Resadresaka Miaraka Amin'ny Ben'ny Tanàna Ao An-tanàna kely Kristianina ao Syria

Ao anatin'ny fiaraha-miasanay amin'i Syria Deeply; miaraka mamoaka andian-dahatsoratra mandrakitra ny feon-tsivily voaforiporitra anaty fifandirana izahay, izay ahitana ny fomba fijerin'ny mpanoratra avy amin'ny lafy valon'izao tontolo izao momba ny ady

Amin'ny ezaka ataonay amin'ny fanasongadinana ny tantaran'ny olom-pirenena, ity ambany ity ny resadresaka teo amin'i Syria Deeply sy Abu Skandar, bén'ny tanànan'i Al Ghassanieh, tanàna kely anjakan'ny Kristianina izay vao avy nandalovan'i Jebel Akrad tao amin'ny faritanin'i Latakia.

Jabal Al Akrad, Latakia. Sary: Shaam News Network

Tao anatin'izay herinandro vitsy izay, niharan'ny fifampitifirana teo amin'ny FSA sy ny tafiky ny fitondrana ny tanàna kely. Taorian'ny fisotroana kafe taminà seza eo afovoan'ny arabe (tsy misy fiara mandalo intsony eo), nitondra ahy nijery ireo bala TNT mipetraka amin'ny tany i Abu Skandar. Nandeha taminà tanàna tsy ahitana olona mihitsy izahay teny an-dalana, nitantara mikasika ireo bala vaovao sy tavoaranà balafomanga miparitaka manerana ny trano marobe izy. Hoy izy nilaza tamiko somary sorisorena, mbola misy iray kilaometatra toratady no tena misy ny tanàna izay sisintany fehezin'ny fitondrana.

Nanaraka anay ihany koa ireo namany, Abu Ahmad, lehiben'ny andia-miaramila FSA Wad El Wad El Haq ao an-toerana. Niresaka momba ny firongatry ny herisetra sy ny ady ara-pivavahana manerana ny sisintany voakasika mafy eo amin'i Latakia sy ireo faritanin'i Idlib izy roa ireo.

“Kristianina aho. Misy fahasamihafana lehibe eo amin'ny Krisitianina sy ny Alaoita. Toe-javatra manokana ny an'ny Alaoita, voalohany foana izy ireo matetika,” hoy i Abu Skandar nilaza.

“Talohan'ny ady, nifankatia tsara niaraka tamin'izy ireo izahay. Nifankahazo tsara tamin'ny Sonita ihany koa izahay. Misy ny fiteny Arabo manao hoe: ‘Matory amin'ny trano iray izahay.’ Vitsy dia vitsy ireo fianakaviana Alaoita teto taloha, saingy raha nanomboka ny revolisiona izahay, noroahinay tao amin'ity tanànana kely ity izy ireo “.

Nahoana, hoy aho manontany.

Nahoana, manontany aho.

“Any ivelan'ny tranonay avokoa ny Alaoita rehetra, mitady vola any ivelany avokoa izy ireo.”

Vetivety dia nisy fanafihana feno herisetra, nandao an'i Abu Skandar nanantena hamaha haingana ny olana.

“Trano iray no nipoahan'ny baomba teto, iray volana izay, ary tamin'ny roa andro farany teo, nanomboka nianjera tao an-tanàna [akaiky] indray ny balafomanga. Reko fa namoy ny ainy ny lehilahy iray niandry izany tanàna izany. Saingy tsy nisy natahotra ny olona, fa te hamarana ity fitondrana ity  fotsiny izahay.”

“Miezaka manosika ireo olo-tsotra hanangana filakevi-piarovana ny olo-tsotra ny [FSA]l,” hoy i Abu Ahmad. “Te hiaro ny tanàna kelinay izahay. Ny lanitra no olanay. Eto, sy manerana an'i Syria. Tsy misy zavatra azonay atao. Miharatsy tanteraka ny zava-misy eto noho ny ao Jebel Turkman satria matetika saiky eo amin'ny 2.5 kilometatra miala ny fitondrana fotsiny no misy anay”

Nitraka nijery ambony lanitra manga tsy misy rahona i Abu Skandar. Tsara be ny andro hanaovana fanafiihana an'habakabaka — rehefa avy ny orana, tsy te hisidina ireo fiaramanidina mpiady .

“Angamba mety hoavy androany ireo angidimby. Tiako ho fantatry ny rehetra ny tantarako.” Nilaza izy fa nisy olona matin'ny tafiky ny mpitondra tao an-tanàna tamin'ny volana lasa teo, izay “nanomboka nitifitra balafomanga tao am-piangonana.”

Eny an-dalana, rehefa misotro kafe izahay, mandalo fotsiny ny olona tsy dia mpisotro, mitondra bisikileta haingana ny tovolahy tsy dia mpandalo matetika. Hatramin'izao, izany sisa no miseho ao an-tanàna.

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.