Mpanao Fihetsiketsehana Nandoro Ny Tenany, Mankalaza ny Fahatsiarovana ny Revolisiona i Yemen

Andro vitsy mialoha ny faharoa-taona nitsingerenan'ny revolisiona Yemena, nanao sorona ny tenany tamin'ny fandoroana azy i Munif Al-Zubairy tao andrenivohitra Sanaa, mba haneho firaisankina amin'ireo revolisionera naratra tao amin'ny firenena.

Atiaf Al Wazir nisioka hoe:

@WomanfromYemen: Androany atoandro, nanao sorona ny tenany tamin'ny fandoroana azy i Muneef alzubairi, ho fanoherana ny tsy fandraisan'ny governemanta Yemenita an-tanana ireo revolisionera naratra pic.twitter.com/nZkSVEud

https://twitter.com/WomanfromYemen/status/298760914935635968

@WomanfromYemen: Velona soa aman-tsara i Muneef izay nandoro ny tenany androany saingy mijaly noho ny hay mafy nahazo azy, tsaboina any amin'ny hopitaly izy ankehitriny. #Yemen

Bilaogera Afrah Nasser nandefa lahatsoratra bilaogy momba azy, hoy izy nanoratra:

Niparitaka haingana teo amin'ny tontolon'ny habaka media sosialy ny sary manafintohina misy an'i Munif kanefa mino aho fa mba nisahirana nijery azy ireo mpitarika mpanao politika. Nalefa haingana tany amin'ny hopitaly i Munif ary velona soa aman-tsara izy. Na dia izany aza, mijaly noho ny ratra mafy nahazo azy izy. “Tiako hanana revolisiona faharoa isika,” hoy izy niantsoantso nandritra ny fandoroany ny tenany androany.

Revolisionera naratra 

Mbola tsy nahazo fitsaboana sahaza avy amin'ny governemanta ireo mpanao fihetsiketsehana naratra nandritra ny revolisiona. Taorian'ny fahafatesan'i Taha Mohammed Al-Ariqi, izay naratra nandritra ny revolisiona, nikarakara fihetsiketsehana sit-in ny vondrona revolisionera naratra (nitokona tsy nihinan-kanina mihitsy ny sasany tamin'izany) teo anoloan'ny Kabinetra, mba hitaky ny governemanta hanome azy ireo fanampiana ara-bola hitsaboana azy ireo any ivelany.

 

https://www.facebook.com/photo.php?fbid=321454567974612&set=o.134626450036013&type=1&theater

Mpanao fihetsiketsehana naratra milanja soratra mivaky amin'ny teny Arabika hoe “Nalatsak'izy ireo ny rànay ka mangataka fitsaboana avy amin'izy ireo izahay”.

Yemen Updates nisioka hoe:

@yemen_updates
Nikarakara sit-in teo anoloan'ny vavahadin'ny kabinetra ireo mpanao fihetsiketsehana naratra & nitokona tsy nihinan-kanina ho fanoherana ny tsy firaharahiana ny fitsaboana ilain'izy ireo. #Yemen

Mpanao gazety Aron Baron nanampy hoe:

@adammbaron: ara-pitondratena, mampanahy ny tsy fahafahan'ireo mpanao politika mpanohitra hanome fitsaboana ireo naratra. ara-politika, hadalana tanteraka. #yemen

Mahatsiaro ny Revolisiona

Mankalaza ny tsingeritaona faharoan'ny revolisiona ny Yemenita ny 11 Febroary 2011 – andro niandohan'ny revolisiona.

Mohammed Al-Asaadi nisioka avy any Taiz, toerana nanombohan'ny revolisiona:

@alasaadim: Aty Taiz aho izao, mahita maso ireo vahoaka marobe mitangorona mankalaza ny tsingeritaona faharoan'ny revolisiona #11Feb. Andro manatantara ho an'i #Yemen & #Yemenita.

A design commemorating February 11th, the beginning of Yemen's peaceful youth revolution

Sary fahatsiarovana ny 11 Febroary, andro niandohan'ny revolisiona milamina nataon'ny tanora ao Yemen's peaceful youth revolution

Malaza ho firenena manana fitaovam-piadiana be indrindra manerantany i Yemen (aorian'ny Etazonia), kanefa nanaitra izao tontolo izao ny Yemenita tamin'ny diabe milamina nataon'izy ireo. Nameno ny kianjan'ny Fiovana sy ny Fahalalahana ny lehilahy sy ny vehivavy isaky ny Zoma manerana ny faritany 21, nandritra ny herintaona mahery.

Roa taona izay no lasa hatramin'ny nidinan'ny Yemenita teny an-dalambe “ho fitakiana ny fahamendrehana, fahalalahana sy fiainana azo iainana”, araka ny akoakoan'ny SupportYemen amin'ity lahatsary ity:

Raha mitodika amin'ny lasa tamin'ireo izay zava-bita, maro ireo mahatsiaro ho diso fanantenana tanteraka. Miharatsy hatrany ny fari-piainana ao Yemen, ary araka ny filazan'ny maro, niha-potika tanteraka aza. Mbola mijaly noho ny fahatapahan'ny herinaratra sy ny tsy fahampian-drano ny firenena.

