- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nampanotany Tena ny Eran'ny Aterineto Ny Tweet Mifono Hevi-Dalin'ilay Politisiana Tao Arzantina

Sokajy: Amerika Latina, Arzantina, Hehy, Mediam-bahoaka, Politika
Dr. Hermes Binner - foto: Laura Schneider

Dr. Hermes Binner – Photo: Laura Schneider

Nisioka tambatarehimarika misitery tao amin'ny kaonty Twitter-ny ny filohan'ny Antoko Sosialista [1] tany Arzantina sady efa nanao kandidà ho filoham-pirenena tamin'ny fifidianana farany indrindra teo, ny Dr. Hermes Binner [2].

Efa voakosoka ilay tweet (sioka), saingy namoaka ny sarin'ilay hafatra ny mpampita vaovao tao an-toerana, tahaka ny Infobae [3] [en]:

Un tipeo sin sentido, sólo con las letras “Obvnzfhnhxds” llevaron a Hermes Binner a convertirse en Trending Topic global, el tema más comentado en la red social twitter en el mundo la tarde de este jueves.

tendry tsy misy dikany, ny tarehintsoratra hoe “Obvnzfhnhxds” no nampalaza an'i Hermes Binner teo amin'ny sehatra manerantany, lohahevitra be mpiresaka teo amin'ny tambajotran-tserasera Twitter teto amin'izao tontolo izao nandritra ny andron'ny Alakamisy [14 Febroary].

Hatreo, nanomboka tamin'ny hafatr'i @HermesBinner [4], niezaka hahatakatra izay ambaran'ny sioka #Obvñzfhnhxds [5], ny mpisera Twitter Arzantiniana, tahaka an'i Wascapp (@MatiRiedel [6]) izay nanoratra [7] [es] hoe:

@MatiRiedel [7]: Dicen q. si decís #Obvñzfhnhxds [8] 3 veces frente al espejo, te aparece Binner y el gato que tiene en la cabeza te salta a la cara y te asfixia

@MatiRiedel [7]: Efa voateny fa raha miteny #Obvñzfhnhxds [8] in-telo eo anoloan'ny fitaratra ianao, dia hipoitra i Binner ary hitsambinkina hihoatra ny lohany ny saka ka hahazo ny tavanao dia hanempotra anao.

Araka ny [hevitry] Relatos del Presente (@RelatoDPresente [9]), ilay sioka no fomba iray hahazoana ny mpifidy [10] [es]:

@RelatoDPresente [10]: Está bien que @HermesBinner [4] quiera conquistar al electorado ultrakirchnerista, pero con esto de #Obvñzfhnhxds [8] se pasó de rosca [se pasó de la raya].

@RelatoDPresente [10]: Tsy maninona raha izay no itadiavan'i @HermesBinner [4] ny fon'ny mpifidy tsy azo hozongozonina kirchnerista, saingy lasa lavitra loatra izy tamin'ilay #Obvñzfhnhxds [8].

Nicolás Lichtmaier (@Niqueco [11]) nanolo-kevitra [12] [es] ny hanaovana diabe miaraka amin'ny sora-baventy sy ny tenifahatra #Obvñzfhnhxds [5]. Etsy ankilany indray ny mpanao gazety Jorge Lanata (@lanataenel13 [13]) niteny hoe (efa voakosoka ilay sioka amin'izao fotoana izao):

@lanataenel13 [14]: Ustedes se ríen, pero #Obvñzfhnhxds [8] es lo más inteligente que le he escuchado a Binner en años…

@lanataenel13 [14]: Mihomehy daholo ianareo rehetra, nefa #Obvñzfhnhxds [8] no zavatra mety indrindra henoko avy amin'i Binner tao anatin'izay fotoana lavalava izay…

Ao anatin'ny hafatra voakirakira, somary nanopy maso amin'ny fetin'ny mpifankatia i @lelulandia [15] tamin'ny fisiahana [16] [es]:

@lelulandia [16]: Entre tanta boludez romántica, lo más interesante que leí el día de hoy es#Obvñzfhnhxds [8].

@lelulandia [16]: Ao anatin'ity fahadalàna mampihetsi-po ity, ny zavatra nahaliana ahy indrindra androany dia #Obvñzfhnhxds [8].

Farany, namehy tao amin'ny kaonty Twitter [4] i Hermes Binner:

@HermesBinner [17]: Errar es humano, perdonar es divino. Gracias por estar tan atentos #Obvñzfhnhxds [8]

@HermesBinner [17]: Fahadisoana mahazo olombelona, avy amin'Andriamanitra ny famelana. isaorana ianareo rehetra tamin'ny fanaraha-maso akaiky nataonareo. #Obvñzfhnhxds [8]

Nihoatra ny fari-tsisintanin’ [5] [es] i Arzantina ilay fironana.