Nahoana no miely be ny sarin'ilay “Miaramilan'ny Fahafatesana”

Nifampizarana sy niparitaka eran'izao tontolo izao ity sary ity hatramin'ny niatombohan'ilay “Bemidina Serval” tao Mali.

 le militaire en opération au Mali porte un foulard avec un imprimé tête de mort

Miaramila frantsay miaraka amin'ny fehin-tenda mikisary karan-doha – Odieux connard – valam-bahoaka

Raha ny marina, dia lasa sariohatra nanamarika ny fiatombohan'ny bemidin'ny miaramila frantsay tao Mali ity sarina miaramila frantsay manao sarondoha miendrika karandoha ity. Fa nahoana ary ity farany no tena nanitikitika ny sain'ireo mpisera aterineto e?

Anton'ny fifandroritan-kevitra

Tao anatin'ny fihetseham-po samihafa ahitana ny fandraisana mafana nataon'ny ankamaroan'ny mponina maliana sy ny fanakianana ho fitsabahan'ny mpanjanaka vaovao no nanombohan’ ity “bemidina serval” ity. Roa no zava-kendrena amin'izany: fiarovana ny mponina ao an-toerana sy famerenana ny tanàna izay teo am-pelatanan'ny djihadista. Izany no  antony manazava fa miatrika fanamby lehibe amin'ny lafiny fampitam-baovao ny tafika frantsay. Nefa dia tokony hisy fanafintohinana tokoa ve amin'ilay fehin-tenda amin'ity ady an-tafika hiteraka ra mandriaka ity? Izay no nomarihin'ilay mpanoratra bilaogy Odieux Connard ao amin'ny lahatsorany, “ilay fehin-tendan'ady”.

Aussi, l’indignation a fait son chemin, et l’un après l’autre, de courageux militants du web se smont sentis dans l’obligation de hurler au scandale et de demander à l’état-major de réagir pour que soit sanctionné l’individu dont le choix d’imprimé sur le foulard le faisait ressembler à « Ghost », personnage portant un passe-montagne à l’imprimé proche et tiré du jeu vidéo « ultra violent » Call of Duty. [..] Heureusement, nombreux ont été celles et ceux à tenter de désamorcer la polémique en affirmant que le militaire ne faisait que « se protéger du sable », ce qui est un argumentaire pertinent, tant en fait qu’il le porte pour se protéger sur sable, du soleil ou même fumer la pipe ne change pas grand chose, le vrai problème étant que visiblement, il y a des gens à qui on a pas dû bien expliquer en quoi consistait la guerre.

Nahazo toerana tsikelikely, ny fahatezerana, ary nahatsiaro ho manan'andraikitra hiteny ireo mpikatroka an-tserasera noho ity fanafintohinana ity sy hangataka amin'ny Etamazaoro mba hanasazy izay olona nanao ity fehin-tenda ka nampitovy azy amin'i “Ghost”, olona iray lalaovina ao amin'ny kilalao lahatsary “faran'izay mahery setra” Call of Duty ireny… Soa ihany moa fa maro ireo nanazava mba tsy hihitaran'ny adi-hevitra amin'ny filazana fa manao izay “hiarovana amin'ny fasika” fotsiny ilay miaramila, izay toa maharesy lahatra ihany. Nefa na manao izany mba hiarovana amin'ny fasika, na masoandro, eny fa na ny setroky ny pipa aza, tsy hanova zavatra firy izany. Ny tena olana, dia hita tsara fa ny tsy fahafantaran'ny olona sasany ny tena dikan'ny ady

Tafalatsaka lalina loatra anatin'ny fandraisana an-tsary an-tsaina ny Ady Obsession with War Imagery Sarin'ady mihitatra

This aggravated focus on the image that the military intervention might project is also annoying to Electrosphère. He writes:Mety manelingelina ny électrosphère (tontolon'ny herinaratra) koa ity tendro amin'ny sary izay azon'ireo miaramila halefa. Hoy izy nanoratra:

Cette image devint vite du pain béni pour une bienpensance de tout poil qui, étrangement, ne trouva rien à redire sur l'arme porté par ce soldat ou sur ses activités quotidiennes. Il est donc utile de rappeler certaines réalités du métier de légionnaire et de la guerre aux moralisateurs 2.0 (et autres bienpensants sous Windows/Android/iOS) qui « veulent en savoir plus mais pas trop », et ce, peu importe que l'on approuve, désapprouve ou questionne l'intervention française au Mali contre les milices djihadistes. On peut sincèrement s'interroger sur les fondements d'une polémique visant un foulard qui susciterait tout au plus de l'indifférence, de l'hilarité, des sarcasmes ou de l'admiration dans la cour d'un lycée à Paris ou lors d'un vernissage à Lyon. Je suis d'autant plus frappé que la hiérarchie militaire (dans des bureaux feutrés et chauffés/climatisés à Paris) veut infliger des sanctions à ce soldat

Toy ny vorona azon'adala [mofo voatahy hoy ny teny frantsay] ho an'ireo rehetra te-hiseho ho tsara saina rehetra ity sary ity izay, mahagaga ihany, fa tsy mahita holazainao momba ny fiadiana entin'ilay miaramila na ny asa fanaony andavanandro. Noho izany, fotoana mety izao hampatsiahy ireo zava-nisy sasany amin'ny asan'ny miaramila mpanafika sy hilaza izany hoe ady izany amin'ireo be fananarana 2.0 (sy ny olona sasany te-hiseho ho tsara saina mampiasa  Windows/Android/iOS) ka te “hahafantatra bebe kokoa, fa tsy be loatra, ka na ekena na tsia na hanontaniana indray ny fitsabahan'ny [miaramila] frantsay ao Mali hiady amin'ireo milisy djihadista. Tokony mba hanontany tena tokoa ny amin'ny fototr'izy fifandiran-kevitra amina fehin-tenda (folara) izay tsy hiteraka mihoatra ny tsy firaharahiana, tokelaka, tarehy ratsy na hahavariana any amin'ny lisea iray any Paris, na mandritra ny fanokanana fampirantiana iray any Lyon. Tena gaga aho raha te-hanasazy ilay miaramila ny ambaratongan-drafitra ara-tafika.”

Mangataka i Aurélien Legrand mba tsy ho mora mora taitaitra loatra amin'izay mety ho sariohatra ratsy hita amin'ny aterineto ny olona:

Ce qui me dépite le plus, c’est l’épidermisme réactionnel, les torrents de bonnes pensées déversés aussi sec sur le Net avec une élaboration qui aurait bénéficié d’un peu de maturation. [..] Notre environnement culturel ne nous aide pas. Lors de la prise d’otages d’In Amenas, il fut lâché sur les chaines d’informations des vidéos prises au téléphone portable, et ce en un temps record. Images désertiques, corps abattus.. [..] On veut de l’info, on veut que ça claque, mais pas trop quand même.

Ny tena mahasorena ahy, dia ny valy bontana fanao, Atsipy maina fotsiny izao amin'ny aterineto ny eritreritra tsara tokony mila fikarakarana kely mba hahazo fahamatorana kely. […] Tsy manampy antsika ny tontolo ara-kolontsaintsika. Nandritra ny fakana an-keriny tao In Amenas, dia nivoaka tamin'ny fantsom-pampahalalam-baovao, tao anatin'ny fotoana fohy dia fohy, ny horonantsary nalaina tamin'ny finday. Sarin'ny tany hay, vata-mangatsiaka maro … Ilaina ny filazam-baovao, tiantsika hanakoako izany, kanefa aoka mba tsy ho tafahoatra kosa.

Indrisy fa mbola mety haharitra ny ady ao Mali. Mahaliana araka izany ny fanaraha-maso raha hahahoatra ny adi-hevitra momba ny fitafin'ireo mpiady ny adihevitra momba momba ny zava-mitranga ka hitodihana amin'izay amin'ny tombotsoa tafiditra sy ny ny akony eo amin'ny mponina ao an-toerana

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.