Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mitatitra amin'ny firenena 167 izahay. Mandika amin'ny fiteny 35 izahay. Izahay (Isika) no Global Voices.

Mihoatra ny 800 izahay manerantany no miasa miaraka hitondra vaovao tsy dia fahitanao loatra. Saingy tsy afa-manao izany samirery izahay. Fa na dia mpilatsaka an-tsitrapo aza ny ankamaroanay, dia mbola mila ny fanampianao hatrany hanohana ny tonia, ny mpahay teknolojia, ny tetikasa fanentanana sy fiarovana, ary ireo mpisahana lanonana (fivoriana) avy ato aminay.

Mandraisa anjara ary ankehitriny »
GlobalVoices anaty

Nosamborina fa Voampanga Noho ny Fanarahana ny “Mpaka Fanahy” Ilay mpisera Twitter Saodiana

Nosamborina indray i Bader Thawab, mpisera Twitter Saodiana tamin'ny volana Septambra 2012 satria nanoratra sioka miantso ho amin'ny fanonganana ny fitondram-panjaka Saodiana. Anisan'ireo nandefa sioka mivantana ny fandehan'ny fangalana am-bavany fohy voalohany nandritra ny fotoam-pitsaranan'ny Fikambanana Saodiana miaro ny Zo sivily sy politika (ACPRA) izy.

Niezaka ny hahazo ny dika mitovy amin'ny fiampangana azy ny mpanao gazety Iman al-Qahtani.

Hoy izy nisioka [ar]:

سأقوم بنشر لائحة الإتهام ضد المعتقل #بدر_ثواب لاحقا وهي عبارة عن صفحتين وصلتني عن طريق التسريب وبصعوبة شديدة

@ImaQh: Ho alefako eo avy eo ny lisitr'ireo fiampangana hanenjehana an'i Bader Thawab. Pejy roa no misy azy ka somary sarotsarotra ny hahazo ireo dika tafaporotsaka.

The first page of the charges, via @ImaQh

Ny pejy voalohany tamin'ireo fiampangana, via @ImaQh

Androany izy no nandefa ireo pejy roa (pejy voalohany sy faharoa). Toy izao ny fehin'ny famotopotorana [ar]:

وبمواجهته أنه ورد في حسابه في التويتر عبارة (يسقط آل سعود) وما قصد منها ولماذا قام بكتابتها، أفاد بأنه فعلا قام بكتابتها في حسابه في التويتر، وأنه يقصد منها أن يسقط كنظام حكم لا كأفراد عائلة حيث أنه لا يؤيد نظام ولاية العهد وتوريث الحكم وأفاد أنه يتابع أشخاصا منهم د. المسعري ود. عبد الله الحامد ود. محمد القحطاني.

..ary raha nanontaniana momba ny zavatra nolazainy tao amin'ny kaonty Twitter-ny: “miala ny fitondram-panjaka Saodiana,” sy ny zavatra tiany lazaina ary ny antony nanoratany izany izy, dia nilaza fa tena nataony tao amin'ny Twitter-ny izany ary ny firodanan'ny fitondrana no tiany ambara, fa tsy ny fianakaviana, satria tsy zakany ny [fisian'ny] mpanjaka mpandova sy ny fandovana fitondram-panjaka ary nilaza izy fa manaraka olona ao amin'ny Twitter, anisan'izany i Dr. al-Masari, Dr. Abdullah al-Hamid sy Dr. Mohammad al-Qahtani.

Mpanohitra politika avokoa ireo telo ireo. Ny voalohany dia i al-Masari, izay nitsoa-ponenana nanomboka tamin'ny 1994. Ny roa hafa kosa dia anisan'ireo mpiara-manorina ny ACPRA.

Voampanga ho:

بكتابة عبارات في موقع التواصل الاجتماعي (تويتر) فيها إثارة وشق للوحدة ومتابعة مثيري الفتنة ومخالفة ولي الأمر.

nanoratra fanambarana tao amin'ny habaka media sosialy Twitter izy izay manakorontana ny saim-bahoaka sy manohintohina ny firaisam-pirenena ary voampanga ho manaraka ireo mpanao ratsy sy mihantsy ny fitondrana izy.

Nangataka ny fampiharana ny andininy faha-6 momba ny lalànan'ny Cybercrime [ar] [heloka bevava an-tserasera] ny mpampanoa lalàna, izay sazy toy izao:

يعاقب بالسجن مدة لا تزيد على خمس سنوات وبغرامة لا تزيد على ثلاثة ملايين أو بإحدى هاتين العقوبتين

Sazy an-tranomaizina mety ho tafakatra hatramin'ny 5 taona sy onitra mety ho tafakatra Telo tapitrisa riyals [~800,000USD], na ny iray amin'ireo sazy ireo ihany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.


Renim-paritra manerantany

Firenena

Teny

Lohahevitra Manokana

Lahatsoratra miaraka amin'ny