- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Maxima Zorreguieta, Ilay Arzantina Ho Lasa Mpanjakavavy Hitondra An'i Nederlandy

Sokajy: Arzantina, Holandy, Mediam-bahoaka, Tantara

Nanjarylohahevitra novoizina be tamin'ny tambajotra Twitter ny tenifotra Máxima Zorreguieta [1] [es] hatramin'ny nandrenesana ny vaovaon'ny Mpanjaka Beatrix any Nederlandy [2] izay niala tamin'ny fitondrany. Máxima, teraka tany Arzantina, ary nanambady ny Printsy Willian Alexander, Printsin’ i Orange-Nassau [3], no mety ho lasa Mpanjakavavin'i Nederlandy.

Sary nalain'i Holger Motzkau [4], nalaina tamin'ny Wikimedia Commons niaraka tamin'ny fahazoan-dalana [5].

Naneho hevitra avy hatrany ireo Arzantina mpampiasa twitter, toa an'i Juan Cruz Maldonado (@Chankra_Lad [6]), izay nibitsika [7] [es] hoe:

@Chankra_Lad [7]: Máxima Zorreguieta sera la reina de Holanda. Tipico, los argentinos triunfando afuera de Argentina

@Chankra_Lad [7] [es]: Ho lasa Mpanjakavavin'i Nederlandy i Máxima Zorreguieta. Tena mampiavaka an'i Arzantina mihitsy izany, ny Arzantina ihany no manolo toerana ny Arzantina.

Manoratra [8] [es] i Darío Silva D'Andrea (@DariusBaires [9]), mavitrika amin'ny resaka fitondrana ampanjaka sy ny tantarany, araka ny mombamomba azy ao amin'ny Twitter :

@DariusBaires [8]: Los reyes holandeses abdican; los reyes ingleses mueren, los reyes españoles… a ellos los echan.

@DariusBaires [8] [es]: Miala ny mpanjaka Holandey; maty ny mpanjaka Anglisy, ny mpanjaka Espaniola… zareo ireto kosa noroahana.

Tsy te-ho tara tsy hahatratra ny Fanomezana Fehiloha i Federico Croce (@FedericoCroce [10]) ary mibitsika fa te ho any izy. Na izany aza, tsy resy lahatra ireo Arzantina hafa mpampiasa Twitter ka misafidy ny tsy hankalaza ny fanosorana vaovao an'i Maxima, toa an'i Mathias Carnaghi (@MathiasCarnaghi [11]), izay manoratra [12] [es] hoe:

@MathiasCarnaghi [12]: Festejar que Máxima Zorreguieta sea reina es seguir avalando la monarquía en el mundo. Dejen de estar al pedo [de estar ociosos] y gastar la guita de la gente!

@MathiasCarnaghi [12]: Mitovy amin'ny fanohanana ny fitondrana ampanjaka maneran-tany ihany ny fankalazana ny mahalasa an'i Maxima Zorreguieta ho mpanjakavavy. Ajanony ny hakamoana sy ny fandaniana ny volam-bahoaka!

Nanjary lasa fironana teo an-toerana ihany koa ny tenifotora #Holanda [13] [Netherlands].

Tsy tokony ho nisy akory ny mariazin'i William sy i Maxima noho ny andraikitra voalohany notanan'ny rain-drazazavavy tao anaty fitondrana jadona miaramila Arzantina. Manoratra mikasika izany [14] [es] ny bilaogy Comer Viajar Amar [15] [es]:

El noviazgo con Máxima en 1999 y su boda por amor, que estuvo a punto de frustrarse debido al pasado del padre de la novia, hicieron del príncipe una figura muy popular.

Guillermo y Máxima, la pareja heredera [16]contrajeron matrimonio en 2002 en la Iglesia Nueva de Ámsterdam. El padre de ella no pudo acudir por el rechazo que creó en la clase política holandesa el hecho de que hubiera ejercido un cargo público durante la última dictadura militar argentina (1976-1983), cuando se desempeñó secretario de Agricultura y Ganadería.

Tamin'ny 1999, nahatonga ny Printsy ho endrika malaza, ny mariazy nifamatoran'i Maxima sy ny fofombadiny, izay saika nahakivy noho ny lasan'ny rain-drazazavavy.

Natao mariazy tamin'ny 2002 tany Nieuw Kerk tany Amsterdam i Guillermo y Máxima, ny mpanjaka mivady [16] [es]. Tsy afaka nanatrika ny rainy noho ny fandavana nataon'ny kilasy politika Holandey noho ny fananany toerana hitam-bahoaka nandritra ny fitondrana jadona miaramila Arzantina (1976-1983), fony izy Sekreteran'ny Ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana.

Nahazo ny fon'ny vahoaka Holandey i Máxima, ary amin'ny 30 Aprily 2013 no andrasana hanao ny fianianana maha-mpanjaka azy ny ho Mpanjaka vaovaon'i Nederlandy.