Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Naàton'ny Fitsarana Braziliana Ilay Taratasy Fanesorana Ireo Vazimba Teratany Tao Guarani-Kaiowá

Ity lahatsoratra ity dia ampahany manokana amin'ny lahatsoratray mikasika ny Zon’ ireo Vazimba Teratany.

Nitondra nankaminà hetsika iray goavana tao Brezila sy tany ampitan'ny ranomasina ny taratasy iray navoakan'ny vondrom-piarahamonin'ireo vazimba teratany Guarani-Kaiowá Kue / Mbarakay, ao amin'ny fanjakàn’ i Mato Grosso do Sul (MS), tany amin'ny voalohandohan'ny volana Oktobra. Tanaty aterineto, maro be ireo olona no nanaraka ilay Tolona notarihan'ity vondrom-piarahamonina ity tao amin'ny fiadidian'i Iguatemi, noho ny loza mitatao amin'ny fanalàna azy ireo amin'ny taniny, ary olona maro no nanao sonia ireo fanangonan-tsonia samihafa tety anaty aterineto.

Tena nahomby tokoa io hetsika io, satria ny Fitsarana Federaly Rezionaly tao amin'ny faritra fahatelo, tao São Paulo, dia nampiàto ilay vinavina hanàla ireo Guaraní-Kaiowá amin'ny fonenany, ho valin'ilay fangatahana nataon'ny National Indian Foundation (FUNAI).

Ny 30 Oktobra tao amin'ny Twitter [pt] dia nanambara i Maria do Rosário, Sekretera Nasionaly ao amin'ny Fiarovana ny Zon'olombelona ao amin'ny Fiadidiana ny Repoblika, hoe :

@_mariadorosario: Acabamos de receber decisão judicial que suspende reintegração de posse do território dos Guarani-Kaiowá. Recurso do Gov.Federal foi acatado!

@_mariadorosario : Vao voarainay izao ny fanapaha-kevitra avy any amin'ny fitsarana mampiato ilay fanalàna ny Guaraní-Kaiowá. Nekena ny fampakàrana nataon'ny Governemanta Federaly !

Guarani Kaiowa children. Expedition to Pyelito Kue village, Mato Grosso do Sul, November 2012. Photo by Percurso da Cultura on Flickr (CC BY-SA 2.0).

Zaza ao Guarani Kaiowa. Fivahinianana tao an-tanànan'i Pyelito Kue, Mato Grosso do Sul, Novambra 2012. Sary avy amin'i Percurso da Cultura tao amin'ny Flickr (CC BY-SA 2.0).

Ho afaka hijanona ao amin'ny “Ranch” Cambará ao Iguatemi-MS ihany izany ireo lehilahy 50, vehivavy 50 ary zaza 70 avy amin'ny foko Guaraní-Kaiowá, toerana izay nametrahana an-dry zareo taminà velarana 2 hektara (mitovy aminà kianja filalaovam-baolina roa). Io aloha izany no fanapahan-kevitra mipetraka mandra-panamarina mazava sy mandra-pamaritry ny FUNAI tsara ny faritry ny tanin'ireo vazimba teratany.

Vahaolana maika ihany iny, satria mbola mitohy mafampàna sy mampahatahotra ihany ny fifandraisana amin'ireo tompon-tany ireo. Ny Alarobia 24 Oktobra lasa teo izao, vehivavy iray avy ao Pyelito Keu no naolanà [pt] lehilahy valo tany aminà “ranch” iray, araky ny filàzan'ireo mponina vazimba teratany. Ny Minisitry ny fitsarana dia nandefa andiany vaovao avy amin'ny tafi-panjakana mba hanamafy ny fandriampahalemana any amin'iny faritra iny.

Ho an'i Marco Antonio Delfino de Almeida[pt], Lehiben'ny Fampanoavana, dia fahombiazana ny fanentanana natao tanaty tambajotra sosialy :

a mobilização das redes sociais foi definitiva para alcançar esse resultado. Provocou uma reação raramente vista por parte do governo quando se trata de direitos indígenas.

