Shina: Fanaovana Tsindry Hazo Lena Olona Nitatitra Fisiana Fandikan-dalàna Iray Mba Hilaza Ny Loharanom-baovaony

Manao tsindry hazolena amin'i Zhu Ruifeng ny mpitandro ny filaminana ao Chongqing , ilay vavolombelon'ny fisian'ilay horonan-tsary mirakitra ilay tantara ratsinà resaka firaisana ara-nofo mba honolorany ny orizinalin'ireo horonan-tsary miisa 7 ireo mahavoarohirohy manampahefana miisa iraika ambinin'ny folo ao amin'ny governemanta. Milaza ny mpitandro ny filaminana fa ilain'izy ireo ny orizinaly mba hahafahan'izy ireo manatanteraka fikarohana mahaleotena mifandraika amin'ireo horonantsary ireo; fa nivaky i Zhu [zh] fa ny sasany amin'ireo horonantsary ireo dia nomenà mpanome vaovao tsy nitonona anarana ho azy an-tànana, io olona io no namoaka ny vaovao avy ao amin'ny biraon'ny mpitandro ny filaminana ao Chongqing. Mino izy fa ny tanjon'io “fikarohana” atao io dia ny mba hahafantarana ny fototra niaingan'izany.

Nanao tatitra tao amin'ny Sina Weibo i Zhu Ruifeng ny 27 Janoary 2013 mikasika ny fitsidihana tsy nampoizina nataon'ny mpitandro filaminana ao Chongqing azy tao an-tranony. Nanomboka tamin'izay dia nofafàna ireo fampidirana tao amin'ny bilaogin'i Zhu sasany, hitantsika eto ambany ny dika mitovin'ny iray amin'ireo bilaogy kiritika an'i Zhu tao amin'ny kdnet [zh]:

Zhu Ruifeng's profile picture at Sina Weibo.

Sarin'i Zhu Ruifeng tao amin'ny Sina Weibo.

【时间线:2013.1.27 18:56】我现在准备到德胜门外派出所去,辖区孙鑫警官正在敲门要带我走。请网友关注!

[Daty sy ora: 2013.1.27 18:56] Handeha ho any amin'ny biraon'ny mpitandro ny filaminana any Deshengmen aho. Mandondona ao am-baravarako ao i Sun Xin manam-pahefan'ny polisin'ny distrika ary tadiaviny ho entiny manaraka azy aho. Mba mitandrina azafady e!

【时间线:19:01】我还在屋里,5位警察在门口还没走,我说,我自己去辖区派出所,你们不能在门口堵着。你们肯定是重庆警方的,我愿意做雷政富们的大牢,我早已做好了一切准备。我是北京市民,你们让德外派出所警长赵洋联系我,我会立即跟你们走。否则,敲烂门我也不会开,请网友转发!

[Ora: 19:10] Mbola ato an-tranoko aho. Polisy 5 no mbola mijoro ao ivelan'ny varavarako ao. Efa niteny aho hoe izaho irery no handeha ho any amin'ny biraon'ny polisy. [Hoy aho tamin'izy ireo] Tsy tokony hobahananareo toy izao ny varavarako. Tena polisy avy ao  Chongqing marina ianareo. Faniriako ny hiditra am-ponja noho izaho nitoroka an'i Lei Zhengfu ary efa nivonona tsara tamin'izany aho. Mponina eto Beijing aho, resaho i Zhao Yang , lehiben'ny polisy avy ao amin'ny biraon'i Deshengmen mba hifandray amiko dia hiaraka aminareo aho. Ankoatr'izay, tsy hosokafako mihitsy ny varavarako na mafy tahaka ny inona aza ny fandondonanareo ao. Mba avereno bitsihana anie ity azafady e.

