Zambia: Sinoa Manampahaizana Hanaramaso Ny Aterineto Hoe?

Voalaza fa nanakaràma Sinoa manampahaizana ny governemanta Zambiana mba hametraka fitaovana fanarahamaso miafina ny aterineto ao amin'ny firenena. Miara-miasa amin'ity hetsika ity, ny Filoha Michael Sata no nanome alàlana ny Departemanta Manokan'ny Biraon'ny Filoham-pirenena (fantatra koa amin'ny hoe Sampam-pitsikilovana Zambiana) mba hanaramaso  ny fifandraisana an-telefaona sy anaty aterineton'ireo rehetra monina ao Zambia rehefa maharay baiko hanao izany avy amin'ny Mpampanoa Lalàna.

President Sata surfing the internet

Ny Filoha Michael Sata mitety ny aterineto.

Ireo manampahefana dia miomana hanomboka  ny fanarahamaso amin'ireo tranonkalan'ny tambajotra sosialy toy ny Facebook sy ny Twitter, ny bilaogy, ny mailaka, ary ireo tranonkala “tsy akamakama loatra”. Ambara ho nandany hatramin'ny K10 lavitrisa (manodidina ny US$1.8 tapitrisa) eo ny governemanta amin'ny fiaraha-miasa amin'ireo manampahaizana ara-teknolojia Shinoa ireo.

Mitatitra ny tranonkalam-baovao tsy miankina “Zambian Watchdog” fa nangatahan'ny manampahefana avy amin'ny ZICTA (Zambia Information and Communication Technology Authority) ireo mpanome tolotra telefona sy aterineto mba hamela ireo iraka avy amin'ny Biraon'ny Filoham-pirenena sy ireo manampahaizana manokana amin'ny teknolojia hitsidika ny toeram-piasàny sy handalina ny fotodrafitrasa ampiasain'ny tambajotran-dry zareo, mba hahafahan'ireo manampahefanaa ireo mijery izay toerana ao anatin'ilay tambajotra hametrahana ny fanapaingorana , na ny ‘varavarana miafina’ hitsikilovany. ComputerWorld mitatitra fa na ny manampahefana Zambiana, na ny Shinoa dia samy tsy nisy nety naneho hevitra mikasika ny fiarahan'izay ireo miasa.

Loharanom-baovao iray tsy nitonona anarana no nilaza tamin'ny Zambian Watchdog:

Efa nanomboka sahady ny asany ry zareo […] Efa notsidihan-dry zareo ireo mpanome tolotra mba hahafantarany ny endriky ny tambajotrany. Ho an'ireo mety tsy mahafantatra, izy io (ny endriny) dia ahafantarana ny firafitry ny tambajotra, sy ireo zavatra toy ny lohamilina ohatra ka hahafantaran-dry zareo [ny toerana] hametrahany ny fitaovana fanapaingorany.

Niteny ireo mpanome tolotra fa ny fitsabahan'ny governemanta amin'ny resaka manokan'ny olona dia hisy fiantrakany goavana eo amin'ny fitokisan'ireo mpampiasa vola satria hisaintsaina impito ny olona vao hisoratra anarana hiditra anaty tambajotran'izy ireny na hiresaka mandritra ny fotoana ela amin'ny telefaona, fiovàna iray izay hiteraka fihenan'ny vola miditra amin'ireo orinasa.

Mba fantatrareo moa, rehefa miresaka ela amin'ny telefona ny olona, mahazo vola kokoa ny orinasa mpanome tolotra finday. Saingy ankehitriny ny zava-misy ho atrehanao dia ny olona zara raha hifampiantso mba hifanao fotoana hiresahany tsiambaratelo, tsy toy ny tamin'ny lasa rehefa izay ny sasany aza dia amin'ny alalan'ny finday mihitsy no anaovana fivoriana.

Tahaka ny hitondra fihenana amin'ny fisoratana anarana hanana mailaka ilay fiovàna, ao amin'ireo sehatra toy ny  Coppernet, Zamnet, Iconnect, izay ny mpanome tolotra Zambiana daholo no misahana azy rehetra ireo, ary ato ho ato dia tsy ho afa-miala amin'ny tetika fanarahamaso napetraky ny governemanta. Ilay fiovàna dia handrisika ny Zambiana ihany koa hanokatra adiresy mailaka manokana amin'ireo tolotra maimaim-poana omen'ny Gmail, Yahoo sy ny hafa maro.

Indrisy, tsy ireo ihany no fepetra faneriterena izay hapetrak'i Michael Sata nandritra ny naha-filoha azy. Tsy ela taorian'ny nandraisany ny asany tamin'ny 2011, nomeny baiko ny Mpampanoa lalàna vao avy notendreny mba mba hametraka fanarahamaso an'ireo famoaham-baovao rehetra ety anaty aterineto.

Nanomboka ny politikan'ny “tsy maintsy fisoratana anarana rehefa mividy SIM” ihany koa ny governemanta ho an'ireo olom-pirenena, ka any amin'ny ZICTA no atao izany. Ny lafy ratsin'ity politika ity dia tsapa nandritra ny fifidianana ampahany natao vao haingana tany amin'ny faritra sasany tao amin'ny firenena, rehefa injay ny olom-pirenena nanomboka naharay hafatra tsy niriana mandrisika azy ireo hifidy mpirotsaka iray manokana tohanan'ny governemanta.

Hanohy ny handrakotra ireo fivoarana ara-politika ireo ny Global Voices Advocacy arakaraky ny fitrangany ao Zambia.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.