Nivadika Nanoratra Bilaogy Ireo Mpanao Gazety Iharan'ny Teritery Ao Gambia

Nanangana sy nanoratra bilaogy  ireo mpanao gazety sasany ao Gambia mba hitati-baovao noho ny fifandrafiana eo amin'ny tontolon'ny fampahalalam-baovao, izay voaloton'ireo lalàna sy fitsipi-pipehezana mahery vaika saiky mampihitsoka ny fampahalam-baovao mahazatra.

Nitsikera hatrany ny filohan'i Gambia Yahya Jammeh ireo vondro-piarovana noho izy tompon-dakan'ny fanitsakitsahana ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety. Araka ny tatitra avy amin'ny “Reporters Sans Frontières”, i Jammeh Ilay milaza tena fa mpanasitrana ka nanambara fa nahita ny fanefitry ny aretina SIDA, ny hatavezana, ary ny olana aram-pihenjanana, dia tafiditra ao anatin'ny lisitr'ireo mpamotika ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety taona 2012 .

Manoloana ny firongatry ny media sosialy, miahiahy ireo mpanara-maso marobe fa mety ho tonga hatrany amin'ny mpisera aterineto ny famehezana mahery vaika ataon'i Jammeh amin'ireo mpanao gazety amin'ny fampahalalam-baovao mahazatra.

Gambian President Yahya Jammeh. Photo released under the GNU Free Documentation License by Wikipedia user JohnArmagh.

Filoha Gambiana Yahya Jammeh. Sary tao amin'ny Wikipedia, avy amin'ilay mpiserasera JohnArmagh.  Nahazoan-dalana avy amin'ny GNU ny famoahana ny sary.

Na dia voalaza aza fa ambany be ny saran'ny aterineto  ao amin'ny firenena Afrika Andrefana raha oharina amin'ny Firenena Afrika Atsimon'i Sahara, mbola vitsy dia vitsy ny isan'ireo bilaogera sy mpiserasera. Indreto ireo bilaogy sasany mavitrika sy malaza ao Gambia, mpanao gazety Gambiana, leon'ny lalàna manohitra ny asa fanaovan-gazety sy ny fomba fanao ao amin'ny firenena no mpitantana ny ankamaroan'ireo bilaogy ireo.

Tantanin'i Lamin Jahateh ny bilaogy The Gambia News Online. Bilaogy mahaleotena sy tsy mpiandany  ity bilaogy ity, ny fanomezam-baovao misongadina farany sy izay zava-nitranga tao Gambia ho an'ireo mpamaky no kinendrin'ny bilaogy ary ankoatran'izany, dia mifantoka manokana amin'ny vaovao ara-toekarena, teti-bola, asa ary fanadihadiana ihany koa ny bilaogy. “Ao amin'ny Gambia News Online, tantarainay araka ny fitrangany ny vaovao,” hoy i Jahateh.

Modou S. Joof kosa no tonian-dahatsoratra sy mpamoaka lahatsoratra ao amin'ny bilaogy The North Bank Evening Standard, izay natokana amin'ny “Fitantarana ny tantaran'i Afrika amin'ireo Afrikanina maherin'ny iray miliara”. Toy izao manaraka izao no nosoratan'i Joof ho an'ny mpamaky azy: “Ho an'ireo mpamaky anay, sy mpanaraka anay: fantaro azafady fa manomboka androany hatramin'ny taona 2015, mety tsy ho “VAOVAO” isan'andro ny vaovao avoakanay ato amin'ity bilaogy ity. Izany dia satria eo ampanohizana ny fianarana roa taona momba ny asa fanaovan-gazety sy ny fifandraisana ireo mpamoaka sy mpanoratra ny lahatsoratra izahay. Angamba mety ho sahirana izy amin'ny fahavitrihana mandefa vaovao sy amin'ny fanavaozam-baovao isan'andro ao amin'ity bilaogy ity.”

Bilaogim-baovao hafa ihany koa ny The Gambia News Wave izay natsangan'i Demba Kandeh, mpanao gazety (mpanoratra ity lahatsoratra ity). Natokana amin'ny fizaram-baovao ny bilaogy.

Image accompanying a post by Modou S. Joof about Gambia’s insurance industry campaign to eradicate poor public image. Photo credit: Lamin Jahateh.

Sary ahitana lahatsorata momba ny hetsika ataon'ny indostriam-piantohana ho fanafoanana ny endrika ratsy imasom-bahoaka. Sary: Lamin Jahateh.

Mpanao gazety Gambiana ihany koa i Amat Jeng izay monina ao Soedy ary mibilaogy ao amin'ny Media Revolution. Nanamarika izy fa toera-panangonam-baovao momba an'i Gambia sy ny faritra  atsimo ny bilaoginy. Miezaka mandefa vaovao tsy miandany ho an'ireo rehetra liana amin'ny vaovao mikasika ny fandraharahana, toekarena, teti-bola, ary politika momba an'i Gambia ihany koa ny bilaoginy.

Tamin'ny lahatsoratra farany nosoratany tamin'ny 7 Febroary 2013, nitantara ny fiakaran'ny trosa anatiny ao Gambia nandritra ny taona 2011-2012 i Jeng. Iray amin'reo bilaogera Gambiana vitsy monina any ivelany izy.

i Binta Bah kosa no mitantana ny bilaogy Women’s Bantaba, mpanao gazety sy mpikatroka ny zon'ny vehivavy. Nanamarika izy fa ny famoahana tantara tsy mba notantaraina mihitsy no kinendrin'ny bilaoginy. Resadresaka niarahana taminà vehivavy mpitarika ao Gambia, Amie Bojang Sissoho, mpiandraikitra ny fandaharan-asa ao amin'ny Gambia Committee on Traditional Practice [Komity Gambiana mpandala ny nentin-drazana] (GAMCOTRAP) sy ireo mpikatroka ny zon'ny tovovavy no lahatsoratra farany hita ao amin'ny bilaoginy, .

Nget Cell blog kosa dia tantanin'i Abdoulie Nget. Mpanao sary modely (maketista) i Nget, ary mpanoratra lahatsoratra ara-panatanjahatena taminà gazety malaza iray tao Gambia, The Daily News. Nahazo baiko fanankatonana avy amin'ny Sampam-pitsikilovana Nasionaly Malaza ao Gambia (Gambia’s notorious National Intelligence Agency (NIA) ity gazety ity niaraka tamin'ireo trano famoaham-baovao anankiroa, tamin'ny faramparan'ny taon-dasa.

Anisan'ireo bilaogy ao Gambia ireto manaraka ireto:
Kissykissy Mansa
Gambia Affairs
Gambia Business Updates
The Kingdom (Mansabanko)
Campus and Field News
Young Journalists Association of The Gambia

*Hajian-tsary: Bilaogy Gambiana Lamin Jahateh izay mitantana ny bilaogy The Gambia News Online. Loharanon-tsary: Lamin Jahateh (nahazoana alalana).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.