【时间线:21:14】刚才在我与警方对峙很长时间,我告诉他们,夜黑,明天白天处理。我告诉他们,明天上午9点半我会带上我的律师去德外派出所,最后他们同意,但我家门口还是有人,他们布置了暗哨。诸位腾讯网友,感谢你们的支持,明天如果直接被重庆警方带走,希望大家继续声援,请求保护爆料人人身安全。

[Ora: 21:14] Niatrika ny polisy aho na dia efa naharitra elaela ihany aza izany. Niteny azy ireo aho: Efa maizina ny andro izao ka aleo hiandry ny andro mazava izany. Hoy aho tamin'izy ireo hoe ho entiko any Deshengmen ny mpisolo vavako rahampitso maraina amin'ny 9:30. Nanaiky ihany izy ireo ny farany, fa na izany aza dia mbola nasian'izy ireo olona ihany niandry teo ivelan'ny varavarako. Misaotra anareo ry namako ao amin'ny bilaogy kiritika tamin'ny fanohananareo ahy. Rehefa misy mitondra any amin'ny polisy any Chongqing aho rahampitso, dia maniry aho ny mbola hanohananareo ahy ary miangavy anareo aho mba hiaro ireo mpitatitra ny fisian'ny fandikan-dalàna rehetra.

Ny andro manaraka io, nanao fanambaràna ampahibemaso [zh] izy, ka nanondro mpitarika maromaro to-teny mpitondra ny hevi-bahoaka ho mpifandray aminy, ho mpitondra teny ary hisolo tena azy araka ny lalàna. Amin'ny faran'ilay fanambaràny izy, dia amafisiny fa:

如果我被重庆市警察抓捕失去人身自由,我将行使缄默权零口供来抗议重庆市警方的非法行为,如果有询问笔录和签名,那一定是在重庆市警察刑讯逼供情况下做的。我失去人身自由后,任何单位和个人及我的家属所作出更换律师或官方指定律师的决定无效,我本人就是写血书要求换律师也是无效的,也更不可能拒绝请律师的情况出现。

Raha vao voasambotry ny mpitandro ny filaminana ao Chongqing aho ka very miaraka amin'izay ny fahafahako manokana, dia tsy hanoka-bava mihitsy aho hanoherana ireo fihetsika tsy manara-dalana ataon'ny polisy ao Chongqing. Izay sonia rehetra nataoko tany amin'ny biraon'ny polisy dia tsy nataoko an-tsitrapo fa noho ny fampijaliana nataon'ny polisy. Raha vao very ny fahalalahako, ny fanapahan-kevitra rehetra raisin'ny fianakaviako, na koa raisiko voasoratra tamin'ny rà mba hanovàna ireo olona notondroiko hiaro ary araka ny lalàna dia tsy hanan-kery. Tsy handa ny fanendrena olona hiaro ahy araka ny lalàna mihitsy aho.

Raha miditra ao amin'ilay vohikala antsoina hoe “Fanaraha-maso an-tserasera atao amin'ny vahoaka ” [zh] isika dia mahita fa anisan'ireo mpanao gazety vitsy an'isa izay manana fahasahiana i Zhu eo amin'ny fanaovana tatitra kolikoly. Ilay horonantsary misy ilay tantara ratsnà firaisana ara-nofo nahamenatra izay navoakany tamin'ny volana Novambra 2012 dia efa nahatratrarana manampahefana 10 mpanao kolikoly tao Chongqing. Kanefa, nanambara i Zhu fa mbola maro ireo manamboninahitra ambony ao amin'ny governemanta no tazana ao anatin'ireo horonantsary eo am-pelatanany.

10 Chongqing government officials have been sacked for involving in sex scandals. Photo from jdway.com. Non-commercial use.

Olona 10 manampahefana tao amin'ny governemanta no voaraoka tao Chongqing noho izy ireo tafiditra tamin'ilay resaka firaisana ara-nofo mahamenatra. Sary nalaina tao amin'ny jdway.com. Tsy azo ampiasaina ho fitadiavam-bola.

