- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Vitan'ny Artista Bangladeshi Sariitatra Ny Hetsi-Panoherana ao Shahbag

Sokajy: Azia Atsimo, Bangladesh, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Hevitra, Mediam-bahoaka, Tanora

Mandroandroatra hatraty amin'ny andro faha-12 ny hetsi-panoherana [1] ao amin'ny kianja Shahbag ao an-drenivohitr'i Bangladesh, izay itakian'ny olona an'arivony mivory ao [2] ny fahafatesan'ireo meloka an'ady.

Isan'andro no itakian'ireo olona an-jatony, tanora na antitra, avy amin'ny finoana sy lokom-bolonkoditra isan-karazany ny fanantonana ireo nahavita famonoam-bahoaka, fanolanana, fakana an-keriny, ary heloka hafa manapotika ny mahaolona [3] nandritra ny adim-panafahana tamin'ny 1971. Nihoara ny kianjan'i Shahbag [4] ny hetsika ka nahatrarta an'i Chittagong, Rajshahi, Khulna, Sylhet, Mynmensingh, Rangpur, ary ny faritra hafa ao amin'ny firenena.

Tsy reraka amin'ny fanaovana izay mampalaza hiaka, hira ary teny filamatra ny kianja. Mandritra ny alina ny mpanao fihetsiketsehana no manangana fiareta-tory miaraka amin'ny labozia, hira, tononkalo, hira sy fampirantiana sarimihetsika momba ny adim-panafahana ary ny fampirantiana sariitatra.

Artista maro valalanina amin'ilay hetsika no nandray penina tsy satry haka an-tsary ny hetsika ao Shahbag amin'ny alalan'ny sariitatra. Below are some of the cartoons that they have shared on Facebook.

Ashim Chandra Ray [5], mpanao tantara an-tsary avy ao amin'ny gazety-koly malaza Unmad [6] ao Bangladesh, nandoko ity tsangan'asa ity [7]:

Asim Chandro Roy [7]

Artista Niaz Chowdhury Tuli [8] avy ao amin'ny gazety mivoaka isan'andro Prothom Alo namoaka sariitatra [9] manoritsoritra ny tanan'ny fitsarana:

Niaz Chowdhury Tuli [9]

Mehedi Haque [10] avy ao amin'ny gazety New Age nandoko ity sariitatra ity [11]:

Mehedi Haque [11]

Mpanao tantara an-tsary Nazmul Masum [12] izay miasa ao amin'ny gazety mivoaka isan'andro Kaler Kantho. Iray amin'ny hosotra nataony [13]:

Nazmul Masum1 [13]

Ny mpanao sariitatra Shikha [14] dia miara-miasa amin'i Rosh+Alo, hatsikana avy amin'ny pejy fanampiny ao amin'ny mpivoaka isan'andro Prothom Alo, nandoko ity [15]:

Shikha [15]

Tsangan'asa [16]n'ilay mpanao sariitatra Biplob [17]avy amin'ny mpivoaka isan'andro Kaler Kantho, tao amin'ny pejy nasosoka nanahitana ny sarin'i Ghorar Dim:

Biplob [16]

Zunayed Azim Chowdhury [18], mpikatroka an-tserasera sy mpanao sariitatra avy amin'ny gazety mivoaka isan'andro Prothom Alo ka hita ao amin'ny pejy fanampiny Rosh+Alo, ka nivazivazy tamin'ity iray ity:

Zonaid Azim Chowdhury [19]

Tsy voatery any amin'ny gazety avokoa no ahitana ny sariitatra rehetra. Ireto artists ireto izao nanoritra sariitatra teo amin'ny rindrin'ny kianja Projonmo:

Nazmul Masum [20]

Nahazoana alalana avy amin'ny artista tsirairay avy ny sariitatra nivoaka amin'ity tsanganana ity.