- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mpanao Politika Laika Nisy Namono, Nipoaka Ny Fanoherana Manerana An'i Tonizia

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Tonizia, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana
Chokri Belaid, photo by Amine Ghrabi shared on Flickr [1]

Chokri Belaid. Sary nalain'i Amine Ghrabi ny 15 Oktobra 2012, nozaraina ao amin'ny Flickr. (CC-NC)

Fanoherana maro no nipoaka manerana an'i Tonizia, taorian'ny namonon'ny sasany an'i Chokri Belaid, mpitarika antoko mpanohitra laika iray, ary mpanohitra mafy hatoka ny governemantan'ny fampiraisana islamista. Samy miampanga mivantana na ankolaka ireo Islamista ny amin'ity famonoana ity ireo manohana sy misaona azy.

Nanameloka izay namono ny Praiministra Hamadi Jebali ary namisavisa izany ho “hetsika fampihorohoroana”,  ka tamin'izany indrindra no nanafoanan'i Filoha Moncef Marzouki ny diany any Kairo, toerana izay tokony handraisany anjara amin'ny Fihaonamben'ny Fikambanana Islamisita.

Namoaka  [2]lahatsary iray nalain'i Bel Fekih Amine tao amin'ny pejy Youtube-ny ny sampana Observers ao amin'ny France 24, izay mpifanolobodirindrina amin'i Belaid. Mampiseho ilay toerana nitrangan'ny loza minitra vitsy taoriana kelin'ny nitifirana ka nahafaty an'i Belaid teo anoloan'ny tranony vao maraina ny 6 Febroary 2013 ity lahatsary ity.

Manameloka ny Islamista ireo fianakaviana:
Mbola manohy ny fanadihadihana ny mpitandro filamanana, nefa dia manameloka ankitsirano ny Antoko Islamista Ennahdha ireo fianakaviana. ‏@simonsayzzzzz [3], mpanao gazety iray miasa ao amin'ny Agence France Presse nandefa tweet [4] [fr]:

Frère de #ChokriBelaïd: “(…)j'accuse Rached Ghannouchi d'avoir fait assassiner mon frère” #AFP #Tunisie

 

Rahalahin'i Chokri Belaid: Manameloka an'i Rached Ghannouchi [Filohan'ny Ennahdha] noho ny namonoany ny rahalahiko” #AFP #Tonizia

Zannoubia [5] nandefa tweet [6]:

La sœur de #chokribelaid sur l'avenue accuse ennahdha le MI et leurs milices de l'assassinat de son frère. #Tunisie

Ny anabavin'i Chokri Belaid any an-dàlana [ Habib Bourguiba] dia manameloka an'i Ennahdha, ministry ny atitany sy ireo mpomba azy tamin'ny famonoana ny anadahiny

Nandà izany fanamelohana izany ny Ennahdha. Sasa Petricic [7] mpanao gazety mpitondra teny any amin'ny faritra Afovoany Atsinanana ho an'ny Fampielezam-peo Kanadiana nandefa tweet [8] hoe:

#Tonizia ny antoko Islamista Ennahda izay eo amin'ny fitondrana dia mandà ny andraikitra rehetra tamin'ny famonoana an'ilay mpitarika mpanohitra laika #ChokriBelaid, na dia misy aza ny fifanoheran-kevitra.

“Nisy namono noho ny heviny”:
Fantatra tamin'ny fanaovana fitsikerana ankarihary ny governemanta sy ireo Toniziana Islamisit i Belaid. Kanefa, tsy mbola fantatra hatramin'izao izay tao ambadik'izao famonoana izao, ary resy lahatra ireo mpisera Toniziana fa izay hevitra fanoherana ny islamisita izay no nahafaty azy.

Haythem [9] nandefa tweet [10]:

On a pu tuer #ChokriBelaid mais ses idées éterniseront

Matin'izy ireo Chokri Belaid, fa ny heviny mitoetra mandrakizay

Leith Ben Ayed [11] dia niteny [12]:

RIP #ChokriBelaïd. Un grand homme tué pour ses idées, qu'il ne soit pas mort en vain.

