Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Korea Atsimo: Lehiben'ny Polisy Teo Aloha Nogadraina Fa Nanala-Baraka Ny Filoha Efa Nodimandry

Nahazo sazy an-tranomaizina 10 volana ilay lehiben'ny polisy Koreana Tatsimo teo aloha noho ny fiampangana lainga nataony tamin'ilay filoha teo aloha efa any amin'ny varo-tsy-mifody izay nolazainy fa manana kaonty miafina amin'ny banky amin'ny anarana sandoka. Tamim-pifaliana no nandraisana ny didy navoakan'ny fitsarana, saingy nitaraina ny sasany tamin'ireo mpisera aterineto fa tara loatra vao noraisina ny fanapaha-kevitra, efa marobe anefa ireo ratsy  vitany.

Caricature of ex-police chief, Cho Hyun-oh

Sariitatr'ilay lehiben'ny polisy teo aloha, Cho Hyun-oh. Sary avy amin'ny mpisera Flickr @okkokin (CC BY-ND 2.0)

Mangidy hoditra eo amin'ny liberaly sy ireo vondrona mpiaro ny zon'olombelona i Cho Hyun-oh noho ny fanaraha-maso ataony amin'ireo olo-tsotra sy ireo tsikera [ko] ary koa noho ny famoretana feno herisetra [ko] notarihany manoloana ireo fihetsiketsehana izay namoizana ain'olona ampolony. Ao amin'izay inoana fa misy resaka ara-politika no nahatonga ny fitoriana ny filoha mamim-bahoaka teo aloha Roh Moo-hyun ho manao kolikoly, nilazan'i Roh fa manana kaonty miafina any amin'ny banky i Cho kanahatonga an'i Roh namono tena [ko].

Nilaza i Cho fa tamin'ny loharanom-baovao tsy fantatra anarana no nahazoany vaovao momba ilay kaonty miafina, fanambarana izay vitany ny nanamarina izany hatramin'izao arysokajian'ny maro ho toe-draharaha tsy misy fototra [ko]. Nomelohin'ny Fitsarana ao amin'ny Distrika Afovoany ao Seoul i Cho fa manala baraka ny filoha teo aloha izay efa namoy ny ainy ary nentina teo anatrehan'ny fitsarana izy tamin'ny 20 Febroary 2013 .

 Tamim-piderana tanteraka no nandraisan'ny olona ny didim-pitsarana [ko], saingy sarotra ny hanonitra ny ratsy sy ny fahasimbana efa vitany :

@histopian: “노무현이 자살한 건 거액의 차명계좌가 발각됐기 때문”이라고 했던 전 경찰청장 조현오씨가 법정구속됐군요. 하지만 아직도 그의 말을 믿는 사람 많을 겁니다. 사실 여부에 관계없이 그저 제가 믿고 싶은 대로 믿는 사람들.

@histopian: Cho Hyun-oh, lehiben'ny polisy teo aloha, izay nilaza fa noho ny famoahany ny fisian'ny kaonty miafina any amin'ny banky ahitana vola maloto tsy toko tsy forohana ”no anton'ny namonoan'i Roh Moo-hyun (filoha-teo aloha) tena, fa niakatra fitsarana ny raharaha. Na dia izany aza, maro be ireo olona mbola mino izany fanambarany izany. Samy manana ny inoany kosa anefa ireo olona, na inona na inona marina (nivoaka vao haingana) mikasika izany.

sy
Tsaroana ho toy ny tranga mampahonena indrindra teo amin'ny tantaran'ny Koreana vao haingana ny fahafatesan'i Roh, reformista, ka niteraka ady goavana sy fisaraham-bazana teo amin'ny vondrona ankavanana sy ireo progresista (lia-pandrosoana)

@100hyeryun: 조현오를 법정구속한 이성호 판사의 양형이유 “피고인의 발언으로 국민은 뭔가 있겠지라는 의심을 갖게 됐고 그런 의심은 노전대통령을 지지하는 국민과 비판하는 국민 사이에 너무나 큰 국론분열을 일으켰다.”핵심을 찌른 판결 이유였습니다.

@100hyeryun: Hoy ny fanambaran'ilay mpitsara Lee Sung-ho, izay nitsara an'i Cho Hyun-ho: “nampamita-bahoaka ny fanamarihan'ny voampanga (Cho) mba hino (fa mety hisy) ‘zavatra hafahafa mandehandeha manodidina ny filoha teo aloha’ ary niteraka fisaraha-kevitra goavana teo amin'ny vahoaka mpanohana an'i Roh sy ireo mpitsikera azy izany fisalasalana izany.” Niteraka olana ny fanazavana nomeny.

Nanontany ny antony niandrasana ela tamin'ny famoahana ny didy ireo mpiserasera marobe, na dia manohana izany didy izany aza. Mampitaha izany tamin'ny fisamborana haingana tsy nisy toy izany an'i pasitera Jo [ko] izay voampanga ho nanely tsaho momba ny filoha-voafidy Park Geun-hye, hoy ity mpanao gazety @welovehani nanoratra [ko]:

@welovehani: 박근혜 허위사실 유포 혐의 피고발 목사 하루만에 체포한 검찰. 노무현 허위사실 유포 혐의 피고발 조현오. 검찰 출석까지 1년9개월.

@welovehani: Andro vitsy fotsiny dia voasambotra pasitera izay voampanga ho nanaparitaka tsaho momba an'i Park Geun-hye. Kanefa kosa tamin'i Cho Hyun-oh, izay voampanga ho nanely tsaho momba an'i Roh, herintaona sy sivy volana vao nentina teo anatrehan'ny fitsarana izy.

Na dia maro aza ireo nandray am-pifaliana ny vaovao momba ny fisamborana an'i Cho, mpisera Twitter vistivitsy niadi-hevitra raha karazana sazy voalohany ny fisamborana olona noho ny fanalam-baraka izao :

@sungsooh: 물론 조현오씨 사례는 고위직에 있는 사람의 무책임한 발언이었고 후속행위 등을 고려할 때 죄질도 나쁘다고 봅니다. 명예훼손죄가 존치하는 한 당연히 유죄라고 봅니다만, 그럼에도 명예훼손에 대해 인신구속을 하는 것은 찬성하기 어렵네요.

@sungsooh: Tsy misy isalasalana fa tsy tompon'andraikitra manontolo i Cho, mpiasam-panjakana ofisialy ambony eo amin'ny governemanta, amin'ny fanaovana fanamarihana tahak'izany. Ary raha jerena ny zava-nataony avy eo mahita isika fa miharo fikasan-dratsy ny fanamarihana nataony. Taorian'ny lalàna momba ny fanasoketana/fanalam-baraka, mazava ho azy fa meloka amin'ny fiampangana azy izy, saingy tsy ekeko kosa ny sazy fampisamborana olona noho ny fanalam-baraka.

Mpisera @naticle nankatò izany ahiahy izany, saingy nanampy hoe [ko]:

@naticle: [...]그러나 조현오씨의 경우에는 적용되기 힘든 것이 죽은 사람은 반론할 기회가 없는데 주장을 거듭했어요

@naticle: [...] Na izany na tsy izany, tsy tokony nampiharina tsotra izao tamin'ny raharaha an'i Cho izany lojika izany, izay efa imbetsaka ny fanambarana (diso), kanefa sy afaka hiaro ny tenany ilay olona efa maty.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.