- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Amerika Latina: Mametra-pialàna Ny Papa – Manaraka Eny Ny Fanantenana, Hanihany Ary Fitadiavana Tombony

Sokajy: Amerika Latina, Arzantina, Kolombia, Meksika, Però, Fivavahana, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana
Benedicto XVI

Sary avy amin'i lyonora [1], mpampiasa Flickr, nampiasaina eo ambany Lisansa Creative Commons (CC BY-NC 2.0).

Nanampoka an'izao tontolo izao ilay fanambaràna ny fametraham-pialàn'ny [2]Papa Benedict XVI [3] avy amin'ny fiketrahana masina, na, ny marimarina kokoa, ny ny Pontifikà Faratampon [4]‘ny Fiangonana Katolika [5], tamin'ny Alatsinainy 11 Febroary 2013. Manankery manomboka amin'ny 28 Febroary ilay fametraham-pialàna. Ny vanim-potoana aorian'izay datin'andro  izay dia fantatra amin'ny hoe sede vacante [6] na ‘fitondràna tetezamitan'ny fiketrahana’, izay haharitra mandra-pifidin'ny fihibohana an-tranon'ireo  [7] kardinaly  [8]hifidy izay ho Papa vaovao.

Mitatitra ny bilaogy Marianistas.org fa Benedict no Papa voalohany nametra-pialàna hatramin'ny Celestine V tamin'ny 1294 ary manome fampahafantarana misimisy kokoa izy eto [9] [es]. Avy eo izy dia mizara [10] [es] antsipirihany vitsy mikasika ny fombafomba arahana manodidina ilay fametrahana fialàna sy ny fihibohana an-trano hatao atsy ho atsy :

- El actual Código de Derecho Canónico, promulgado por la autoridad de Juan Pablo II en 1983, en el capítulo “Del Romano Pontífice y del Colegio Episcopal” (Parte II, Sección I), canon 332, párrafo 2: “Si el Romano Pontífice renunciase a su oficio, se requiere para la validez que la renuncia sea libre y se manifieste formalmente, pero no que sea aceptada por nadie.”

- De acuerdo con las declaraciones realizadas por el P. Lombardi, Benedicto XVI no tomará parte en el próximo cónclave, desplazará su residencia a Castelgandolfo hasta que llegue el día de la renuncia, el cónclave se celebrará en marzo, los ángelus y audiencias se sucederán de la forma habitual pudiendo ser momentos de expresión de afecto al Papa. También dijo que el Papa irá a vivir a un monasterio de clausura que se encuentra en el interior del Vaticano y que actualmente está en reformas.

- De acuerdo con la normativa que rige el cónclave, este debe ser convocado cuando entre los 15 y 20 días después de que quede la sede vacante. Esto en el caso de la muerte del Papa. No se explícita si debe ser igual en el caso de renuncia. He aquí la normativa para el gobierno de la Iglesia en periodo vacante [11].

-Ny Code of Canon Law (Lalàna Canon ho an'ny fiangonana katolika), nolaniana tamin'ny andron'i John Paul II tamin'ny 1983, ao amin'ny Toko “The Roman Pontiff and the College of Bishops” Ny Filoha Faratampony Romana sy ny Fivoriamben'ny Eveka (Ampahany II, Andalana I), canon 332, paragrafy 2: “Raha mitranga ny hoe mametraka fialàna ny Filoha faratampon'ny Romana, mba hampanan-kery azy dia ilaina ny maha-malalaka tsy an-tery ilay fanambaràna ary naseho tamin'ny fomba madio fa tsy hoe neken'iza na iza.”

-Araka ny fanambaràna avy amin'ny Fr. Federico Lombardi, tsy handray anjara amin'ny fihibohana an-trano voalohany i  Benedict XVI; hisintaka ho any Castel Gandolfo izy mandra-pahatongan'ny fetrandron'ny faùetrahany fialàna; hatao amin'ny Martsa ny fihibohana an-trano; ny Angelus fanomeny sy ny fandraisana olona dia hizotra toy ny mahazatra ihany, ary ho avy haneho ny fitiavany ny Papa ny olona. Nilaza ihany koa izy fa hifindra ho ao amin'ny monasitera izay mifefy, vao avy navaozina yao anatin'ny Vatikana, ny Papa.

