23 Febroary 2013

Tantara tamin'ny 23 Febroary 2013

Korea Atsimo: Lehiben'ny Polisy Teo Aloha Nogadraina Fa Nanala-Baraka Ny Filoha Efa Nodimandry

  23 Febroary 2013

Nahazo sazy an-tranomaizina 10 volana ilay lehiben'ny polisy Koreana Tatsimo teo aloha noho ny fiampangana lainga nataony tamin'ilay filoha teo aloha efa any amin'ny varo-tsy-mifody izay nolazainy fa manana kaonty miafina amin'ny banky amin'ny anarana sandoka. Tamim-pifaliana no nandraisana ny didy navoakan'ny fitsarana, saingy nitaraina ny sasany tamin'ireo mpisera aterineto fa...

Nahazo Sazy An-tranomaizina 18 Volana Ilay Saodiana Mpanao Fihetsiketsehana

Raha niverina tao Arabia Saodita ny Andron'ny Fahavinirana tamin'ny 11 Martsa 2011, mpanao fihetsiketsehana vitsy dia vitsy ihany no tonga nanao fihetsiketsehana sy nihantsy ny fisian'ireo polisy marobe. Anisan'iray tonga tamin'izany i Khaled al-Johani. Niresaka taminà vondrona mpanao gazety i l-Johani izay notarihan'ny Minisitry ny Kolontsaina sy ny Fifandraisana tao amin'ny toerana...

Andro Eran-tany Ho An'ny Radio 2013

  23 Febroary 2013

Hanamarika ny Andro Eran-tany Ho An'ny Radio nofaritan'ny UNESCO ny 13 Febroary hoavy izao. Ny tanjona kendren''io hetsika io dia ny hampivondronana ireo mpampiely vaovao, mpisolovava, mpamorona, ary ireo tambajotra mba hanandratra sy hankalaza ny radio eran-tany. Mahatsapa ny UNESCO fa ao anaty hamehana dia ny radio no fomba tsara indrindra hampitàna ny vaovao ho any amin'ny vahoaka tena mila izany - ary amin'ny fotoana hafa dia afaka manampy ny vahoaka hiatrika ireo olana miantraika amin'izy ireo isanandro

Naàton'ny Fitsarana Braziliana Ilay Taratasy Fanesorana Ireo Vazimba Teratany Tao Guarani-Kaiowá

  23 Febroary 2013

Nahazo fanohanana goavana tamin'ilay tolona natao hanoherana ny fanalàna azy ireo tamin'ny taniny ilay fanentanana faobe tanaty aterineto izay valin'ilay antso nataon'ireo vazimba teratany ao Guaraní-Kaiowá tao Pyelito Kue ao Mato Grosso do Sul dia. Ny faran'ny volana Oktobra 2012 lasa teo,nanapa-kevitra ny fitsarana ao Brazila ny hanafoana ilay didy fanesoràna azy ireo amin'ny taniny. Na dia izany aza anefa,mbola mitohy ny tolona mandra-panamarika mazava tsara ny faritry ny tanin'izy ireo.