RIP Chokri Belaid. Lehilahy malaza nisy namono noho ny heviny. Enga anie tsy ho fatifaty foana izy noho izany

Nipoaka ny fanoherana:

Tear gas near Interior Ministry in Tunis. Photo by  Amine Ghrabi shared on Flickr [13]

Entona mampandatsa-dranomaso eo akaikin'ny Ministeran'ny atitany ao Tonizia. Sary avy @ Amine Ghrabi nozaraina tao @ Flickr. (CC-NC)

Niparitaka toy ny afo ilay vaovao mikasika ny namonoana an'i Belaid, ka fanoherana maro no nipoaka tany amin'ny faritra maro tao amin'ny Firenena. Nitatitra ihany koa ny AFP fa notafihina sy norobaina ireo biraon'ny Ennahdha sy ny governemanta any amin'ny faritany maro.

 Police near the Interior Ministry in Tunis. Photo by Amine Ghrabi shared on Flickr. (CC-NC) [14]

Mpitandro ny filaminana eo akaikin'ny Ministeran'ny Atitany ao Tonizia, 6 Febroary 2013. Sary avy @ Amine Ghrabi nozaraina tao @ Flickr. (CC-NC)

Ny firaisan'ny bolongan'ny Nawaat dia nitatitra:

@nawaat: [15]Des milliers de manifestants a #Gafsa. Le local d'Ennahdha saccagé et ses meubles et documents brulés. #chokribelaid

@nawaat: [15] an'arivony ireo mpanao fihetsiketsehana any Gafsa [Atsimo Andrefan'i Tonizia]. Potika ny Biraon'ny Ennahdha, may ireo fitaovana sy ireo antontan-taratasy maro

@nawaat: [16]A #Redayef le syndicat enseignant décréte la grève générale. Le local d'Ennahdha saccagé et ses meubles brûlés dans la rue #chokribelaid

@nawaat: [16] Ao Rdeyef [tanànan'i Gafsa, atsimo andrefan'i Tonizia], nanambara fitokonana faobe ny syndikan'ny mpampianatra. Potika ny biraon'ny Ennahdha ary may eran'ny arabe ireo fitaovan'izy ireo.

@nawaat: [17] a Sidi Bouzid, des centaines de manifestants tentent de forcer la porte du bâtiment du district de police. #sidibouzid #chokribelaid

@nawaat: [17] Ho an'i Sidi Bouzid, an-jatony ireo mpanao fihetsiketsehana mihezaka manokatra ny varavaran'ny biraon'ny mpitandron'ny filaminana ao amin'ny distrika.

Sasa Petricic nanao tweet [18]:

Voatafika ireo Biraon'ny antokon'ny fitondrana Ennahda#Tunisia taorian'ny namonoana an'ilay mpitarika mpanohitra #ChokriBelaid. An'arivony no manohitra ao Tonizia, SidiBouzid

Tao amin'ny làlana Habib Bourguiba [Tonis], nampiasa entona mandatsa-dranomaso ny mpitandro filaminana hanaparitahana ireo mpanao fihetsiketsehana, izay miangona manoloana ny trano foiben'ny Minisiteran'ny Atitany, mihirahira ireo teny mampiseho tsy fankasitrahana ny governemanta ary mitabataba miantso ny minisitry ny atitany hiala amin'ny asany. Ny mpitondra tenin'ny France 24 David Thomson [19] nandefa tweet [20] [fr]:

Tirs de gaz lacrymogène sur l'Avenue Bourguiba, dispersion des manifestants #Tunisie

Tifitra entona mandatsa-dranomaso eo amin'ny Làlana Habib Bourguiba, miparitaka ny mpanao fihetsiketsehana

Nanampy [21] tamina tweet hafa izy [fr]:

La situation dégénère en heurts manifestants/police sur #Bourguiba

Miitatra ho amin'ny fifandonan'ny mpanao fihetsikatsehana sy ny mpitandro filaminana ny raharaha

Nizara ity lahatsary manaraka ity ny Radio tsy miankina Shems FM mampiseho ny alalin'ny raharaha ao amin'ny làlana Habib Bourguiba.

Nanambara ny Ministry ny Atitany ao amin'ny pejy ofisialy facebook-ny [22] nahafaty mpitandro filaminana iray ny fifandonana.