Zazalahy, 16 Taona, Maty Tamin'ny Fankalazana Ny Faharoa Taonan'ny Hetsi-Panoherana Tao Bahrain

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny  Hetsi-panoherana ao Bahrain 2011/2013.

Ny 14 Febroary 2013 dia zazalahy iray 16 taona no maty tao Bahrain nandritra ny fankalazana ny faharoa taonan'ny nanombohan'ny hetsi-panoherana nihanaka be tamin'ny endrika Lohataona Arabo nanerana ny firenena. Ny fahafatesany, voalaza ho noho ny ratra nateraky ny tifitra, dia niteraka hatezerana ety anaty aterineto – sy teny an-dalambe.

Ao amin'ny Twitter, ilay mpikatroka mafàna fo Maryam Alkhawaja dia mizara saripika iray ahitàna ireo ratra nahazo ilay niharam-boina, miteny hoe :


@MARYAMALKHAWAJA
: Sary mahery setra: Hussain AlJazeeri, tanora kely mpanao hetsi-panoherana,  notifirina akaiky taminà bala ary maty tany amin'ny toera-pitsaboana MANDRIA AM-PIADANANA#bahrain #feb14 pic.twitter.com/vBFq2dgW

Neken'ny fàhana Twitter an'ny Ministeran'ny Atitany ny fahafatesan'i Al Jazeeri, tahakla izao manaraka izao:

@moi_bahrain: Naharay antso avy amin'ny SMC [Salmaniya Medical Complex] ny efitrano fibaikoana, nampahafantatra azy ny fisian'olona iray naratra nambara fa maty. Nampahafantarina izany ny mpampanoa lalàna.

Nikitika tady iray efa henjana ny fahafatesany. Roa taona lasa izay, olona iray koa no matin'ny polisy tao amin'io tanàna io ihany – Al Daih.

Mohamed Hasan mibitsika hoe :

@safybh: Ilay terana izay vavolombelona nanatri-maso ny fahafatesana voalohany tamin'ny #feb14 2011 dia mbola vavolombelon'ny iray hafa indray androany, dia mbola ireo olona tamin'izany ihany no tompon'andraikitra mitantana an'i #bahrain

Alkhawaja manampy hoe:

@MARYAMALKHAWAJA: Ilay zazalahy maty androany dia avy amin'ny tanàna niavian'i Ali Mushaima ihany, ilay voalohany maty tamin'ny #feb14 2011 #bahrain

Protesters block the road in Al Qadam, Bahrain, on the second anniversary of widespread protests. Photograph shared on Twitter by @MazenMahdi

Bahanan'ireo mpanao hetsi-panoherana ny làlana ao Al Qadam, Bahrain, tamin'ny fankalazana ny faharoa taonan'ny hetsi-panoherana nihanaka be tao. Sary nozarain'i @MazenMahdi tao amin'ny Twitter

Doctor Nabeel Tammam mibitsika hoe[ar] :

يوجد لدينا نظام يقتل الأطفال في #البحرين_مقبرة_حقوق_الانسان واليوم #الشهيد_حسين_الجزيري

@ntammam: Manana fitondràna mpamono ankizy isika eto Bahrain, fasan'ny zon'olombelona. Androany isika dia manana maritiora iray indray, i Hussein Al Jazeeri

Abu Omar Al Shafee manamarika hoe [ar]:

سنتين و #البحرين تدور في حلقة مفرغة وكل متمسك بمطالبة ورؤاه #حسين_الجزيري رحمة الله جزء من هذه الحلقه التي لم تتوقف عن الدوران

@ALSHAF3EE: Roa taona izao fa mbola mihodinkodina amin'ity faribolana ratsy ity hatrany i Bahrain ary mbola miziriziry mihazona mafy ny fangatahany sy ny heviny ny tsirairay. Hussain Al Jazeeri, handry am-piadanana anie ny fanahiny, dia isan'ity faribolana ratsy tsy nitsahatra ny nihodina ity

Mitondra tohankevitra fiarovana manoloana ny manampahefana ilay bilaogera Mahmood Al Yousif :

@mahmood: Manomboka mason'andro anio, tsy maintsy lanjalanjain'ny fitndrna eto #bahrain ny fampiasàna herisetra ary farafaharatsiny mba andramo ny manome fahalalahana maneho hevitra ho an'ny vahoaka #FEB14

Ary ilay bilaogera Mohammed AlMaskati mamintina hoe :

@emoodz: Feno hatezerana sy tsy hafaliana ny rivotra iainana. الله يحفظ البحرين وأهلها [Andriamanitra anie hiaro an'i Bahrain sy ny vahoakany]

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny  Hetsi-panoherana ao Bahrain 2011/2013.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.