- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nosamborina fa Voampanga Noho ny Fanarahana ny “Mpaka Fanahy” Ilay mpisera Twitter Saodiana

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Arabia Saodita, Fahalalahàna miteny, Lalàna, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona

Nosamborina indray i Bader Thawab [1], mpisera Twitter Saodiana tamin'ny volana Septambra 2012 satria nanoratra sioka miantso ho amin'ny fanonganana ny fitondram-panjaka Saodiana. Anisan'ireo nandefa sioka mivantana ny fandehan'ny fangalana am-bavany fohy voalohany nandritra ny [2]fotoam-pitsarana [2]n'ny Fikambanana Saodiana miaro ny Zo sivily sy politika (ACPRA) izy.

Niezaka ny hahazo ny dika mitovy amin'ny fiampangana azy ny mpanao gazety Iman al-Qahtani [3].

Hoy izy nisioka [ar]:

سأقوم بنشر لائحة الإتهام ضد المعتقل #بدر_ثواب لاحقا وهي عبارة عن صفحتين وصلتني عن طريق التسريب وبصعوبة شديدة

@ImaQh [4]: Ho alefako eo avy eo ny lisitr'ireo fiampangana hanenjehana an'i Bader Thawab. Pejy roa no misy azy ka somary sarotsarotra ny hahazo ireo dika tafaporotsaka.

The first page of the charges, via @ImaQh [5]

Ny pejy voalohany tamin'ireo fiampangana, via @ImaQh [6]

Androany izy no nandefa ireo pejy roa (pejy voalohany [7] sy faharoa [8]). Toy izao ny fehin'ny famotopotorana [ar]:

وبمواجهته أنه ورد في حسابه في التويتر عبارة (يسقط آل سعود) وما قصد منها ولماذا قام بكتابتها، أفاد بأنه فعلا قام بكتابتها في حسابه في التويتر، وأنه يقصد منها أن يسقط كنظام حكم لا كأفراد عائلة حيث أنه لا يؤيد نظام ولاية العهد وتوريث الحكم وأفاد أنه يتابع أشخاصا منهم د. المسعري ود. عبد الله الحامد ود. محمد القحطاني.

..ary raha nanontaniana momba ny zavatra nolazainy tao amin'ny kaonty Twitter-ny: “miala ny fitondram-panjaka Saodiana,” sy ny zavatra tiany lazaina ary ny antony nanoratany izany izy, dia nilaza fa tena nataony tao amin'ny Twitter-ny izany ary ny firodanan'ny fitondrana no tiany ambara, fa tsy ny fianakaviana, satria tsy zakany ny [fisian'ny] mpanjaka mpandova sy ny fandovana fitondram-panjaka ary nilaza izy fa manaraka olona ao amin'ny Twitter, anisan'izany i Dr. al-Masari [9], Dr. Abdullah al-Hamid [10] sy Dr. Mohammad al-Qahtani [11].

Mpanohitra politika avokoa ireo telo ireo. Ny voalohany dia i al-Masari [12], izay nitsoa-ponenana nanomboka tamin'ny 1994. Ny roa hafa kosa dia anisan'ireo mpiara-manorina ny ACPRA.

Voampanga ho:

بكتابة عبارات في موقع التواصل الاجتماعي (تويتر) فيها إثارة وشق للوحدة ومتابعة مثيري الفتنة ومخالفة ولي الأمر.

nanoratra fanambarana tao amin'ny habaka media sosialy Twitter izy izay manakorontana ny saim-bahoaka sy manohintohina ny firaisam-pirenena ary voampanga ho manaraka ireo mpanao ratsy sy mihantsy ny fitondrana izy.

Nangataka ny fampiharana ny andininy faha-6 momba ny lalànan'ny Cybercrime [13] [ar] [heloka bevava an-tserasera] ny mpampanoa lalàna, izay sazy toy izao:

يعاقب بالسجن مدة لا تزيد على خمس سنوات وبغرامة لا تزيد على ثلاثة ملايين أو بإحدى هاتين العقوبتين

Sazy an-tranomaizina mety ho tafakatra hatramin'ny 5 taona sy onitra mety ho tafakatra Telo tapitrisa riyals [~800,000USD], na ny iray amin'ireo sazy ireo ihany.