-Araka ny fitsipika mifehy ny fihibohana an-trano, tsy maintsy dimiambinifolo na roapolo andro aorian'ny maha-banga ny toerana no anaovana azy — izany no atao raha sendra maty ny Papa. Tsy milaza mivantana ry zareo na mihatra izany fitsipika izany na tsia amin'ny tranganà fametrahana fialàna. Ireto ireo fitsipika ho an'ny (governemanta) fitantanan'ny Fiangonana mandritra ny fahabangan-toerana [11] [es].

Nampakatra fandalinana fohy [12] [es] ny fotoana naha-papa an'i Benedict XVI ny bilaogy Tan antigua y tan nueva :

Le ha tocado un papado expuesto a toda la sociedad mediática mundial, a un hombre tan poco dado a la escena. Puso a un hombre fuerte: el cardenal Bertone, al que han atacado hasta la saciedad con todos los medios en contra hombres de la misma iglesia, como la patética figura de Viganó, que al final se han salido con la suya dando la imagen de una miseria interior en la iglesia. […] La renuncia del Papa es el triunfo de los enemigos. No vamos a juzgar al Papa. También será que el Papa no ha querido que vuelva a repetirse la penosísima imagen de Juan Pablo II en su último período.

Nisokatra tamin'ny koltoran'ny media iraisam-pirenena izy nandritra ny fotoana naha-papa azy, ho an'olona iray izay tsy zatra loatra ny asongadina. Nanendry lehilahy iray matanjaka izy: Kardinaly Bertone, izay tsy nitsahatra ny nitaty ireo fanakianana natao tamin'ny fomba rehetra avy amin'ny fiangonana, toa an'ilay Viganó mandaginina iny, izay indrisy fa farany dia nahavita nanome sary mahantra ny fiangonana… Midika fandresena ho an'ireo mpanenjika azy  ny fametrahana fialàna nataon'ny Papa. Tsy andeha hitsara ny Papa isika. Fa mety koa hoe tsy tiany hiverina ny sary ratsy fony andron'ny Papa John Paul II nandritra ny fotoana farany naha-papa azy.

Ivelan'ny tranoben'ny finoana, ireo bilaogera, katolika na tsia, dia naneho ihany koa ny fomba fijeriny an'ilay raharaha. Ohatra, manoratra i [13] [es]  Ginés J. Parra ao amin'ny bilaogy Cosas Mías momba ny fanantenany amin'izay Papa vaovao :

cada vez que hay la posibilidad de la elección de un nuevo Papa se abre una puerta a la esperanza de que el elegido sea un hombre progresista con apertura a todas las sensibilidades de la Iglesia y que se pueda ver una Iglesia Cercana la realidad social a la evolución continua de nuestro mundo y a la realidad actual de todos los cristianos. Y que sea realmente una Iglesia de y para los Pobres y excluidos de esta sociedad Que sea una Iglesia de aires nuevos, de apertura, que permita la libertad de Expresión que condene y corte de raíz los escándalos como de la Pederastia o sus relaciones con la Banca en estos momentos de crisis.

Isaky ny misy fahafahana mifidy Papa vaovao dia efa varavarana iray misokatra ho azy ireo izay hifidianany lehilahy iray mpandàla firosoana (progressiste) misokatra amin'ireo feo rehetra ao amin'ny Fiangonana ary ato anatin'ny fotoana fohy dia Fiangonana iray afaka hijery ny tena zavatra iainan'ny fiarahamonina momba ny fandrosoan'ny tontolo misy antsika sy ny zava-misy ankehitriny iainan'ny Kristiana rehetra. Ary izany dia ho fiangonan'ny / ho an'ireo MAhantra sy nahiliky ny fiarahamonina marina tokoa. Ho fiangonan'ny rivo-baovao, ny fisokafana, izay mamela ny fahalalahana maneho hevitra izay manameloka sy hanakatona ireo tantara ratsy toy ny fanolanana ankizy na ny fifandraisany amin'ireo banky ao anatin'ireny fotoan'ny krizy ireny.

Manoratra [14] [es] i Ángel Martín Tax ao amin'ny bilaogy Noticias La Esfinge fa hoe derainy ilay fanapahan-kevitra :

Esto es una gran moraleja. Si uno ya no puede, pues que mejor entregar el puesto para que otro lo pueda hacer con mucha energía y fuerzas.

Maoraly ambony be izany. Rehefa tsy afaka ny tena, tsara ny mibaboka mamela ny toerana mba hahafahan'ny hafa manao azy amin-kery sy tanjaka.

