Telo Andro Fisaonam-pirenena Ao Ekoatera Taorian'ny Fahafatesan'i Chávez

Namoaka didim-panjakana telo andro fisaonam-pirenena ny Filohan'i Ekoatera, Rafael Correa (@MashiRafael) [es], taorian'ny fahafatesan’ [mg] ny filohan'i Venezoelà, Hugo Chávez.

Nandritra ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety notanterahina tao amin'ny lapan'i Carondelet, nilaza i Correa fa “tsy afaka ny hifampilaza fa maty ireo izay mitolona amin'ny fiainana”. Nilaza [es] ny Filoham-pirenena fa noho ny fahalasanan'i Chávez, very filoha lehibe manana ny maha-izy azy i Amerika Latina ary nanambara izy fa  tsy afaka  ho adinoina ireo izay nitolona ho an'ny fireneny.

Teleamazonas [es] namoaka ny fanambaran'ny Filoha Correa momba ny fahafatesan'i Chàvez tao amin'ny fantsona YouTube (Canal Teleamazonas) [es]:

“Ho fanomezam-boninahitra azy noho ny fahalasanany, namoaka didim-panjakana telo andro fisaonam-pirenena i Ekoatera. Amin'ny toerana izay misy anao ankehitriny, ry namana Hugo, mampanantena anao izahay fa hanohy handroso hatrany, ao amin'ity Firenena Lehibe ity izay nofinofin'ireo tia fahalalahana ao amintsika”, hoy ny fanambaran'ny Filoha Rafael Correa.

Mpikatroka Mónica Chuji (@Monicachuji) [es], kosa nanoratra tao amin'ny Twitter:

@Monicachuji: Como humana, política y defensora de DDHH, expreso mi sentida solidaridad a la familia del Presidente Chavez y a su pueblo.

@Monicachuji: Amin'ny maha-olona, mpanao politika sy mpiaro ny zon'olombelona, maneho ny firaisankinako amin'ireo fianakavian'ny Filoha Chávez sy ny vahoakany aho.

OM Velasco (@OM_Velasco) [es] nizara sary tao ivelan'ny masoivoho Venezoeliana ao Quito:

@OM_Velasco: En exteriores d Embajada Venezolana n Ecuador se concentran organizaciones sociales expresando solidaridad x #Chavez pic.twitter.com/R4r6bLsxGl

@OM_Velasco: Manoloana ny masoivoho Venezoeliana ao Ekoatera, maneho ny firaisankinany ho an'i  #Chavez ireo fikambanana sosialy pic.twitter.com/R4r6bLsxGl

Afuera de la Embajada venezolana en Ecuador. Foto compartida por @OM_Velasco en Twitter.

Manoloana ny masoivoho Venezoeliana ao Ekoatera. Sary nozarain'i @OM_Velasco tao amin'ny Twitter.

El Ciudadano (The Citizen), gazety antseraseran'ny governemanta Ekoateriana, namoaka pejy manokana [es] ahitana sary, lahatsary sy lahatsoratra momba ny Filoha Chávez.

Sarini Hugo Chávez sy Rafael Correa,  Creative Commons license (CC BY-NC-SA 2.0)

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.