- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Saodiana Mpikatroka Mafàna Fo: “Maneho Ny Fomba Fisainany Sy Ny Tsy Fahampian'ny Porofo Eo Am-pelan-tànany Ny Fitsarana”

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Arabia Saodita, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona

Notanterahana ny 18 Desambra 2012 tao amin'ny Fitsarana Heloka Bevava tao Riyadh ny fotoam-pitsarana fahavalo tamin'ny fitsarana ampahibemaso voalohany tao Arabia Saodita ireo mpikatroka mafàna fo malaza ao amin'ny zon'olombelona, Mohammad Al-Qahtani [1] sy Abdullah Al-Hamid [2]. Tamin'ny fotoam-pitsarana farany, [3] dia namaly ny fiarovan-tenan-dry zareo ny avy amin'ny fampanoavana. Mpanohana miisa sivifolo no nanotrona ny fitsarana, izay misy vehivavy telo ary iraka avy amin'ny Al Jazeera sy ny Sky News.

Namoaka didy fisamborana an'ilay vehivavy mpanao gazety antsoina hoe Iman al-Qahtani [4] ny mpitsara, vao tany ampiandohan'ny fitsarana, noho ny “fanomezana vaovao tsy marina ho an'ny fitsarana “. Nampiseho taratasy maha-mpanao gazety avy amin'ny gazety al-Haya [5] izy, izay toerana niasàny ihany, tamin'ny fotoam-pitsarana teo aloha. Nilaza ny mpitsara fa tonga teo ny solotenan'ny al-Haya, ary nilaza taminy fa tsy miasa ao intsony ilay vehivavy. Namaly izy fa tsy hisolotena ny al-Haya no nahatongavany, kanefa kosa nahazo karatra avy amin-dry zareo izy. Nilaza i Dr. al-Qahtani fa, tamin'ny fotoam-pitsarana teo aloha, ny mpitsara izy tenany mihitsy dia nanome bitsika tsy marina izay avy amin'ny polisy miafina, ary tokony hanongo tena izy aloha mialoha ny rehetra. Tany am-piafaran'ny fotoam-pitsarana, taorian'ny adihevitra lavareny dia nanapa-kevitra ny mpitsara fa hanafoana ny didy fisamborana.

Resak'i Al-Hamid (faharoa avy eo ankavia) taorian'ny fitsarana. avy amin'i @alajmi01 [6]

Tany am-piandohan'ny fotoana dia nandrahona ny mpitsara fa raha misy iray amin'ireo mpanotrona manohintohina ny filaminan'ny efitrano fitsarana dia ho samborina ireo roalahy mpikatroka mafàna fo. Nitranga izany taorian'ny tehaka nirefodrefotra nataon'ireo mpanotrona noho ny fanamarhana nataon'i al-Hamid tamin'ny fotoam-pitsarana farany. Hoy ny mpitsara, rehefa nanohitra i Dr. al-Hamid, “mpanohana anareo daholo ve ireo!”

Nandà ny hamaly i Dr. al-Qahtani rehefa niezaka ny nanontany azy momba ny bitsika sasan-tsasany nataony ny mpitsara. Nilaza ny mpitsara fa manana ny porofo rehetra manamarina ny maha-tena azy tokoa ity kaonty Twitter ity: “misy ny anaranao sy ny sarinao io.” [7]

آرائي واضحة، لكن لا تطلب مني الإفصاح عن حسابي على توتير لأن هذا ينتهك حرية التعبير…أنا لا أعترض من أجل نفسي ولكن من أجل الشباب الذين سيختطفون غدًا من أجل كتابة

Mazava ny hevitro, noho izany aza mangataka amiko ny hilazako ny mombamomban'ny kaonty Twitter-ko, satria mandika ny fahalalahana haneho hevitra izany… Tsy miady ho an'ny tombontsoan'ny tenako manokana aho fa ny tombontsoan'ireo tanora izay ho voasambotra noho ny andalan-tsoratra vitsivitsy.

Nanomboka namaky ny fiarovan-tenany amin'izay i Dr. al-Hamid. Ka ho setrin'ny “fiampangàna ny diso fanoratra” (voazava amin'ny antsipirihany ao amin'ny lahatsoratra momba ny fitsarana teo aloha [8]), dia niteny izy hoe: mazava ho azy raha toa ny mpampanoa lalàna, “amin'ny maha-mpiasa ao amin'ny katedralin'ny famoretana anatiny azy”, ka mampiasa fomba mitovy mba hanovàna ny zava-boalazan'ireo mpikatroka mafàna fo. Isaorana an'Andriamanitra ny fitsarana ampahibemaso  fa mampiseho ny toe-tsaina sy ny tsy fahampian'ny porofo eo am-pelantànan-dry zareo. Ankoatr'izay dia mbola nilaza izy fa na inona na inona antokom-pinoana tsy miondrika eo anatrehan'ny tsy refesimandidy dia “tokony hohadihadiana.”

المُلك السعودي جائر لأنه جبري مستبد، أما الملك فقد ورث نظاما مستبدا وأملنا بعد وفاة وزير الداخلية: إن أوفى بوعده بأنه “سيضرب الظلم بسيف العدالة” فهو عادل، وإن أخلف فهو سلطان جائر.

Manao tsindrio fa lavo ny fitondràm-panjaka Saodiana, kanefa nandova izany fotsiny koa ny mpanjaka ary ny fanantenanay dia aorian'ny fahafatesan'ny katedraly anatiny [9]“. [9] Raha manefa ny fampanantenàna nataony izy, “miady amin'ny tsy rariny amin'ny sabatry ny fahamarinana”, dia azo lazaina ho olo-marina izy. Tsy olo-marina kosa izy raha tsy nanao izany.

Ny fijeriny ny fitsarana Saodiana:

إن القضاء السعودي لا ينصف الناس حقوقهم، ولا سيما الحقوق السياسية. هذا غير متوقع، لكنه مأمول. وهذا رأي، هل تحاكمون الناس على آرائهم؟

Tsy manome ny zon'ireo vahoaka ny fitsarana Saodiana, indrindra fa ny zon'izy ireo ara-politika. Tsy manatena izany izahay, fa maniry izany. Hevitra iray ihany izany. Torianareo noho ny hevitra avoakany ve ny olona?

Nofaranany ny teniny ka nilaza izy fa:

التهم سخيفة…لكني رددت ليعرف الناس أسلوب المدعي العام في الغرف المظلمة وتركيزه على الثانويات وابتعاده عن الأساسيات.

Kitoatoa ireo fiampangana …Kanefa novaliako ihany mba hahafantaran'ny olona ny zavatra ataon'ny mpampanoa lalàna any anaty efitrano fitsarana maizina [miafina] any, ary ny fifantohany amin-javatra tsy dia misy dikany loatra raha tokony ho ny tena zava-dehibe.

Nanao fanamarihana kely ny mpampanoa lalàna rehefa avy namaky ny fiarovan-tenany ireo mpikatroka mafàna fo roa. Nilaza izy fa ny antokom-pinoana efa nahazo fankatoavana ihany no afaka mitsikera ny Filankevi-Panjakana ao Ulema, fa tsy olona manana maripahaizana amin'ny literatiora, mantsy an'i Dr. al-Hamid.

Rehefa nifarana ny fitsarana, dia nangataka fotoana fanampiny ny voampanga mba hahafahany manome ny valinteny, kanefa nolavin'ny mpitsara [10] izany ary natao ny Sabotsy 15 Desambra indray ny fotoam-pitsarana manaraka.