Medellín, Kolombià: Mivoatra Saingy Misy Tsy Fitoviana

Navoakan'ny  gazety boky WSJ, tamin'ny 01 Martsa 2013, fa Medellín no voafidy ho tanàna mivoatra indrindra eto amin'izao tontolo izao tamin'ny fifaninana ” Tanànan'ny Taona” nokarakarain'ny  Urban Land Institute (ULI).

Fa tamin'io andro io ihany koa, no nitateran'ny gazety fa ny solontenan'ny Kaomisiona  Ambony Ao amin'ny Firenena Mikambana momba ny Zon'Olombelona dia nanambara fa tanàna  iray faran'izay anjakan'ny tsy fitoviana indrindra eto amin'izao tontolo izao io tanàna io noho ny vono olona, ny fanjavonana, ny tsy fisian'asa ary ny ady amin'ny samy jiolahy sy ny fifehezan'izy ireny ireo vakim-paritra sasany.

Na dia izany aza, voafidy ho tanàna mivoatra indrindra Medellín noho ny rafi-pitaterana moderina ao aminy, ny foibe ara-kolontsaina, toerana fialantsasatra, ny tranomboky, ny sekoly ho an'ny vahoaka ary ny politikan'ny tanàna momba ny tontolo iainana. Ankoatra izay dia fantatra ihany koa ilay tanàna amin'ny fihenan'ny heloka be vava sy ny fandefasana entona CO2, ary ny fanatanterahana ilay hevi-baovao toy ny  tohatra mihodina eny ivelan'ny trano  ao amin'ny Comuna 13.

Azon'ny Medellín ity valisoa ity taorian'ny fifantenana henjana tanatin'ireo tanàna 200. Iray tapitrisa mahery ny isam-bato  azony manoloana an'i Tel Aviv sy New York tamin'ny fihodinana farany. 

Metro Medellín. Foto de  Robert Schrader bajo licencia Creative Commons (CC BY-NC-ND 2.0)

Lamasinina amabanin'ny tany ao Medellín. Sary avy amin'i Robert Schrader, lisansa Creative Commons (CC BY-NC-ND 2.0)

Ny fifanoherana lehibe hita amin'ireo tatitra roa ireo dia niteraka resa-be tamin'ny tambajotra sosialy.

Ny sasany dia mahita fa fanamaivanana ny henatra ateraky ny  tsy fitoviana, ny herisetra ary ny fivarotana zava-mahadomelina ilay valisoa “Tanànan'ny taona”. Kanefa, na dia ny hoe   “felicitaciones Medellín” [es] (fankasitrahana an'ny Medellín) sy ny tenifototra  #MedellínInnovadora [es] ( Medellín mivoatra) aza no firehana ao amin'ny Twitter, dia nampiasa ny haino aman-jery sosialy ihany ny mpampiasa izany mba hisintonana ny saina hijery ireo olana ao an-tanàna. Araka ny filazan'ireo sasany mpiserasera amin'ny aterineto, maro amin'ireo ady atrehan'ny Medellín no voasaron'ny fandrakofan'ny haino aman-jery an'ilay valisoa.

Ao amin'ny Pejy Ôfisialin'ny Facebook-n’ny Ben'ny Tanànan'i Medellín, mponina maro, isan'izany Steven ABall, no nilaza ny ahiahiny momba ny  herisetra sy ny fahantrana :

Pensaré que es verdad que somos innovadores cuando haya un esquema de seguridad que funcione, cuando ya no vea tanta indigencia en el centro ni en las periferias, cuando los programas sociales funcionen, cuando chatarricen tanto bus viejo y volquetas que dejan estelas de humo y gases invernadero, cuando se tenga un plan para embellecer el centro. NO me sirve de nada que sea “innovadora” mi cuidad, si no puedo salir a disfrutarla, solo porque a la administración no le da la gana hacer funcionar las cosas!

Hinoako fa tena mivoatra marina isika rehefa manana rafitra fiarovana mandeha tsara, rehefa hitako tsy betsaka intsony ny fahantrana eto afovoan-tanàna sy any amin'ny manodidina, rehefa mandeha tsara ny asa ara-tsosialy, rehefa tsy eo intsony ireny fiara fitaterana tranainy sy ireny fiara vaventy mandefa setroka maloto sy entona mampitombo hafanàna ireny, rehefa tanterahiny ilay drafitra fanatsarana ny afovoan-tanàna. Tsy hitako izay tombony ho ahy amin'ny filazana fa “mivoatra” ny tanàna raha toa ka tsy mbola afaka mivoaka sy mankafy azy aho, satria tsy te-hanatanteraka tsotra izao ireo asa ireo ny mpitantana !

Notanisain'i Andrea González Ospina‏ (@AndreGonzalezO) [es] ao amin'ny Twitter ny tenin'ny filohan'ny EAFIT University [es]:

@AndreGonzalezO: “En Medellín tenemos dos grandes retos: superar la inequidad y la violencia (…) este reconocimiento nos obliga a esa tarea” Juan Luis M.

@AndreGonzalezO: “Fanamby goavana roa no atrehantsika eto Medellin : fandresena ny tsy fitoviana sy ny herisetra  (…) io fankatoavana io no manery antsika hanatanteraka  io asa io” Juan Luis M.

Nanambara ny ahiahiny  [es] momba ny herisetra ao an-tanàna ihany koa ny Arseveka Ricardo Antonio Tobón Restrepo. Ho an'ny maro, nanamaloka ny hafaliana dia naterak'ilay valisoa “Tanànan'ny taona” ny fanambaràny sy an'ny Firenena Mikambana 

Nefa mbola nametraka fanamby hisian'ny tanàna tsara kokoa ihany ny mponina ao Medellin, tahaka ny ibitsihan'i  Gloria Cabrera Sosa (@CabreraGlo) [es] azy:

@CabreraGlo: Cuidemos a Medellín y aún podemos sacarla adelante a pesar de la violencia o la desigualdad. Seamos innovadores.

@CabreraGlo: ‘Ndao karakaraina i Medellin dia ho afaka mandroso isika na dia mbola eo aza ny herisetra sy ny tsy fitoviana. ‘Ndao hivoatra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.