Fifandonana Nahafatesan'olona Teo Amin'ny Polisy sy ny Mpamboly Ao Myanmar

Nizara lahatsary  fohy ahitana ireo vehivavy notafihan'ny polisy nandritra ny fifandonana teo amin'ny mpanao fihetsiketsehana sy ny polisy tao Maupin, Myanmar i Pacerunning. Ahitana miaramila manamboninahitra iray manosika vehivavy ny lahatsary ary miaramila manamboninahitra iray hafa kosa miezaka midaroka azy raha toa ka miezaka manakana azy ny hafa.

Nanomboka tamin'ny 26 Febroary 2013 no nipoaka ny fifandonana [my] teo amin'ireo tantsaha 500 sy polisy 200 tao Maupin, ao amin'ny Fari-piadidiana Irrawaddy, ao Myanmar. Polisy iray no namoy ny ainy ary olona 45 kosa no naratra. Nanomboka [my] ny fifandonana raha niezaka nanaparitaka ireo vondrona mpamboly mpitolona nandà tsy hiala amin'ny tany famboleny nalain'ny fitondrana miaramila teo aloha ny polisy. Hoy ny iray amin'ireo mpamboly nilaza: [my]

Mahantra fadiranovana izahay ka raha tsy manao na inona na inona dia tsy afa-mihinana. Ka tsy afaka ny hiverin-dalana.

Nijanona ny fifandonana ny ampitso. Nitatitra ny habaky ny governemanta fa namoahana filazana fa latsaka an-katerana ny ao amin'ny faritra. Taty aoriana, nanambara ny Minisitry ny Atitany fa efa niverina amin'ny laoniny ny filaminana ao amin'ny distrika. Araka ny filazan'ny Irrawaddy, niha-nitombo ny : momba ny tany tao an-tanàna tao anatin'izay roa taona lasa izay:

Fihetsiketseham-piarovana ny tany  no niseho tao amin'ny faritra maro ao Burma nanomboka tamin'ny famindran'ny fitondrana miaramila ny fahefana ho an'ny governemanta olo-tsotra , roa taona lasa izay. Mampitaraina ireo mpamboly marobe ny olana momba ny fananan-tany, satria araka ny lalàna ankehitriny, tsy tena tompon'ny tany famboleny izy ireo, na dia efa nampiasa izany nandritra ny taona maro aza ny razamben'izy ireo.

Nanamarika ny fitomboan'ny tranga fibodoana tany sy ny fihetsiketseham-piarovana ny tany nifanesy tany ambanivohitra i Aye Nai :

Noho ny fanaovan'i Burma ho lahara-pahamehana ny fampiasam-bola ao anatin'izao fotoana fanitsiana ara-politika izao, dia lasa mahazo vahana ny fangoronan-tany. Araka ny filazan'ny manampahaizana, manome  vahana ny famindran-toerana an-katerena sy ny fangalana tany hitohy ny lalàna marefo momba ny foto-drafitrasa ao amin'ny firenena.

Na dia izany aza, mahatsiaro ho mihamahazo  hery hatrany ireo mpamboly ao an-toerana noho ny tsy fisian'ny miaramila hampihatra (ny lalàna) ho fanoherana ny tetikasa fampandrosoana izay mandrahondrahona hamindra an-katerena azy ireo amin'ny tany hiasany

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.