Mbola tsy mipetraka tsara araka ny tokony izy ny fanavaozana ny miaramila, na dia nisy aza ireo didim-panjakana navoakan'ny filoha Rabu Mansour Hadi, tsy nisy fihatsarany ihany koa ny toekarena marefo. Betsaka amin'ireo vola ilaina natokana amin'ny fampandrosoana sy ny fanamaivanana ny fahasahiranana izay nampanantenana no mbola miandry ny fivorian'ny “Sakaizan'i Yemen” amin'ny volana Martsa, izay hotontosaina ao Royaume-Uni. Hotontosaina amin'ny volana Martsa ihany koa ny fihaonambem-pirenena, izay fantatra fa hiresahana momba ny fisaraham-bazana ara-politika sy ny fijaliana goavana izay mandrahona ny firaisan'ny firenena ary handrafetana ny lalampanorenana vaovao hikarakarana ny fifidianana filoham-pirenena amin'ny taona 2014. Nisafidy ny 18 Martsa ny Filoha Hadi ho fanombohan'ny fivoriambe -daty izay hitan'ireo Yemenita fa mahasosotra satria manamarika ny faharoa-taona nitsingeran'ny Vono olona tamin'ny “Zoman'ny Fahamendrehana” izay olona 52 no maty novonoini'reo mpitandro ny filaminana  tamin'izany.

Osamah Fakih nisioka hoe:

@osamahfakih: 18 Martsa ny Fihaonambem-pirenena ao #Yemen, fihantsiana hoentina hanadinoina ny fitsingerenan'ny #Zoman'ny Fahamendrehana izany. Samy manana ny fitadidiany ny firenena

Summer Nasser nanampy hoe:

@SummerNasser: Hitako fa tsy misy fifanajana ny fanapahan-kevitr'i Hadi hanatontosa ny Fihaonambem-pirenena amin'ny 18 Martsa, izay fantatra fa daty nitsingerenan'ny Zoman'ny Fahamendrehana#yemen

Journalist Adam Baron nisioka hoe:

@adammbaron: hiady hevitra amin'ny fihaonambem-pirenena ireo manam-pahaizana ao #yemen, maro ireo sahirana amin'ny adim-piainana isan'andro mba hivelomana ao anatin'ny toekarena miala aina.

Na dia mpianatra Yemenita mandrato fianarana any ivelany aza mijaly noho ny kolikoly izay nolovain'ny governemanta tamin'ny fitondrana teo aloha izay “voalaza” fa tafahongana tamin'ny revolisiona. Mpianatra ao Alzeria, Alemana, Ejypta, Sodàna, Malezia ary Rosia no mitolona amin'ny fahasahiranana ara-bola sy ny fanaovana ankilabao ny seham-pampianarana any amin'ireo masoivoho any ivelany. Nikarakara sit-in tao amin'ireo masoivoho tsirairay avy misy azy ireo mpianatra ary nahazo mpanohana tao Yemen izay nikarakara sit-in eo anoloan'ny minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Minisiteran'ny Vola izay samy nifanome tsiny ho tompon'andraikitra manoloana ny olana miseho. Narakitry VSJ Germany tao amin'nyon Youtube ity lahatsary ity izay ahitana ny hafatr'ireo mpianatra avy ao Alemana mitanisa ireo olana ary mangataka amin'ny governemanta mba hamaha ny olan'izy ireo faran'izay haingana:

Mohammed Al-Asaadi nisioka hoe:

‏@alasaadim: Voahongana i Saleh. Nanjavona avokoa ny fitondram-pianakaviana tao #Yemen. Fanavaozana, fampandrosoana sy fivoarana no harahina izao. Misaotra tamin'ny revolision'ny tanora #11Feb

 

@alasaadim: Hiaro ny fireneny sy ny revolisiona ireo vahoaka marobe htako ao Taiz sy ireo rehetra ao #Yemen. #11Feb no fanombohan'ny diabe lavitr'ezaka.

Rooj Alwazir nisioka hoe:

@Rooj129:FITOKONANA!! Hitokona ireo tanoran'i #Yemen rahampitso mba hitondra ny fandresen'ny #revolisiona! #feb11

Afrah Nasser nisioka hoe:

‏@Afrahnasser: Amin'ny faharoa-taonan'ny fitsingeran'ny fikomiana tao #Yemen, te hiarahaba an'i #US, #KSA & firenena #Gulf rehetra aho tamin'ny  fanafonana ireo vahoakan'ny revolisiona.

Ataif Alwazir nanoratra lahatsoratra bilaogy: “nifarana ny #Revolisiona 1.0 & nanomboka ny Revolisiona 2.0″

Toa tahaka ny mahazo anjara-mofomamy avokoa ny rehetra, ankoatra ireo tanora mahaleotena izay niandohan'ny revolisiona tamin'ny fikasana lehibe ho an'ny fanovana sy ny nofinofy hanangana Yemen vaovao.
Narakitry sakhr galeb tao amin'ny youtube ny lahatsary avy amin'ilay mpiangaly rapy Yemenita ho fahatsiarovana ireo maritioran'ny revolisiona ary niparitaka be tao amin'ny Facebook sy Twitter.

Na dia eo aza ireo fahadisoam-panantenana, fijaliana, fitsabahan'ny iraisam-pirenena, tanjona tsy tratra sy ny tsy fahombiazana marobe, nampianatra antsika ny tantara fa tsy hahomby avy hatrany ny revolisiona. Ilaina ny fahavononana, fiezahana, finoana, fanantenana, faharetana marobe ary indrindra ny fotoana mba hahazoana fanovana azo tsapain-tanana sy vokatra tsara. Ny zava-misy dia 11 Febroary androany, andro manatantara niandohan'ny revolisiona tao Yemen… ary toa mbola hitohy mandritra ny ela.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.