Tena nilaina mihitsy ny fanentanana tanaty tambajotra sosialy hanatràrana io vokatra io. Nahitàna fanehoan-kevitra tsy dia fahitan'ny Governemanta firy mikasika ny Zon'ireo vazimba Tompon-tany izany.

Meeting of Guaraní-Kaiowá teachers and leaders, November 2012. Photo by percursodacultura on Flickr (CC BY-SA 2.0)

Fivorian'ireo Guaraní-Kaiowá mpampianatra sy mpitarika, Novambra 2012. sary nalain'i percursodacultura tao amin'ny Flickr (CC BY-SA 2.0)

Ireo Guarani-Kaiowá mpitarika , miampanga ny vonomoka mihatra amin'io foko io, dia nankasitraka ireo fanambarana, kanefa nanatsoaka hevitra manao hoe, tsy misy afa-tsy ny famaritana ny tany ihany no hampiàto io disadisa misy eo amin'ny Indiana sy ireo mpamboly avy any ambanivohitra ao amin'ny faritra ireo. Maniry ny itomboan'ny tambajotram-piraisankinan'ny Guaraní-Kaiowá izy ireo. Tsy hanoherana ny fandroahana fotsiny ihany ny ady atao, fa ho an'ny famaritàna tanteraka ny anjara-tanin'ireo vazimba teratany ireo.

Ladio Veron, Guaraní-Kaiowá mpitarika, nanazàva ny fahasarotàn'ny fonenana ao Carta Maior, tao aminà tafatafa [pt] iray navoaka tamin'ny 28 Oktobra :

Any amin'ny fiadidian'i Mato Grosso do Sol, 43 000 ireo Guaraní-Kaiowáno mangataka ny hamerenana ny tanin'ny razamben'izy ireo ireo izay antsoin'izy ireo hoe “tekoha”. Te hiala amin'ny eo amin'ny toby misy azy amin'izao ny olona ary hamelatra trano lay, izay azo heverina fa ara-dalàna. Misy efa maherin'ny 30 ireo trano lain'ny Guaraní-Kaiowá eny an-tsisin-dalàna na anatin'ny faritry ny ”ranches” izay nitoeran'ireo Indiana. Ampio ireo faritra 20 mahery anie izany e, izay naverina sy nahazoana taratasy ara-dàlana taorian'ny tery vay manta nataon'ireo Vazimba teratany very mpitarika maro tanatin'ilay ady. Na izany aza anefa, faran'izay voafetra ireo toerana ireo.

Ypoi village. Photo by Percurso da Cultura on Flickr (CC BY-SA 2.0)

Tananàn'i Ypoi . Sary avy amin'i Percurso da Cultura tao amin'ny Flickr (CC BY-SA 2.0)

Naoty iray ara-teknika [pt, pdf] navoakan'ny FUNAI ny volana Masa 2012 no namintina fa ilay faritra takian'ny vazimba zanatany Pyelito Kue sy Mbarakay halaina dia efa nitoeran'ny razamben’ ny foko Guaraní and Kaiowá hatrizay. Efa hatramin'ny taona 1915, tamin'ny fotoana nametrahana voalohany ny Tany ho an'ireo Vazimba zanatany, ary indrindra indrindra tamin'ny taona 70 sy 80, nihanitombo ny fanesorana ireo Indiana ho fanomezan-tombiny ireo tomomn-tany fambolena (natao indrindra hampitomboana ny famokarana siramamy azo avy amin'ny fary sy ny vokatra soja),ankoatry ny fahaterahanà sy fivondronanà karazanà vondrona foko isan-karazany, izay niteraka tsy fandriampahalemana sy tsy fahamarinan-toeran'ny sosialy sy ara-kolotoraly.

