GlobalVoices anaty

Syria: “Lens of a Young Homsi”, Sarin'ny Tanàna Iray Atao Fahirano

DikantenyLahatsoratra voadika amin'ny teny:

Español · Siria: "Lentes de un joven de Homs", fotografías de una ciudad sitiada
বাংলা · সিরিয়াঃ- লেন্স অফ এ ইয়াং হোমিস- অবোরধে থাকা একটি শহরের আলোকচিত্র
Dansk · Syrien: "kameralinsen bag en ung borger fra Homs", Fotografier af en storby under belejring
Català · Síria: "L'objectiu d'un jove d'Homs", fotografies d'una ciutat sota setge
Deutsch · Syrien: „Lens of a Young Homsi“, Fotos einer Stadt im Belagerungszustand
简体中文 · 叙利亚:年轻荷姆斯人镜头下的围城
繁體中文 · 敘利亞:年輕荷姆斯人鏡頭下的圍城
Français · Syrie : "Derrière l'objectif d'un jeune de Homs", des photos d'une ville assiégée
عربي · عدسة شاب حمصي، صور من مدينة سورية تحت الحصار
English · Syria: “Lens of a Young Homsi”, Photographs of a City under Siege

Fony nanomboka tao Syria tamin'ny Martsa 2011 ny fihetsiketsehana, dia noraisin'ny vondronà mpinamana avy ao Homs, latsaky ny 25 taona daholo, ny kameran-dry zareo mba handraketana ireto hetsi-panoherana tsy mbola nisy toa azy tao an-tanànan-dry zareo ireto. Fotoana vitsy taty aoriana, nandrakitra an-tsary ny faharavan'ny arabe tao an-tanàna sy ny manodidina vokatry ny famoretana nataon'ny fitondràna indray ry zareo. Amin'ny alàlan'ny fakantsariny, kendren'izy ireo ny haneho amin'izao tontolo izao ny Homs fahiny, sy izay niafaràny, amin'ny fanadihadiana ireo fotoana manan-tantaran'ny revolisiona avy ao an-”tànanan'ny revolisiona”. Isanandro izy ireo no mahazo fangatahana avy amin'ireo olona izay tsy maintsy nandositra ny tanàna kanefa te-hahafantatra raha rava na tsia ny tranon'izy ireo.

Tsindrian-dry zareo ny maha-andianà mpirotsaka an-tsitrapo tsotra azy ireo, tsy nanaraka fiofànana arak'asa, saingy mendri-piderana kosa ny asan'izy ireo. Izy ireo no “Lens of a Young Homsi” adika tsotra hoe Anakandriamason'ny Tanora Homsi iray:

Photo by the “Lens of a Young Homsi”, taken from their Facebook page

Sary avy amin'ny “Lens of a Young Homsi”, nalaina tao amin'ny pejiny Facebook

Ity lahatsary ity dia maneho ny sasany amin'ireo asan-dry zareo sy ny antony mampiavaka ny “Lens of a Young Homsi” amin'ireo izay voatery nandositra ny trano fonenany tao Homs:

“Gonim-pasika, sakana, miaramila mitam-piadiana hatreny an-tampon-doha, bàla, baomba, toeram-pisavàna miala amin'ny distrika iray ho any amin'ny iray hafa…” Io no zavatra atrehimaso asehon'ireto tanora Homsi ireo amin'ny alàlan'ny fakantsarin-dry zareo:

Azonareo arahana ao amin'ny Facebook sy Twitter ny asan-dry zareo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fihavanana amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalana, vetaveta, mamely olona manokana.


Faritra manerantany

Firenena

Teny

Lohahevitra Manokana

Lahatsoratra miaraka amin'ny