Paragoay Taorian'ny Fahafatesana Tampoky Ny Mpifaninana Ho Fidiana Ho Filoha, Lino Oviedo

Maty tamin'ny 2 Febroary 2013, i Lino César Oviedo, ilay Jeneraly  Paragoaianina misotro ronono sady mpanao politika izay nanongana an'i Alfredo Stroessner mpanao didy jadona, rehefa nianjera tany avaratr'i Asunción ilay angidimby (helikoptera) nandehanany. Maty tamin'izany ihany koa ny mpanamory azy sy ny mpiambina azy.

Lino Oviedo

Lino Oviedo sy ny Filoha Paragoaiana  Fernando Lugo. Sary nalaina tamin'ny 2012, avy amin'ny mpampiasa Flickr  Fernando Lugo Mendez (CC BY-NC-SA 2.0).

Izao no tatitra nataon'ny bilaogy La Oveja 100 [es] tamin'ny Alatsinainy 4 Febroary :

El helicóptero en el que viajaba Lino César Oviedo fue ubicado hoy (03.02.2013) en una zona rural de Paraguay, al norte de Asunción, con los cuerpos de sus ocupantes “calcinados”, informó la radio 780 am de Asunción. “Una persona del círculo más cercano al entorno del candidato presidencial confirmó la muerte”, dijo esa emisora.

Hita androany (3 Febroary 2013) tany ambanivohitr'i Paragoay, avaratr'i Asunción, miaraka amin'ny vatan'ireo mpandeha “efa kila sy lavenona” ilay helikoptera nandehan'i Lino César Oviedo, araka ny tatitra nataon'ny radio 780 am avy any Asunción. “Olona avy ao amin'ny vondrona akaiky ilay mpifaninana ho fidiana ho filoha no nanamarina ny fahafatesany”, araka ny fanambaràn'ilay radio.

Nitarika ny National Union of Ethical Citizens (UNACE, araka ny anarany amin'ny teny Espaniola ) i Oviedo, ary nilatsaka ho fidiana ho filoha amin'ny fifidianana solombavambahoaka izay hatao ny 21 Aprily 2013. Io no fifidianana fahaenina ao amin'ny firenena hatramin'ny fanonganam-panjakana izay namarana ny didy jadona tamin'ny Febroary 1989.

Mahakasika izany, dia nanao fanadihadiana fohy momba ny politika Paragoiana ny bilaogy E'a Periódico de Interpretación y Análisis taorian'ny fahafatesan'i Oviedo :

Sin duda, Oviedo jugó un rol importante en el golpe del 2 y 3 de febrero de 1989, […] pero un momento de valor no convierte a nadie en héroe, menos cuando en vez de valentía lo que probablemente había era temeridad o cuando el momento podría haber reflejado estrictas desavenencias por intereses espurios en el seno del poder dictatorial.

El heroísmo implica conductas sostenidas que marcan historias positivas; intentar convertir en héroe a quien no las ha tenido sólo puede sonar a oportunismo de quienes, como aves de rapiña, sobrevuelan sobre los restos… Vergonzoso intento de algunos sectores políticos de quedarse con los votos de Oviedo para el 21 de abril.

Tsy isalasalàna, fa nitàna anjara goavana i Oviedo tamin'ny  fanonganam-panjakana tamin'ny 2 sy 3 Fabroary 1989 […] nefa ny fahavitrihana tamin'ny fotoan'andro dia tsy mamaritra ny olona iray ho mahery fo, fa indrindra raha tokony ho fahavitrihana nefa mety ho tsy fitandremana no nisy, na mety ho taratry ny tsy fifankahazoana hanjana noho ireo sarintsarin-tombontsoa ao anatin'ny fitondràna jadona ilay fotoana.

