieh nanoratra hoe [fa]:

Novonoina ireo tanora Iraniana, namely ny faritany Azerbaijan ny horohorontany, namoy ny ainy ireo olona nanompo ity firenena ity, saingy tsy mba nanambara andro fisaonam-pîrenena ny governemanta, na dia tao anatin'ny fisaonana aza ny Iraniana. Ankehitriny, namoy ny ainy i Chavez .. ary tampoka teo, namoaka fanambarana andro fisaonam-pirenena ny governemanta. Nanomboka tamin'ny andro nahafatesany, nifandefa somaiso famazivaziana an'i Ahmadinejad ny Iraniana

Ahmadinejad presents Chavez as a Shi'ite Saint. Mana Neyestani in Roozonline

Nampiseho an'i Chavez ho toy ny “Sonita Masina” i Ahmadinejad. Mana Neyestani ao Roozonline (nahazoan-dalana ny sary)

Nilaza ny media Iraniana i Azadi fa nampiantso ny filoha lefitra Venezoela i Ahmadinejad iray volana lasa izay ary nilaza [fa] fa hivavaka izy ho an'ny fahasalaman'i Chavez. Nilaza tamim-pivazivaziana ilay bilaogera fa manantena izy fa ilay vavaka ho an'i Ali Khamenei [Filoha Fara-tampon'ny Repoblika Islamika] tamin'izany ihany no haverin'i Ahmadinejad.

Nanatsonga ny iray amin'ny hafatr'i Ahmadinejad momba ny fahafatesan'i Chavez i Azarmehr ary namoaka sary maro ahitana ny filoha Venezoelana niaraka tamin'i Saddam Hussein, mpitondra jadon'i Iraq teo aloha sady fahavalon'i Iran sy niaraka tamin'i Mohammad Khatami, filoha reformista teo aloha.

Challenger namoaka [fa] sarin'i Chavez mandihy miaraka amin'ny mpandihy manaitaitra roa ary manontany raha hiaraka hiverina amin'i Kristy sy ny Imam niafina ihany koa izy roavavy ireo.

Tweatter nanoratra hoe manantena izy fa tsy hiandry ela loatra i Chavez dia hiverina.

1376 executions nanoratra [fa]:

Indray andro any raha hanamafy ny fifandraisany i Iran sy i Italia, mety hiteny toy izany ihany koa momba ny Praiminisitra Italiana teo aloha, Silvio Berlusconi, ny fitondrana Iraniana,  ary dia holazainy fa hiara-hiverina amin'i Kristy ity adalam-bavy ity

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.