Kolombia: Mbola Mipoapoaka Ny Basy ao Medellín

Miatrika toe-draharaha sarotra momba ny filaminam-bahoaka ny tanànan'i Medellin. Ao Comuna 13 [es] no faritra tena voantonontonona, andrenesana fifandonana marobe isak'alina [es] tamin'ny fiandohan'ny herinandro tamin'ny volana Febroary. Nanjary niha-ratsy hatrany ny toe-draharaha satria noterena nampiato ny asany mandritra ny 15 minitra ny Fiaratariby [fanamarihan'ny mpandika: fiara mandeha amin'ny tariby mihantona)]. Olona roa no naratra noho ny bala votsotra nikasika fiaratariby iray [es].

The Metrocable System in Medellín by Álvaro Ramírez on Flickr, with the permission of Creative Commons 2.0

Fiaratariby ao Medellín, sary avy amin'i Álvaro Ramírez tao amin'ny Flickr, nahazoan-dalana ny sary, Creative Commons 2.0.

Ho setrin'ny zava-nitranga, mponina roa tao an-tanàna, Juan Mosquera (@lluevelove) sy ilay mpiangaly rapy Jeihhco (@Jeihhco), naneho ny alahelony tao amin'ny Twitter ary niantso ho amin'ny fandinihan-tena. Nanangona sioka vitsivitsy manokana tamin'izany ny Global Voices:

Juan Mosquera

@lluevelove: Balas en la noche, silencio en la madrugada, pólvora al mediodía, miedo en la tarde.

@lluevelove: Tifitifitra amin'ny alina, mangina ny maraina, vovoka amin'ny atoandro, ary tahotra amin'ny hariva.

@lluevelove: No hay silencio que guarde las balas que retumban: su eco son tumbas.

@lluevelove: Tsy misy fahanginana afaka mitazona ny fipoahana ao ivelany: Fasana ny fanakoakon'izy ireo.

@lluevelove: Toda la ciudad como una. Toda la ciudad comuna. Vos y yo tenemos la piel intacta pero estamos heridos los dos, como aquel que no conocés.

@lluevelove: Toy ny tokana ny tanàna rehetra. Tafaray ny tanàna iray manontolo. Samy tsy voakasika na izaho na ianao, saingy samy voadona isika, tahaka ireo hafa tsy fantatrao.

Jeihhco

@Jehhico: Se oyen balas, de nuevo y sin saber hasta cuando arde Comuna 13, arde Medellín.

@Jehhico: Mahare tifitra maneno avy any ivelany indray izahay, tsy fantatray hoe maharitra hafiriana no hirehitra ny Comuna 13, ao anatin'ny afo i Medellín.

@Jehhico: Entre la pólvora se camuflan las balas, entre la vida se va sintiendo cercana la muerte, sonidos que duelen en el corazón, en el alma.

@Jehhico: Afenin'ny setroky ny tifitifitra, eo amin'ny fiainana, mahatsiaro ny fanatonan'ny fahafatesana  izahay, feo izay mankarary ny fo sy fanahy .

@Jehhico: Duele tanta mierda en las calles, el silencio que tiene el barrio a esta hora es un silencio doloroso, es aterrador, es miedo puro, latente.

@Jehhico: Mahasosotra eny an-dalambe, mandòna, mahasosotra ny fahanginana eto amin'ny manodidina amin'ny faritra amin'izao fotoana izao, mampatahotra, mangingina, maneho tahotra.

Miara-dalana amin'ny eo ambony, nanomboka nalaza koa ny tenifahatra #Medelllinnotienealcalde [: tsy manana ben'ny tanàna i Medellín], fanararaotana ho an'ireo mpisera Twitter mba hiadia-kevitra momba ny olana ao an-tanàna, izay vao voafantina [en] hifaninana ho tanàna nahitana fivoarana indrindra manerantany:

Ramiro Velásquez (@RamiroCiencia) nanoratra hoe:

#MedellinNOTieneAlcalde tiene un funcionario que no hace sino sonreír hasta que le preguntan por la INSEGURIDAD

#MedellinNOTieneAlcalde, ny mpiasam-panjakana no tsy manao na inona na inona fa mitsiky fotsiny mandra-panontany azy momba ny OLANA ARA-PILAMINANA.

Eliana Castro (@fermina_dz) nanamarika hoe:

#MedellinNOTieneAlcalde, tiene un representante de artistas extranjeros.

, mpiasa ho an'ny mpanakanto vahiny izany.

Nandritra izany, Laura Albornoz Damme (

¿Por qué el #MedellinNOTieneAlcalde? Creo que Medellin es ejemplo para las demás ciudades de Colombia ¿no?

Nahoana no #MedellinNOTieneAlcalde? Tsy mba ohatra tsara arahina ao Kolombia ve i Medellín indraindray?

Sarotra tanteraka ny olana misy ao an-tanàna ankehitriny mikasika ny fanajana ny filaminana, zava-misy ahariharin'ny adi-hevitra an-tserasera.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.