Ny faherezam-po dia midika fitondran-tena maharitra izay manamarika tantara tsara ; ny fanandramana hanao olona iray ho mahery fo nefa tsy manana ireny tantara tsara ireny dia angamba tahaka ny fanararaotana ataon'ireo, tahaka ny vorona mpihaza, misidina eo ambonin'ny sisam-paty… Misy ezaka mahamenatra ataon'ny sehatra politika sasany mba hangalàna ny vaton'i Oviedo amin'ny 21 Aprily

Mandritra izany fotoana izany, dia namoaka indray ilay fanambaràna nataon'ny governemanta sy ny telo andro fisaonana [es] ny fahalasanan’ Atoa Oviedo ny bilaogy InterParaguay :

El ministro del Interior Carmelo Caballero, en conferencia de prensa en Mburuvicha Roga, anunció la determinación del gobierno de declarar tres días de duelo en las actividades oficiales. Además aseguró que se harán las investigaciones correspondientes para constatar el motivo del accidente del helicóptero Robinson 44 que trasladaba a Oviedo y dos personas más.

Nandritra ny valan-dresaka nataony ho an'ny mpanao gazety tany Mburuvicha Roga no nilazan'ny Minisitry ny Atitany, Carmelo Caballero, ny fanapahan-kevitry ny governemanta : telo andro fisaonam-pirenena. Ambonin'izany dia nambarany fa hisy ny fanadihadiana mba hanamarinana ny anton'ny nampianjera iny angidimby Robinson 44  izay nitondra an'Atoa Oviedo sy mpandeha roa hafa iny.

Ireo mpampiasa Twitter moa, dia nifaneho hevitra tamin'ny fampiasana ilay tranonkala kiritika fitorahana bilaogy.

Nomarihan'i Fátima Garay (@fatimagaray) ny sisa tavela tamin'ireo niharan-doza tamin'ilay loza :

@fatimagaray: Equipo medico hace el mayor esfuerzo para entregar HOY restos de fallecidos entragedia aerea a sus familires entre ellos Lino Oviedo

@fatimagaray: Miezaka ny ekipan'ny mpitsabo mba hanambatra ireo sisa tamin'iny lozam-piaramanidina iny hatolotra ny fianakaviany ANDROANY, anisan'ireo i Lino Oviedo.

Ary nanontanian'i Anahí Tortorello (@anahitorto) izy :

@anahitorto@fatimagaray para hoy si o si la entrega de loa [sic] restos?

@anahitorto@fatimagaray androany , azo antoka ve fa hahatambatra ireo sisa izy ireo ?

Mitsinjo ny lavitra i Klaus Hiebert (@KhaosXI) :

@KhaosXI: No se sorprendan si en uno de estos nuevos billetes de 200.000 o 500.000 nos encontremos con la cara de Lino Oviedo impresa en uno de ellos.

@KhaosXI: Aza gaga isika raha mivoaka any amin'ny vola taratasy 200 000 na 500 000 ny sarin'i Lino Oviedo.

Naneho ny fankasitrahany i Ismael Cala mpanolotra ao amin'ny Radio sy ny TV (@CALACNN) :

@CALACNN: Mis condolencias a familiares y simpatizantes de #Lino Oviedo, a quien entrevisté hace solo seis días en @CALACNN. Este lunes va al aire.

@CALACNN: Maneho ny fiaraha-miory amin'ny fianakaviana sy ny mpiara-dia amin'i #Lino Oviedo ny tenako, niresadresaka taminy tao amin'ny @CALACNN aho enina andro lasa izay. Ary halefa amin'ny Alatsinainy izany.

Ary avy eo mbola nambarany :

@CALACNN: Urgente: Mañana n @CALACNN la entrevista inédita grabada el lunes con Lino Oviedo. Falleció en accid. aéreo el candidato presd. #Paraguay

@CALACNN: Maika: Rahampitso ao amin'ny @CALACNN ilay fihaonana miavaka tamin'i Lino Oviedo izay voarakitra ho amin'ny Alatsinainy. ilay mpifaninana ho fidiana filoha, maty tamin'ny fianjeran'ny angidimby.  #Paraguay

Nofaranan'i  Fernanda Bogado (@FernandaAzuaga):

@FernandaAzuaga: Con lo de la muerte de Lino Oviedo no se juega!

@FernandaAzuaga: Aza atao kilalao ny fahafatesan'i Lino Oviedo !

Avaozina tsy miato ny tenifototra #LinoOviedo ao amin'nyTwitter.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.