Nefa misy ihany koa ireo tsy manaiky hiala mihitsy amin'ny fanaovana kajikajy sy firaisana tsikombakomba, toa an-dry perlita_rosita/NAYADE izay naneho hevitra [15] [es] tao amin'ny bilaoginy Desde el fondo de un espíritu libre:

Creo que este hombre no ha abdicado por gusto, a pesar de cuantas excusas se hayan inventado y hagan decir al mismo papa,para que la gente no sospeche. Mi espíritu desconfiado me avisa de que hay conspiración o bien aquí hay gato encerrado.

Tsy mihevitra an'io lehilahy io hisafidy ny hametraka fialàna aho, na eo aza ireo fialantsiny rehetra noforonin-dry zareo sy nitenenan'izy Papa mihitsy, mba tsy hiahiahian'ny olona zavatra hafa. Ny ahiahiko  dia milaza amiko fa misy firaisana tsikombakomba ao ary misy zavatra misoko tsy mazava.

Nipatrapatraka [16]avy hatrany [16] ny fanehoan-kevitra teo amin'ny sehatra iraisampirenena [es] ary fotoana fohy dia lasa lohahevitra noresahana be [17] [es] tao amin'ny Twitter, tamin'ny fiteny maro samihafa sy tenifototra isan-karazany.  Amin'ny teny Espaniôla, ny sasany tamin'ireo tenifototra nalaza indrindra dia ny #elpapadimite [18]Benedicto XVI [19] ary ny tena nahatsikaiky indrindra aza #NombresParaPapa [20] tany Kolombia, #sielpapafueraperuano [21] tao Pero ary #RenuncioComoElPapa [22] tany Meksika.

Tanatin'ireo bitsika an'arivorivony tafavoaka, ny sasany tamin'ireo nalaza dia nahitàna ity bitsika miharo eso ity [23] [es] avy amin'ny @Calle13Oficial, izay tsy lanin'ny vavonin'ny maro, toy izay nahazo an'i Gladys Godines (@gladygodines [24]):

@gladysgodines [25] Qué chiste para más estúpido. RT @Calle13Oficial [26] El Papa se divorcia de la Iglesia, pero se queda con la custodia de los niños..

@gladysgodines [25] Vazivazin'adala re izany. RT @Calle13Oficial [26] Nisaraka tamin'ny Fiangonana ny Papa, saingy izy no nahazo alàlana hitaiza ny ankizy.

Avy any Pero, Pedro Valle (@pedrovalleo [27]) nanindry fa iray amin'ireo tantara ratsy goavana indrindra mahazo ny Fiangonana Katolika ankehitriny ity:

@PedroValleO  [28]El calvario de Benedicto XVI: en últimos tres años, 1.800 denuncias de casos pederastia llegaron al Vaticano #RenunciadelPapa [29] @ELTIEMPO [30]

@PedroValleO  [28]ny kalverin'i Benedicto XVI : tato anatin'ny telo taona farany, tranganà fanolanana ankizy niisa 1800 no voatatitra tao Vatikana #RenunciadelPapa [29] @ELTIEMPO [30]

Ny gazetiboky Dedo Medio [Fanondro Adala] (@Dedomedio [31]) dia nanipika an'izao sady nampifandray taminà lahatsoratra iray fitondram-panazavana :

@Dedomedio [32] Ratzinger perseguía pederastas mientras Wojtyla los encubría. Sí, le tienes bronca al papa equivocado. http://fb.me/2KnVxwdPR [33]

@Dedomedio [32] Nihaza ireo mpanolana ankizy i Ratzinger raha toa kosa ka niaro azy ireny i Wojtyla. Eny, diso papa hotezerana ianareo. http://fb.me/2KnVxwdPR [33]

Tany Arzantina, nanao fampitahàna ara-politika i Marcelo Parrilli (@parrillimarcelo [34]) :

@parrillimarcelo  [35]Como cuadro político impecable Benedicto XVI, no da más y se va. Acá, en cambio, jamás se va alguien voluntariamente de un cargo.

@parrillimarcelo [35] Toy ny mpitarika politika tsy misy ho kianina, tsy afaka manome afa-tsy izay tratrany i Benedicto XVI dia miala izy. Eto, raha ny lafiny iray no jerena, tsy misy olona hiala an-tsitrapo amin'ny asany izany.