Nohadihadian'ireo mpitoraka bilaogy avy amin'ny Sohu izy tamin'ny 29 Janoary ary tamin'ny alalan'ny aterineto no nanaovana izany, tamin'izany indrindra no nilazany ny pitsopitsony rehetra mikasika ilay fanadihadiana nataon'ny polisy azy naharitra ora 3 be izao:

當時到我家的他們是沒有任何合法手續,我一點也不懼怕他們。在此之前,我監督38位廳級以上的幹部,對於他們的威嚇,我已經習以為常了。他們進入我的家門口(軍事管理區),重慶警方沒有通過中國人民解放軍某部,已經遭到了軍方師級首長的憤怒。首長說,我們人民解放軍是保衞國家的,我們連我們的幹部都保護不了,還算什麼軍隊。

Fony nijoro tao ivelan'ny tranoko izy ireo, dia tsy natahotra mihitsy aho. Fahiny, efa nanana traikefa tamin'ny fanarahamaso manamboninahitra tao amin'ny governemanta miisa 38 aho ary efa nahazatra ahy ny fanindrinindriana ataon'izy ireo. Tamin'ity indray mitoraka ity, dia nankany an-tranoko izy ireo (izay hita ao anaty faritra  eo ambany fanaraha-mason'ny foloalindahy), tsy nahazo alalana avy amin'ny departemanta miara-miasa amin'ny tafi-panafahana (PLA) akory ny polisy avy ao Chongqing.  Tezitra mafy ny lehiben'ny PLA ary nilaza izy hoe: ny andraikitry ny PLA dia ny miaro ny firenena, raha toa ka tsy mahavita miaro ny manam-boninahitsika isika, dia mbola afaka antsoina hoe foloalindahy ihany ve?

我不同意他們的有些說法。他們的真正目的,是要挖出我的新聞錢人,提取相關證據是想利用既是手段來獲取我新聞線人的真實信息。重慶警方想讓我舉證趙紅霞們涉嫌敲詐勒索,我認為他們算不上。我向重慶倆警察舉證,雷政富等11名高官涉嫌接受性賄賂。重慶警官說:這不歸我們管,我們只辦理肖燁等人的團伙敲詐勒索。

Tsy manaiky io fangatahan'izy ireo [polisy avy ao Chongqing] io aho. Ny tanjon'izy ireo dia ny hamantarana ny loharanom-baovaoko. Tian'izy ireo ho fantatra mihitsy [amin'ny alalan'ny dian-tànana] ny tena anaran'ilay olona nanome ahy ny vaovao amin'ny fakàn'izy ireo ny porofo. Nilaza izy ireo fa ilainy amin'ny fikarohana ataony mikasika ny fandrahonana mihatra amin'i Zhao Hongxia [ilay vehivavy tazana tao anaty horonantsary] sy ny maro hafa io porofo io . Tsy mino izany [fikarohana] mikasika fandrahonana izany aho. Efa nanolotra porofo mikasika ireo olona manan-kaja miisa 11 ao amin'ny governemanta aho, ahitana an'i Lei Zhengfu [sekreteran'i CCP taloha tao Chongqin , distrikan'i Beipei] nanaiky kolikoly tamin'ny endrika firaisana ara-nofo. Namaly izany ny mpitandro filaminana ao Chongqing ka nanao hoe: tsy andraikitray izany. Ny asanay dia ny mamaha ny olana mikasika fandrahonana efa tsara homana nataon'i Xiao Ye [ilay mpanera trano izay nanolotra vehivavy ho an'ireo manamboninahitra ao amin'ny governemanta mba hanatanterahany ny filàny ara-nofo] sy ny namany.

Nandritra izany fotoana izany, dia nosamborina [zh] i Xiao Ye sy ny mpandraharaha mpiara-miasa aminy Xu Sheqing . Tamin'ny taona 2009, natolotr'i Xiao ny polisy tao Chongqing ireo horonantsary rehetra manendrikendrika ireo manampahefana mandray tsolotra, nefa najanona tsy narahana fanadihadiana ilay raharaha.

Mba hiarovana ilay olona nitatitra fisiana fandikan-dalàna, dia  tsy nanaiky  [zh] nanome ireo horonantsary ireo i Zhu ary nilaza izy fa ho avoakany ireo horonantsary dimy ahitana firaisana ara-nofo ireo raha vao voamariny ny fisiany. Nilaza ny fomba fijeriny ihany koa ny feon-gazety ao Sina antsoina hoe People’s Daily [zh], izay nitatitra ny nolazain'ny manam-pahaizana iray amin'ny lafiny lalàna manao hoe tsy manana alalana hangataka “porofo” any amin'i Zhu ny polisy.

[Nandray anjara tamin'ny fanoratana ity lahatsoratra ity koa i Owen]

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.