Niteraka Resabe Ny Fitetezam-pirenena Nataon'ilay Bilaogera Kiobàna Yoani Sánchez

Hatramin'ny taona 2004, sambany nandao an'i Kiobà ilay Bilaogera Kiobàna efa nahazo fankasitrahana Yani Sánchez tamin'ny Alahady lasa teo. Handeha hitsidika sy handray anjara amin'ny dinidinika (forum) any amin'ny oniversite, fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana (ONG) ny fikambanana ara-panjakana ao Eoropa, Amerika Latina sy ao Etazonia izy hatramin'ny tapaky ny volana Mey, ary hiverina hody ao Kiobà avy eo. Nahazo fanasana marobe ity bilaogera ity mba hitsidika firenena hafa marobe hatramin'ny nampalaza ny bilaoginy Generación Y [es] teo amin'ny sehatra iraisam-pirenena nanomboka tamin'ny taona 2008. Hatramin'ny volana Janoary, nangataka alalana hahazo hivezivezy izy saingy  in-droapolo mahery no efa nandavan'ny manampahefana Kiobàna izany fangatahany izany.

Rehefa avy nahazo filazana izy fa efa nohavaozina ny pasipaorony ary nekena ny fangatahany hivezivezy, dia hoy i Sánchez nisioka:

@yoanisanchez: #Cuba Increible!! Me llamaron a casa para decirme que ya estaba listo mi pasaporte! Acaban de entregarmelo! 🙂 #ReformaMigratoria

@yoanisanchez: Tsy mampino!! Niantso ahy tany an-trano izy ireo mba hilaza amiko fa efa vonona ny pasipaoroko! Vao avy nomeny ahy teo! 🙂

Blogger Yoani Sánchez. Photo by Andre Deak (CC-BY-2.0)

Bilaogera Yoani Sánchez. Sary: Andre Deak (CC-BY-2.0)

Anisan'ireo maro mahazo tombotsoa momba ny vaovao ao amin'ny firenena i Sánchez, eo koa ny politikam-pivezivezena tsy dia henjana izay mamela ireo Kiobàna handao ny firenena mandritra ny fotoana tsy maharitra. Na dia eo aza ny lalàna vaovao manalefaka ny  fikarakarana sy famenoana taratasim-panjakana  amin'ny fangatahana alalana hivezivezy , mbola misy ireo olom-pirenena lavina aminy ny fanomezana pasipaoro. Nolavina ohatra ny fangatahana pasipaoro nataon'ireo mpanohitra malaza isan-karazany nangataka pasipaoro nanomboka tamin'ny fampiharana ny lalàna vaovao tamin'ny 14 Janoary 2013.

Na dia maro aza ireo feo manerantany naneho ny hafaliany sy ny fihetsehampony mikasika ny fitsidihana ho ataon'i Sánchez, tsy dia tamin'ny endriny tsara avokoa ireo fihetsehampo. Tao Feira de Santana, ao Brezila ohatra, tamin'ny fisehoany imasom-bahoaka voalohany ivelany Kiobà, noraisin'ireo mpanao fihetsiketsehana ho toy ny “mpikarama an'adin” ny  governemanta Amerikana i Sánchez (fanevatevana manokana nataon'ny governemanta Kiobàna sy ireo mpanohana azy) ary nohorakoran'izy ireo izy nandritra ny fandraisany fitenenana.

http://youtu.be/HTcpoo1uqs4

Araka ny hita amin'ity lahatsary eto ambony ity, nanomboka nandray fitenenana i Sánchez, nanakiana ny tsy fisian'ny sehatra ho an'ny fitsikerana ny politika ao Kiobà:

Vivo en una sociedad donde la opinión es traición, donde [no se puede] decir una crítica sobre un gobierno que lleva 54 anos en el poder y que nunca ha permitido que exista otra fuerza politica, un gobierno que no podria competir en una sociedad plural…que ha utilizado la censura en la literatura, en la censura editorial, en la censura periodística.

Fiarahamonina anjakan'ny fanehoan-kevitra raisina ho toy ny famitahana no misy ahy, ka [tsy ahafahan'ny olona] mitsikera ny governemanta izay nanjaka teo amin'ny fahefana nandritra ny 54 taona ary tsy mba namela ireo hery politika hafa hijoro, governemanta izay tsy mba vonona hifaninana ao anatin'ny fiarahamonina samihafa…fa nampiasa sivana amin'ny haisoratra, sivana amin'ny famoahan-dahatsoratra, sivana amin'ny asa fanaovan-gazety…

Nanjary nihamafy ny tabataban'ireo vahoaka marobe, hany ka tsy re intsony ny kabariny ary voatery niato kely izy. Momba ny tabataban'ny vahoaka, hoy izy nilaza, “toy izany ihany koa no ataon'ny governemantako.”

Nitatitra ny Diario de Cuba [es] fa nangataka adihevitra tamin'i Sánchez ireo mpanao fihetsiketsehana, saingy teny fohy fotsiny no voalazany dia notapahan'izy ireo tamin'ny teny fanevatevana avy eo.

Hoy ilay bilaogera Kiobàna sy ny mpanohana ny governemanta, Iroel Sánchez [es] nanoratra,”

…para periódicos como El Nuevo Herald de Miami en el tal “debate” nunca hablaron los que lo propusieron. Es raro…que los partidarios de un régimen totalitario -así califican a Cuba los medios que difunden a Yoani Sánchez- propongan un debate y aún más raro es que cuando este se produce, la prensa partidaria de la libertad de expresión no nos pueda decir una sola palabra de lo que dijeron los que no[s] comparten sus ideas.

…araka ny filazan'ny gazety tahaka ny El Nuevo Herald ao Miami, tsy mba niresaka akory ireo izay nangataka “adihevitra”. Hafahafa…fa ireo mpanohana ny fitondrana mpibodo fahefana — izay mahatonga ireo media manohana an'i Sánchez hamariparitra an'i Kiobà — no mangataka adihevitra ary tena vao maika hafahafa ihany koa fa raha nisy ilay adihevitra, tsy mba nilaza teny iray taminay tamin'izay nolazain'ireo nizara ny heviny akory ny gazety mpanohana ny fahalalaham-pitenana.

Fampahalalam-baovao maro hafa nitatitra fa naato ny hetsika vao nanomboka noho ny horakoraka nataon'ireo mpanao fihetsiketsehana sy noho ny antony ara-pilaminana.

Mbola hanohy hanome vaovao momba ny fitsidihana ataon'i Sanchez ny Global Voices.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.