- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Espaina : Fandresena eny an-kianja sy amin'ny Aterineto Ho Fanoherana ny Fandroahana

Sokajy: Eoropa Andrefana, Espaina, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Politika, Toekarena sy Fandraharahàna, Vaovao Mafana, Zon'olombelona

[Teny espaniola avokoa ny rohy.]

“Vokatry ny ezaka nataontsika izao fandresena izao. Nafana tokoa ny tambajotra serasera faramparany teo. Aoka hazava : antsika izao fandresena izao ary antsika ihany. » Izany ny fanambarana omaly, natao teo anoloan'ny foiben'ny Antokom-Bahoaka, nataon'ny mpitondra tenin'ny Plataforma de Afectados por la Hipoteca (PAH) [1], fiarahan'ireo nitolona an-taonany maro [2] hanan-jò hanam-ponenana sy hanohitra ny fandroahana noho ny fakana ny antoka ao Espaina.

Tsy nampoizina ny fanambaran'ny Antokom-Bahoaka, minitra vitsivitsy monja talohan'izany nanaovana fanambarana izany, teo amin'ny Kongresy fa tsy manohitra ny handinihana ny Fandraisana an-tanana momba ny fanaovan-dalàna avy amin'ny vahoaka (ILP) [3]navoakan'ny PAH hanovana ny lalàna mifandraika amin'ny fanaovana antoka ry zareo. Noraisina tamin'ny horaka sy tehaka izany vaovao izany : Sí, se puede [« Eny, azo tanterahina »],[no re] eny an-dalambe, ao amin'ny aterineto, tao sy manodidina ny Parlemanta, izay nandroahana mpikambana vitsy avy ao amin'ny PAH.

Saiky tsy nisy nitsipaka ny fandrotsaham-bato tamin'ny farany : 333 ny depiote nanaiky ny handinihana ny ILP. Iray ihany, mpikambana ao amin'ny Antokom-Bahoaka, no tsy nilaza ny heviny. Nahazo sonia 1.5 tapitrisa [arivoarivo] eo ho eo izay nangonin'olona an-jatony nandritra ny volana maromaro sy nanerana ny firenena ilay volavolan-dalàna (izay mitaky ny fahafahana manao solon'antoka, fanemorana ny fandroahana ary ny fananganana trano fonenana sosialy tsy misy mipetraka eo am-pelatanan'ny banky amin'izao fotoana).

Número de firmas recogidas a favor de la ley. Foto tomada de @tomstomkitrur.

Ny isan'ny sonia voangona manohana ilay volavolan-dalàna. Sarin'i @tomstomkitrur.

Na dia tsy nisy toy izany aza ny fanohanan'ny vahoaka, dia nanambara ny depioten'ny Antokom-Bahoaka, izay manana ny maro an'isa tanteraka fa hanakana io volavolan-dalàna io, raha manohana izany avokoa ny ambin'ny vondrona parlemantera. Azonao jerena amin'ny alalan'ny Twitter ny hevitr'izy ireo [4], izay nangonin'ny sehatra Que hacen los diputados [5] [« Inona no ataon'ny depiote »].

Nilefitra ihany tamin'ny farany ny Antokom-Bahoaka ary nihemotra rehefa nahita ny hagoavan'ny fanerem-bahoaka, izay notanterahina indrindra andro maromaro izao tamin'ny alalan'ny fanentanana mahomby [6], #ILPescrache, nataon'ny PAH tamin'ny alahady teo, izay naka aingam-panahy tamin'ny hetsi-panoherana tany Arzantina [7]. Nampalahelo ihany anefa ny andron'ny omaly fa voamariky ny famonoan-tena nataona mpivady efa retirety [8], tao Majorque, noho ny filazana fandroahana ny trano azony. Tsy mbola mazava tsara moa ny antontan'isa, fa tombanan'ny PAH fa ny ampahatelony mihoatra mahatonga ny famonoan-tena [9] any Espaina dia misy ifandraisany amin'izany fandroahana izany. Nisy nilaza nandritra ny fihetsiketsehana tany Barcelone ny fahafatesan'ireo mpivady ireo.

Notontosaina tamin'ny alalan'ny fitaovana nomerika isan-karazany ahafahan'ny olom-pirenena mifandray amin'ny depioten'ny Antokom-Bahoaka, amin'ny alalan'ny tava Twitter (hita ao amin'ny lisitra iray avokoa [10]), na kaonty Facebook, na mailaka na antso sofin-davitra, miangavy ny tsy hanarahana ny baikon-tsafidy sy mba hanaiky ny fandinihana ny ILP ny fanentanana #ILPescrache. Tafiditra anatin'ny tenifahatra be mpampiasa indrindra ao Espaina ireo tenifahatra nampiasaina ho amin'izany fanentanana izany (#ILPoALaCalle [« ILP na eny an-dalambe »], #ILPesDemocracia [« ILP no demokrasia »], #PPcriminales [« PP jiolahy »] ary #ImPAHrables .

Nahafahana nandefa tsy voizina sioka amin'ny vondrona depiote ahitana izao hafatra manao hoe « Hofidianareo ve ny ILP ? Sa aleonareo mampiroborobo ny fandroahana ? » ny habaka Querido diputado no desahuciado [11] [« Ry Depiote hajaina tsy voaroaka »]. Misy ny fandraisana an-tanana hafa, ao amin'ny habaka Oiga.me [12], no manoloatra fahafaha-mandefa mailaka tsy voizina. Araka ny antontan'isa nataon'izy ireo, dia olona 7000 no nandefa hafatra nananontanona ny 1 tapitrisa ho an'ny depioten'ny Antokom-Bahoaka tao anatin'ny roa andro monja.

Azonao jerena ny lisitry ny fandraisana an-tanana [13] isan-karazany napetraka ho fampiroboroboana izany fanentanana izany.

Indro ny sarin'ny Lapan'ny Moncloa, fonenan'ny filohan'ny governemanta, izay nivezivezy fatratra tao amin'ny tambajotra serasera :

Tomada de @elpadrecorajede.

[« 15 volana izao ny olona monina ato amin'ity trano ity no tsy nanao ny adidiny. Rahoviana ary izy no horoahina ? »] Sarin'i @elpadrecorajede.

Nanomboka tamin'ny Asabotsy tamin'ny alalan'ny hetsika efa niantsoana olona tany amin'ny tanàna ambonivohitra espaniola 46 [14], teo ambanin'ny lohahevitra manao hoe « Ho amin'ny zo hanam-ponenana sy manohitra ny fandripahana ara-bola » ny fanentanana fanerena hanekena ny ILP.

Nandresy teo amin'ny fifanandrinana voalohany ny PAH, fa tsy maintsy atao izay handresena ao anatin'ny fombafomban'ny fanaovan-dalàna.