Ny Fandraisan'i Trinidad & Tobago Ny Harlem Shake

Ny hala-tahaka ‘meme’ farany tety anaty aterineto nifandroritana, ilay Harlem Shake, izay nandihizan'ny olona tamin’ity hira ity, dia tonga toy ny tafiotra ihany koa any Trinidad sy Tobago ankehitriny, lafy iray any ambadiky ny tany, any Queensland, Aostralia izay nanombohan'ny ‘meme’ rahateo .

Tsy tokony hafangaro amin'ny dihy Harlem Shake tany am-boalohany, ny endriny ‘meme’ dia ahitàna indrindra indrindra mpandihy fototra iray mandihy araka izay tiany eo, arahan'ireo ambiny ao anatin'ny ‘tarika’ amin'ny dihy mafàna. Mazava ho azy, ho anà lahatsary ‘meme’ iray, mora foana ny mamerina mamokatra azy, satria zoro iray amin'ny kamera sy fanapahana iray ihany no ilainy – azo ambara ho ny rehetra no afaka hanao izany ary azo antoka fa tahaka izany izy rehetra – tany amin'ny lafivalon'ny firenena. Lasa nalaza be ilay firehana ka na dia ireo fampahalalam-baovao mahazatra aza dia nitatitra azy io.

Ny bilaogy mekmilaugh, izay haingana be tamin'ny fametrahana fandaharana lahatsary vitsivitsy holalaovina, dia nanamarika fa :

Na dia vao avy namarana ny Fetibe karnavaly aza, nahita fotoana foana ny Trinidadiana hidirana amin'ny fankafizana tsy voafetra ny aterineto nateraky ny Harlem Shake nataon'i Baauer izay fotoana amokaran'ny olona avy amin'izao tontolo izao lahatsary fohy isariana gaigy amin'ilay hira.

Ireto ny topimaso vitsyamin'ireo lahatsary sasany…Trinbagoniana iray naka ny ‘Harlem shake’ !

Ity ny iray avy amin'ny Synergy TV

…iray hafa avy amin'ny tranonkala sosialy/fialamboly triniscene.com izay manao be mihitsy, feno hatraminà poti-taratasy maroloko afafy…

…ary iray hafa avy amin'ny Macoya Gardens – ny “endriny eny an-dalambe”:

Sandwich Media nampakatra ity iray ity, izay manana endrika Karnavaly mihitsy. Nantsoin-dry zareo izy io hoe “ilay andiany miatrika ny rano”, satria izy ity dia noraketina tao amin'ny hotely  Hyatt Regency, izay ahatsinjovana ny Gulf of Paria:

Na dia ireo mpandry an-dàlambe aza izay mameno ny araben'ny renivohitra, Port of Spain, dia toa nirotsaka nandray anjara tamin'ilay hetsika :

Farany, ny fomba fiseho tena artistika indrindra dia avy amin'i jtography, izay sady mampiseho ny maha-manan-tsaina no manala hamohamo :

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.