Ny vohikalan'ny Kaomity Iraisampirenena Ho Firaisankina miaraka amin'ny  Guaraní sy Kaiowá dia miresaka  [pt] ny lanjan'ny famokarana siramamy azo avy amin'ny fary eo amin'ny sehatra ara-ekonomika ao amin'io faritra io :

“A cana que hoje está sendo plantada lá e colhida como etanol já é misturada com sangue indígena Guarani Kaiowá”, disse o cacique. O peso do agronegócio na região teve uma guinada após acordo do ex-presidente brasileiro Lula com ex-presidente dos Estados Unidos George Bush sobre a produção de biocombustíveis.

“Ny fary fanao siramamy izay volena eo amin'izao fotoana izao sy otàzana havadika ho ethanol (alikaola fandrehitra) dia efa mifangaro sahady amin'ny ràn'ireo vazimba zanatany Guaraní-Kaiowá,” hoy ilay Mpitarika. Nisy fiovàna lehibe ny lanjan'ny fambolena mitodika amin'ny fandraharaha tao amin'io faritra io taorian'ilay fifanarahana nifanaovan'i Lula, Filoha teo aloha, sy ny Filohan'ny Etazonia teo aloha George Bush mikasika ny famokarana angovo avy amin'ny zava-maniry.

Lahatsoratra iray nosoratan'i Larissa Ramina, Mpampianatra Lalàna Iraisam-pirenena ao amin'ny Oniversite Federalin'i Paraná sy ao UniBrasil, no nanazava ny loza nambara tao amin'ilay vohikala Carta Maior [pt]:

A situação dos Guarani-Kaiowá, segundo grupo mais numeroso do país, é considerada a mais grave. Confinados em reservas como a de Dourados, encontram-se em situação de catástrofe humanitária: além da desnutrição infantil e do alcoolismo, os índices de homicídio são maiores que em zonas em guerra, como o Iraque.

Ny tranga miseho amin'ny Guaraní-Kaiowá, ilay foko faharoa mivelatra indrindra ato amin'ny firenena, dia heverina ho lehibe indrindra amin'izao. Miaina anaty vala toy ny ao Dourados, ao anaty loza voajanahary ara-pivelomana izy ireo : ankoatry ny tsy fahampian-tsakafo mahazo ny ankizy sy ny fimamoana, dia tena ambony dia ambony ny tahan'ny vono olona mitaha amin'ny any an-tany miady, toy ny any Iràka.

Fanambaràna ara-diplomatika tany amin'ny taona 2009, navoakan'ny Wikileaks, no  mampiseho  ny tsy firaharahian'ireo manampahefana ao Mato Grosso do Sul manoloana ireo fangatahan'ny  Guaraní-Kaiowá ireo tany novolen'ireo mpamboly nandritra ny ampolo taona maro.

Ny Ministera Federalin'ny Mponina [pt], izay sampan-draharaha natao hiaro ny tombotsoan'ny mponina sy ireo vondrom-piarahamonina amin'ny tranganà heloka bevava (ilay sampana “fahaefatry” ny fahefana ao Brazila) dia nilaza hoe :

Afastar a discussão da ocupação tradicional da área em litígio equivale a perpetuar flagrante injustiça cometida contra os indígenas em três fases distintas e sucessivas no tempo. Uma quando se lhes usurpam as terras; outra quando o Estado não providencia, ou demora fazê-lo, ou faz de forma deficiente a revisão dos limites de sua área e quando o Estado-Juiz lhes impede de invocar e demonstrar seu direito ancestral sobre as terras, valendo-se justamente da inércia do próprio Estado.

Ny fanisahana io resaka io ivelan'ny fipetrahana hatry ny fahagola teo amin'ilay faritra ifanolànana dia toy ny fanamafisana indray ny tsy fanarahan-dàlana niharihary nihatra tamin'ireo vazimba teratany tamin'ny fomba telo miavaka sy nifanesy tamin'izany fotoana izany. Ny iray dia tamin'ny nisolokiana ny tanin'izy ireo ; ary ny manaraka indray tamin'ny fotoana tsy nitsinjovan'ny fanjakana , na koa ny fahataran'ny fandraisan'andraikitra, na koa ny fanaovana fanadihadiana sandoka mikasika ny sisintanin'izy ireo sy ny fanakànan'ny mpitsara federaly azy ireo tsy haneho ny zony ara-drazana mikasika ny taniny, tsy afa-manoatra noho ny tsy fihetsehan'ny Fanjakana tahaka izany.

