Andro Eran-tany Ho An'ny Radio 2013

Fanamarihana: Lahatsoratra tokony hivoaka talohan'ny 13/02 izy ity, saingy noho ny antony samihafa, tafiditra anatin'izany ny faharatsian'ny tolotry ny MOOV Madagasikara tsy nahafahana mihitsy niasa araka ny tokony ho izy dia tsy tafavoaka raha tsy anio.

Hanamarika ny  Andro Eran-tany Ho An'ny Radio nofaritan'ny UNESCO ny 13 Febroary hoavy izao. Ny tanjona kendren”io hetsika io dia ny hampivondronana ireo mpampiely vaovao, mpisolovava, mpamorona, ary ireo tambajotra mba hanandratra sy hankalaza ny radio eran-tany. Mahatsapa ny UNESCO fa ao anaty hamehana dia ny radio no fomba tsara indrindra hampitàna ny vaovao ho any amin'ny vahoaka tena mila izany – ary amin'ny fotoana hafa dia afaka manampy ny vahoaka hiatrika ireo olana miantraika amin'izy ireo isanandro.

Manonona ny Arseveka Desmond Tutu ny vohikalan'ny UNESCO:

“…ny radio no mpanelanelana goavana indrindra manerana ny Kaontinanta Afrikana. Ao no ahazoan'ny vahoaka ny vaovao sy ny fampahalalana, ary ao no iadian-kevitra mikasika ireo olana samihafa. Ny Radio no toerana hiresahan'ireo vondrom-piarahamonina—izay iresahan'izy ireo zavatra miantraika manokana amin'izy ireo, sy mitondra vahaolana amin'ny olany.”

Mifantoka aminà toerana voafaritra io hetsika io, iray amin'izany ny fampiasàna ny radio ho fanehoana ny tanora. Milaza izao ny vohikalan'izy ireo:

Nandritra ireo folo taona lasa, nipoitra erak'izao tontolo izao ireo tetikasanà radion'ny tanora, amin'ny endriny sy toetra samihafa. Avy any Bolivia ka hatrany Bangladesh, New York hatrany New Delhi, ary Kinshasa hatrany Kuala Lumpur, mahazo tombotsoa ireo tobinà radio satria dia miditra an-tsehatra ny tanora. Amin'ny alalan'ny fametrahana ny tanora eo amin'ny familiana, manome fahafahana hiady hevitra sy fampitomboana ny tanora mpihaino azy izy ireny.

Manohana ireo tetikasa radio-n'ny tanora eran-tany ihany koa ny UNESCO, tahaka ity tetikasa any ambanivohitr'i Zambia ity:

Mahatsapa ny lanjan'ny radio mahazatra mandeha amin'ny onjampeo fohy ihany koa ny UNESCO, izay indraindray dia izy ireo no tena ilaina indrindra hantrarana ireo vondrom-piarahamonina ao an-toerana sy manangana izany adihevitra izany.

Manoratra momba ny radio mandeha amin'ny onjampeo fohy anatinà tontolon'ny media miovaova  sy ny lanjan'ny fitahirizana izany teknolojia izany ho entina ampiasaina anatin'reo tranga voafaritra sy noho ny vidiny mirary ary ny fahamoran'ny fidirana aminy, ny mpandray fitenenana nasaina tamin'ny hetsika Oldrich Cipfor.

UNESCOJereo raha misy fankalazana any amin'ny faritra misy anao. Ny hetsika goavana indrindra dia hotanterahina ao amin'ny biraon'ny UNESCO ao Parisy… Ary halefa mivantana erak'izao tontolo izao io fandaharana amin'ny radio io.

Afaka nandray anjara ihany koa ianao na aiza na aiza misy anao! Nikarakara fifanakalozam-peo ny sehatra fiadian-kevitry ny vohikalan'ny Komity mpikarakara ity Andro Erantany ho an'ny Radio ity ho fanandratana ny media (1 minitra fara-fahalavany). Nasaina ny olona hamokatra sy handefa feo, na inona na inona fifandraisana mety misy eo aminao sy ny tontolon'ny radio (radiom-panjakana, radio tsy miankina, radion'ny vondrom-piarahamonina, mpamokatra mahaleotena, mpihaino, mpankafy, …).

Azonao atao ny mijery ny sarintany ifandrimbonana hahitanao fankalazana ao amin'ny firenenao na hanoratanao ny anao manokana.

Screen shot 2013-01-31 at 09.41.46

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.