Nahazo Sazy An-tranomaizina 18 Volana Ilay Saodiana Mpanao Fihetsiketsehana

Raha niverina tao Arabia Saodita ny Andron'ny Fahavinirana tamin'ny 11 Martsa 2011, mpanao fihetsiketsehana vitsy dia vitsy ihany no tonga nanao fihetsiketsehana sy nihantsy ny fisian'ireo polisy marobe. Anisan'iray tonga tamin'izany i Khaled al-Johani. Niresaka taminà vondrona mpanao gazety i l-Johani izay notarihan'ny Minisitry ny Kolontsaina sy ny Fifandraisana tao amin'ny toerana izay fantatra fa hanaovana ny fihetsiketsehana, nosamborina tamin'izany andro izany ihany izy rehefa iny nandeha namonjy fodiana iny avy eo. Notanàna izy hatramin'ny 25 Jolay 2012 .

Maro ireo nihevitra fa nahazo famelàna izy. Na dia izany aza, nanatontosa fotoam-pitsarana ny Fitsarana Heloka Bevava ao Riyadh tamin'ny Alatsinainy teo mba hamoaka didy mikasika ny raharaha momba azy. Hoy ny rahalahin'i Khaled nisioka [ar]:

بعد مرور أكثر من أربعة اشهر تم الاتصال علينا من قبل المحامي وابلغنا بان المحاكمة ستستمر وان لكم جلسة قادمة في المحكمة الجزائية في الرياض

@I98A: Efa-bolana mahery taty aoriana [tamin'ny famotsorana azy], niantso anay ilay mpisolovava ary nilaza taminay fa mbola hitohy ny fitsarana ka mbola hisy fotoam-pitsarana hotanterahina ao amin'ny Fitsarana Ady heloka Bevava ao Riyadh.

Hoy izy nanampy:

كنت أثناء الجلسات أتوقع الحكم على أخي الفاضل خالد الجهني بالبراءة من حيثيات كثيرة

@I98A: Nandritra ny fotoa-pitsarana, nihevitra aho fa ho afaka madiodio tamin'ireo fiampangana azy marobe ny rahalahy malalako Khaled al-Johani.

hoy izy nanohy:

حكم على خالد الجهني بسنة ونصف و منع من السفر ثلاث سنوات وغرامة مالية ستمائة ريال و مصادرة أجهزته […]

@I98A: Voasazy herintaona sy tapany [an-tranomaizina] i Khaled al-Johani, voaràra tsy mahazo mivezivezy mandritra ny telo taona, mandoa onitra enin-jato riyals [~160 USD] ary notazonina ireo fitaovany elektronika […]

Mpikatroka Abdullah al-Hamid, izay efa niakatra fitsarana noho ny fikatrohany amin'ny fiarovana ny zon'olombelona, nisioka hoe:

الحكم_على_خالد_الجهني بالسجن سنة ونصفا/ إعلان للعالم كله وبرهان على أن القضاء السعودي من مطارق قمع حقوق الإنسان إنها #المحاكمةالسرية

@ Abubelal_1951: Fanehoana amin'izao tontolo izao ny didim-pitsarana sazy an-tranomaizina herintaona sy tapany azon'i Khaled al-Johani fa fitaovana hoentina hamonoana ny zon'olombelona fotsiny ny fitsarana Saodiana. Izany no [vokatry ny] fitsarana tsy atrehin'olona

Mohammad al-Olayan, izay efa notànana nandritra ny 36 andro noho ny fanaovan-tsonia fiarovana ny zon'olombelona, nisioka hoe:

[…] لقول الحق ثمن نحن مستعدون على دفعه، ولا بد من التضحية ليزول الظلم… كان الله في عونك ياخالد وفي عوننا على عونك…

2wordsprisoner: Misy vidiny ny filazana ny marina ary mivonona hizaka ny vidin'izany isika. Tsy maintsy mitolona isika hampitsaharana ny tsy rariny. Hitahy anao anie ny Tompo Khaled, ary hanampy antsika sy hanampy anao anie Izy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.