Ilay Solombavambahoaka Pedro Kemp, mpitarika ny Antokon'ny Mpiasa (PT), dia nanamafy [pt] tao amin'ny Antenimiera mpanao lalàna ao Mato Grosso do Sul ny 31 Oktobra fa :

Desenvolvimento não é só produção de boi, milho e soja, mas também respeito ao povo, direito a cidadania. O desenvolvimento deve ser econômico e social, com diretos a todos.

Tsy ny famokarana sy fiompiana, fambolena katsaka ary soja ihany no atao hoe fandrosoana fa  koa ny fanajàna ny mponina sy ny zon'izy ireo sy ny maha-olom-pirenena. Tokony ho ara-toekarena sy  ara-sosialy ny fandrosoana ,ampiarahana amin'ny zon'ny olon-drehetra.

Ypoi village. Photo by Percurso da Cultura on Flickr (CC BY-SA 2.0)

Tananan'i Ypoi. Sary nalain'i Percurso da Cultura tao amin'ny Flickr (CC BY-SA 2.0)

Nandefa fisaorana tamin'ny teny Frantsay ry zareo Indiana, tamin'ny alalan'ny Vondrona Facebook  [fr] iray natsangana ho fanehoana firaisankina :

Nós, Guarani Kaiowá e os sobreviventes que realmente querem sobreviver, desejamos com esta mensagem simples expressar publicamente nossa imensa gratidão a todas e todos que acrescentaram Guarani-Kaiowá a seus nomes. Como todos sabem, os Guarani e Kaiowá, sozinhos, podem ser exterminados, mas estamos confiantes de que, com a real solidariedade humana e o apoio de todos vocês, podemos ser salvos de várias formas de violência contra nossas vidas e, especialmente, evitar a extinção do nosso povo. Graças a esse seu gesto de amor pela nossa vida, sentimos um pouco de paz e esperança em uma verdadeira justiça. Entendemos que há cidadãs e cidadãos movidos por um genuíno amor ao próximo, que têm sede de justiça e exigem esta justiça. Não temos palavras para agradecer a todos. Só dizemos JAVY'A PORÃ, a paz esteja em seus corações. Muito obrigados.

Izahay, Guaraní-Kaiowá sy ireo sisa velona izay tena mba te hivelona tokoa dia maniry indrindra amin'ny alalan'ity hafatra tsotra ity ny haneho ampahibemaso ny fisaorana ireo rehetra nametraka ny hoe Guaraní-Kaiowá tamin'ny anarany [tao amin'ny  Facebook]. Araky ny efa fantatrareo, ny Guaraní sy ny Kaiowá, raha irery, dia mety ho foana, kanefa izahay dia matoky,fa miaraka amin'ny fiaraha-mientan'ny olona sy ny fanohananareo rehetra, dia afaka ny ho voaaro amin'ny karazanà herisetra maro mihatra eo  amin'ny fiainanay izahay, indrindra, ny fahafoanan’ ny mponina ato aminay. Kanefa mahatsapa fahatoniana kely  sy fanantenana ny hisian'ny fahamarinana izahay izao noho io hetsika fanehoam-pitiavana nasehonareo io. Azonay mihitsy hoe misy mponina ahetsiky ny fitiavany madio ireo mpiray vodirindrina aminy , izany dia noho ny hetaheta ny rariny sy ny fitakiana io rariny io. Tsy hitanay ny teny hisaorana anareo rehetra. Fa hiteny fotsiny izahay hoe JAVY'A PORÃ, fiadanana ho ao am-ponareo. Misaotra indrindra.

Ity lahatsoratra ity dia ampahany manokana amin'ny lahatsoratray mikasika ny Zon’ ireo Vazimba Teratany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.