Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mitatitra amin'ny firenena 167 izahay. Mandika amin'ny fiteny 35 izahay. Izahay (Isika) no Global Voices.

Mihoatra ny 800 izahay manerantany no miasa miaraka hitondra vaovao tsy dia fahitanao loatra. Saingy tsy afa-manao izany samirery izahay. Fa na dia mpilatsaka an-tsitrapo aza ny ankamaroanay, dia mbola mila ny fanampianao hatrany hanohana ny tonia, ny mpahay teknolojia, ny tetikasa fanentanana sy fiarovana, ary ireo mpisahana lanonana (fivoriana) avy ato aminay.

Mandraisa anjara ary ankehitriny »
GlobalVoices anaty

Sambany Mpitondra Jadona Afrikana Teo Aloha Tsaraina ato Amin'ny Kaontinanta ihany

Nanokatra ny varavarany ao Dakar, Sénégal, ny fitsarana natsangana hitsara an'i Hissène Habré, filohan'i Tchad teo aloha. Hatramin'ny 1999 ny Human Rights Watch no niara-niasa tamin'ireo lasibatry ny mpitondra jadona tao Tchad teo aloha mialokaloka [any Sénégal], ahafahana mitory azy any amin'ny fitsarana.

Hissen Habré - capture d'écran d'une vidéo d'euronews sur youtube

Hissen Habré – pikantsary tamin'ny lahatsarin'i euronews ao amin'ny youtube

Ao amin'ny habaka France-Rwanda Tribune isika no mahita ny fanokafana ny fitsarana manokana hitsara an'i Hissène Habré :

Nanokatra ny fitsarana manokana hitsara ny filoha Tshadiana teo aloha Hissène Habré i Sénégal tamin'ny zoma [8 febroary] .

Ny lahatsoratra Sénégal: Fanokanana ny fitsarana manokana hisahana ny fitsarana an'i Hissène Habré no manome antsipirihany kokoa :

«Voampanga ho namono olona an'arivony noho ny resaka politika sy ny fampiasana fampijaliana ho toy ny fahazarana nandritra ny fotoana nitondrany an'i Tchad tanlenalenan'ny taona 1982 sy ny taona 1990 i Habré. Efa mihoatra ny 22 taona no nialokalofan'i Habré tany Sénégal.

Ao amin'ny Sambany, mitsara Afrikana i Afrika no hamakiantsika :

Sambany eto Afrika no misy filoha afrikana teo aloha no hotsaraina any amin'ny firenena Afrikana hafa, efa nanome alalana hitadiavana vahaolana Afrikana amin'ny olana Afrikana ny Firaisambe Afrikana (UA).

Nanamarika ny mpanolo-tsaina eo amin'ny sehatry ny lalàna ao amin'ny Firaisambe Afrikana (UA) Djenna Diarra fa «Zava-dehibe, tsy ho an'i Sénégal fa ho an'i Afrika ny raharaha Hissène Habré. Ahafahan'i Afrika mitsara ny Afrikana.

Raha eo amin'ny tsy fitongilanana indray, eo ny mety isian'ny tsindry avy amin'i Idriss Déby izay efa niray toby taminy tao amin'ny afika sady filohan'i Tchad amin'izao fotoana, ao amin'ny Fitsarana an'i Hissène Habré mamaly momba izany ny mpitantana ao amin'ny Fitsarana Afrikana :

«Samy manana fahafahana tanteraka amin'ny fomba hanaovany famotorana ao anatin'ny fari-tsisintanin'i Tchad na ny fampanoavana na ny fiarovana. Fepetra tsy azo ivalozana io mba ahafahana mampizotra tsara ny fotoam-pitsarana, hotandremanay manokana ny amin'izany»

«Hohajaina ny zon'ny fiarovana . Manan-jò hahazo toro-hevitra ny voampanga. Halalaka ny fanaovan'izy ireo ny famotorana. Ry zareo no [hitady] ny vavolombelony tsirairay avy….»

Iverenantsika ny Sambany, mitsara Afrikana i Afrika izay manohy :

Raha eo amin'ny kalitao sy ny tsy fitongilanan'ny mpitsara, mazava tsara ihany koa ny filazan'i Djenna Diarra: «Efa nosaininay ny mety ho manahirana fandrao tsy mijery mahitsy tsara ny rafi-pitsarana senegaly ka izay no nitondranay ilay kasinga iraisampirenena. …Hisy mpitsara avy any Afrika Faritra Afovoany, Afrika Faritra Atsimo ary faritra hafa amin'ny fotoam-pitsarana manokana manaraka.

« Tsy hamorona indray ny kodiarana izahay. Fa tsy maintsy notadiavina ny rafitra mba tsy miangatra kokoa sy mba mangarahara kokoa. Ka noheverinay fa ny raiki-pohy tsara indrindra dia ny toy izay najoro tany Kambodza (nentina nitsara ireo mpitarika ny Khmers rouges, ndlr). Nahafahana niantoka manontolo ny maha-fitsarana izay voaantoka ny fiarovana ny raiki-pohy».

Mamelabelatra ny rafitra napetraka sy ny fombafomba anatontosana azy ny lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe Hissène Habré miatrika fitsarana, fotoana manan-tantara ho an'i Afrika :

Ireo mpitsara 10 sy mpampanoa lalàna efatra, notendren'ny vondrona Afrikana, mandrafitra io fitsarana io manomboka izao no hisahana ny famotorana haharitra dia haharitra momba ny raharaha Habré. Tsy ho hita eo anoloan'ny fitsarana mialoha ny faran'ny taona 2014 anefa i Hissène Habré, araka ny fanombanan'i Reed Brody. « Tsy mbola hotontosaina ao anatin'ny fotoana fohy ny fitsarana fa mba efa manomboka ny fanaovana ny fombafombam-pitsarana, izay efa tsy saiky nantenaina intsony », hoy ny fanombanan'ny mpanolo-tsaina ara-pitsaran'ny Human Rights Watch. … « Mino aho fa hipetraka ho tantara ho an'i Tchad sy ho an'i Afrika ity fitsarana ity. Hasehony fa na ny olo-tsotra lasibatra aza, noho ny hetsika sy ny fikirizana nananan'izy ireo dia afa-mitondra mpanao jadona iray hotsaraina »

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.


Renim-paritra manerantany

Firenena

Teny

Lohahevitra Manokana

Lahatsoratra miaraka amin'ny