Koety: Bilaogera-Mpaka Sary Norahonana sy Nodarohan'ny Polisy

Nitsahatra amin'ny fikatrohany ilay bilaogera-mpaka sary malaza amin'ny fitantarana ny herisetra mihatra amin'ireo mpanao fihetsiketsehana tsy manan-tanindrazana ao Koety, nanoratra tao amin'ny Twitter izy fa novonoina sy noteren'ireo manampahefana hanao izany.

Mampiasa solon'anarana “حمقان البدون” midika hoe “Bidoune tezitra” (Arabo tsy manan-tanindrazana) izy. Fantatra amin'ny fampiasana sary ahitana ny herisetran'ny polisy misahana ny rotaka mandritra ny hetsik'ireo mpanao fihetsiketsehana tsy manan-tanindrazana ao amin'ny fiarahamonina misy azy izy, sy ny fanaovana lahatsary ao amin'ny YouTube ahitana dikantsoratra amin'ny teny Anglisy. Maro amin'ireo lahatsariny no ampiasan'ireo fahitalavitra satria ny lahatsariny no hany tokana misy sy mitantara ny herisetra mihatra amin'ireo mpanao fihetsiketsehana tsy manan-tanindrazana.

Ny gazety antserasera Alaan no nitatitra voalohany ny momba azy tamin'ny lohateny hoe “Nametra-pialàna ny Minisitry ny fampahalalam-baovao Bedoona.” Nivoaka ity lahatsoratra ity taorian'ny telo volana nisamborana an'ilay mpikatroka Abdulhakim al-Fadhli izay ao anatin'ny fitokonana tsy hihinan-kanina ankehitriny, sazy an-tranomaizina roa taona no azony noho ny fampiasany Twitter hikarakarana sy hanentanana fihetsiketsehana. 7mgan nanoratra ireto sioka ireto tamin'ny 11 Febroary, nanao veloma ny fikatrohana antserasera (cyber-activism):

لا أود الإسهاب بذكر ما حدث وحصل لي من قمع وضرب بسبب إحدى الجهات الحُكومية وتوقيعي على تعهدات وتبصيمي بعدم تصميم أي فيديو

@7MGAN: Tsy handany fotoana amin'ny fitantarana izay zava-nihatra tamiko aho noho ny famoretana sy ny famonoana nataonà sampana iray an'ny governemanta. Nampanaovan'izy ireo sonia mampanantena fa tsy hanatontosa lahatsary intsony aho.

ويعلم الله بأني غيرت الأرقام السرية لقناة اليوتيوب منذ أسابيع وأنا مُغمض العينين لتبقى شاهدةٌ على ما حل بنا من ظُلم وقمع

@7MGAN: Vavolombelon'ity Andriamanitra: Nanova ny teny miafinako tsy ankijery tao amin'ny YouTube aho herinandro vitsy lasa izay,  porofo amin'ny fisian'ny tsy rariny sy ny fampijaliana mahazo antsika izany.

سامحوني يا بدون الكويت ! ويعلم الله أن الضغط فوق طاقتي فلقد وُضعت بزاوية ضيقة جداً وحمقان عاشق المظلومين لن ينساكم أبداً

@7MGAN: Mino aho fa hamela [ny fahadisoako] ireo tsy manan-tanindrazana ao Koety. Tsy sitrapoko izao. Tafiditra anaty toe-draharaha manahirana aho saingy tsy hanadino anareo mandrakizay ity “Bedoona tezitra, naman'ireo nampahoriana ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.