Hong Kong : Mafàna Fo Nogadraina Noho Ny Fandoroana Sainam-Pirenena Shinoa

Voaheloka  sivy volana an-tranomaizina, tamin'ny Alakamisy, ilay mafàna fo avy any Hong Kong, noho ny nandoroany sy ny nandrovitany ny sainam-pirenena Shinoa sy sainam-pirenena Hong Kong nandritra ny hetsika in-droa miantoana nanoherana ny governemanta kaoministy ny tanibe, nanaitra ireo maro mpiserasera amin'ny aterineto hampiakatra ny fanivaivàny ny sainam-pirenena Shinoa amin'ny nahim-pony ho fanoherana ilay sazy mavesatra.

Vesatra efatra no nanenjehan'ny fitsaran an'i Koo Sze-yui, ilay mpiaro ny zon'olombelona, tamin'ny 7 Febroary 2013, noho ny fanimbazimbany ny sainam-pirenena Shinoa. Fotoana fohy taorin'izay dia nosamborin'ny mpitandro filaminana tao Hong Kong ny mpiserasera iray amin'ny aterineto izay nampakatra ny sarin'ilay sainam-pirenena Shinoa rotidrotika tao ami'ny vovonan'ny haino aman-jery sosialy. Hatramin'ny 3 taona an-tranomaizina sy lamandy 50.000 dolara HK (eo ho eo amin'ny 7.000 dolara amerikana) no sazy henjana ho an'ny fanimbazimbàna sainam-pirenena.

Mafàna fo fanta-daza i Koo Sze-yiu izay mitsikera ny fitàntanan'ny Shinoa ny raharaha zon'olombelona, nefa niady im-betsaka ihany koa ho an'ny fahazoan'i Shina ny Nosy Diaoyu tamin'ny Japoney. Mikasika fikomiana roa samy hafa ny fanenjehana azy : tamin'ny volana jona 2012 nodoran'i Koo teo ivelan'ny Biraom-Pifandraisan'ny Governemantam-Bahoaka Foibeany Hong Kong ny sainam-pirenena Shinoa ho fanoherana ny fikarakaràna ny famonoan-tenan'i  Li Wangyang ilay Shinoa mpanohitra, ary tamin'ny 1 Janoary , dia hita nanofahofa sainam-pirenena Shinoa misy X lehibe sy sainam-pirenen'i Hong Kong misy lavadavaka i Koo.

Endrika politika ny sazy an-tranomaizina izay mitarika ny fikororosin'ny fahaleovantena araka ny lalàna ny any Hong Kong manoloana an'i Shina. Maro no nitsikera ny fanapahan-kevitry ny fitsaràna , ary mihevitra fa fomba fanehoan'ny governemanta Shinoa indray ny fahambonian'ny fahefany any Hong Kong amin'ny alàlan'ny famoretana ny mponina ireo raharaha roa ireo.

Notanisain'ny bilaogera hkwolf ny trangam-pitsaràna any Amerika mba hanindriana mafy fa ny fanamelohana  amin'ny fanimbazimbàna sainam-pirenena dia mifanohitra amin'ny zon'olombelona :

有人說,由於國旗代表國家統一和民族團結,所以不可隨便褻瀆。美國大法官William J. Brennan, Jr.的判詞就是最好的解答:「政府不能僅僅因為一個思想被社會視作冒犯,不能接受,就禁止人們表達這種思想。對此原則,我們不承認有任何例外,即使被冒犯的是我們的國旗。」身為一個自由和獨立的人,我們有擁戴國家的自由,也應該有討厭國家的自由。既然我們有權厭惡國家,當然也應有權用任何不妨礙他人的方法表達對國家的厭惡。單單因為一班愛國人士看不過眼,就剝奪他們表達想法的權利,絕不公道。

Miteny ny sasany fa tsy tokony ho zimbazimbaina ny sainam-pirenena satria izy no mariky ny firaisankina sy ny maha iray ny firenena. Ny didim-pitsaràna navoakan'ny Mpitsara ao amin'ny Fitsaràna Tampony Amerikana William J. Brennan, ho an)i Jr. no valin-teny mendrika indrindra  ho an'ny fiheverana tahaka izany :tsy tokony ho sakanan’ny governemanta ireo olona izay maneho hevitra  izay heverina fa tsy azon’ny fiaraha-monina  ekena sy hajaina. Tsy tokony hisy fanavahana ny fampiharana io foto-kevitra io na dia ny sainam-pirenentsika aza no voazimbazimba. Mahaleotena ny tsirairay ary manana ny sitrapony manokana. Malalaka isika mba hitia na hankahala ny tanindrazantsika. Raha manana fahalalahana hankahala ny tanindrazantsika isika, dia tokony ho tia ny fahalalahan’ny fanehoan-kevitra, amin’ny tsy fanelingelenana ny hafa.  Tsy voamarina mihitsy [ ho an’ny fitsaràna] ny fangejàna ny fahafahan’ny tsirairay haneho hevitra malalaka satria misy ampahan’olona  tia tanindrazana mahatsiaro ho voatohitohina amin'ny karazana fanehoan-kevitra toy izany.

 

Mpiserasera maro amin'ny aterineto no nampiakatra sary araka ny nahim-pony ary nantsoiny hoe ” fanimbazimbana” ny sainam-pirenena Shinoa, ho fanehoan'izy ireo ny tsy hafaliany. Nampiakatra sainam-pirenena, izay  nataon'ny mpampiasa ny  Hong Kong Golden Forum tamin'ny taona lasa tao amin'ny Facebook-ny  ary nanasa ny mpitandro filaminana hisambotra azy i Kursk Edward :

A protest image against the arrest of netizen for flag desecration by Kursk. Permission to use.

Sary nampakarin'i  Kursk Edward ao amin'ny Facebook.

Nanova ny pejy misy ny dokany ao amin'ny Facebook ny inmediahk.net hanehoana sainam-pirenena Shinoa iray tsy misy kintana fa sarinà foza, izay mariky ny sivana any Shina :

The image of crab stands for censorship in China. inmediahk.net's Facebook page banner.

Maneho ny sivana any Shina ny sarinà foza. Avy amin'ny pejin'ny Facebook inmediahk.net.

Nitatitra ny vaovao momba ny sazy an-tranomaizin'i Koo Sze-yiu ny Picnews miaraka amin'ity sary ity, izay hamakiana ny sivy volana an-tranomaizina noho ny fanimbazimbana sainam-pirenena :

PicNews's photo report at its Facebook page.

Tatitra an-tsary PicNews ao amin'ny pejin'ny Facebook-ny.

Nizara sarinà sainam-pirenena Shinoa rovitra nahantona teo ivelan'ny masoivohon'i Shina any Kanadà ny Talk Hong Kong ho mariky ny fanoherana. Sary nampiakarinà Kanadiana iray :

Talk Hong Kong invites likeminded people to share this image in Facebook.

Talk Hong Kong manasa ireo olona mitovy hevitra mba hizara ity sary ity ao amin'ny Facebook.

Passion Times, vovonana haino aman-jerin'olon-tsotra , no nanaparitaka ity sary nataon'i Calvin Lan ity, miaraka amin'ireo vaovao momba ny fisamborana ireo mpiserasera amin'ny aterineto noho ny faniimbazimbàna sainam-pirenena :

The Chinese word replacing the star image means "communism". Image designed by Calvin Lan and published in Passion Times. Permission to use.

Ny teny Shinoa nasolo ny kintana dia midika “kaominisma”. Nataon'i Calvin Lan ary naparitaka ao amin'ny  Passion Times. Ampiasaina rehefa nahazoana alàlana

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.