Avy any Kolombia, nanao fampitahàna hafa i Diego Camargo (@elDiegoCamargo [36]), saiky ho an'i Venezoela:

@elDiegoCamargo [37] Que el Papa renuncie y Chavez no, demuestra que en América Latina tenemos mejores condiciones laborales que en Europa…

@elDiegoCamargo [37] Ny zavamisy hoe nametraka fialàna ny Papa fa tsy i Chavez dia mampiseho fa manana tontolon'asa mendrika kokoa noho ny any Eoropa i Amerika Latina…

Ary avy any Meksika, namaly ihany koa i RoEl FuEnTes (@DRAKERS56 [38]) tamin'ny alàlan'ny fomba fijery avy ao an-toerana :

@DRAKERS46 [39] Rayo golpeó Basílica de San Pedro el día que renunció Benedicto XVI y en México exploto Pemex y sige [sic] EPN http://rbb.cl/4e5h  [40] @beto230 [41]

@DRAKERS46 [39] Nilatsaham-baratra ny tilikambon'ny Bazilikan'i Md Piera tamin'ny andro nametrahan'i Benedict XVI fialàna ary tany Meksika kosa, nipoaka ny Pemex ary mbola manohy i Enrique Peña Nieto  http://rbb.cl/4e5h  [40] @beto230 [41]

Bitsika maro momba ity raharaha ity no azo jerena eto [42] [es] ao amin'ny Melty.es (mampifandray azy ity amin'ny krizy espaniôla), eto [43] ao amin'ny  Huffington Post [es], ary ao amin'ny Storify avy amin'ny Diario Libre [44]Antena 3 Noticias [45],La Nación [46]El Colombiano [47]TeleSur TV [48]El Universo [49]20m [50]El Tiempo [51]El Informador [52], sy AristeguiOnLine [53] [all es], ankoatra ireo hafa maro.

Farany, ny eritreritra sasany [54] [es] avy amin'ny bilaogy OEHD:

ser Papa a estas alturas del mundo, es un acto de heroísmo (de esos que se hacen a diario en mi país y nadie nota). Recuerdo sin duda, las historias del primer Papa. Un tal.. Pedro. ¿Cómo murió? Si, en una cruz, crucificado igual que a su maestro, pero de cabeza. 

Hoy en día, Ratzinger se despide igual. Crucificado por los medios de comunicación, crucificado por la opinión pública y crucificado por sus mismos hermanos católicos […]

Vivo en un mundo donde es chistoso burlarse del Papa, pero pecado mortal burlarse de un homosexual (y además ser tachado de paso como mocho, intolerante, fascista, derechista y nazi). Vivo en un mundo donde la hipocresía alimenta las almas de todos nosotros. Donde podemos juzgar a un tipo de 85 años que quiere lo mejor para la Institución que representa, pero le damos con todo porque “¿con qué derecho renuncia?”. Claro, porque en el mundo NADIE renuncia a nada.

[…] Benedicto XVI, muchas gracias por renunciar.

Tena fihetsika be herimpo ny fanekena ho Papa rehefa tonga amin'ny teboka iray tahaka izao (zava-mitranga isanandro aty amin'ny firenena misy ahy saingy tsy misy olona mahamarika). Tena tsaroako tsara mihitsy ireo tantaran'ny papa voalohany. Ny iray… Petera. Ahoana no nahafaty azy? Eny, teny ambony hazofijaliana, nohomboana tahaka ny nahazo ilay nampianatra azy saingy natsongoloka. Ankehitriny, fomba tahakahaka an'izay ihany no anilihana an'i Ratzinger. Nohomboan'ny media, nohomboan'ny fitsaran'ny olona ary nohomboan'ireo rahalahiny Katolika ihany…

Miaina anaty tontolo iray mankafy ny fanadrohadroana Papa aho, nefa ny heloka iray mahafaty ny manadrohadro olona mitovy mifanambady (ary tondroina ho tsy manam-pandeferana, fasista, avy amin'ny elatra havanana sy Nazi ihany koa ny olona). Miaina anay tontolo iray aho, izay ny fihatsarana velatsihy no mameno sy mamoky ny fanahintsika rehetra. Toerana izay ahafahantsika mitsara lahiantitra iray 85 taona izay mitady  ny mendrika indrindra ho an'ny antokon-draharaha iray soloiny tena, nefa isika manontany hoe “Zo taiza no nananany ka ahafahany mametraka fialàna?” Mazava loatra, satria TSY MISY OLONA eto ambonin'ny tany miala amin-javatra iray izany.

… Benedict XVI, isaorana anao ny fametrahanao fialàna.

Lahatsoratra niaingàna, nalaina tao amin'ny bilaogy Globalizado [55] [es].