Bangladesh: Mitaky Ny Fanamelohana Ho Faty ireo Meloka an'Ady Tamin'ny 1971 ny Mpanao Fihetsiketsehana

Roa amby efapolo taona. Izany ny fahalavam-potoana niandrasan'ny Bangladeshy rariny tamin'ny heloka mampihoron-koditra natao tamin'izy ireo nandritra ny adim-panafahana nataony hisintahana amin'i Pakistan. Ary tamin'ny 5 Febroary 2013 dia nohelohina mandra-pahafaty noho ny famonoana, fanaovana an-keriny, fampijaliana ary ny heloka hafa natao nandritra ny adim-panafahan'ny taona 1971 i Abdul Quader Mollah, sekretera jeneralin'ny antoko Islamista Bangladeshy Jamaat-e Islami.

Saingy misy olona an'aliny mbola mahatsapa fa mbola tsy tontosa ihany ny rariny. Ny fanantonana azy no tadiaviny. Ary dia nobodoin-dry zareo ny fihaonan-dalan'ny renivohitra Dhaka antsoina hoe Shahbagh ho fanohanan-dry zareo izany vahaolana izany. Niely tahaka ny afo ny fanoherana nanerana ny firenena.

Nitsipaka ny didim-pitsarana nihatra tamin'i Mollah ny Jamaat-e Islami ka nanatontosa fitokonana hatramin'ny fiposahana ka mandra-pilentiky ny masoandro nandritra ny Talata sy Alarobia ka nampikatso ny fiainan'ny firenena. (Azonao jerena ato didim-pitsarana manontolo navoakan'ny Fitsarana Ady-heloka Bevava Iraisampirenena.)

Screenshot of the Facebook Event

Pikantsarin'ny Hetsika Facebook izay niteraka valin-kafatra maro

Ny Bilaogera no nitana anjara toerana fototra tamin'ny fanetsiketsehana ny tsindry fanerena hitsarana an-dry Mollah sy ny mpanao heloka an'ady hafa, izay mpikambana ao amin'ny antoko Islamista ny maro amin'izy ireo, sy nanafaingana  ny fitsarana izay niantona 42 taona.

Tsy zava-tsy nampoizina raha ny bilaogera no nitana ny lakabe [afovoan'ny laka-panorona] tamin'ny fanetsiketsehana ny hetsi-panoherana mitranga ankehitriny. Nanangana Hetsika Facebook nanasa ny mponina hibodo ny kianja Shahbagh ny Bloggers and Online Activists Network (BOAN na Tambajotran'ny Bilaogera sy ny Mpikatroka an-tserasera), hetsika manohitra ilay fitokonana (talata sy alarobia) ary mitaky ny famonoana ho faty an'i Mollah. Tokotokony ho 70.000 ny isan'ny olona nasaina ho amin'ilay hetsika ary nihoatra ny 7000 ny olona nanamafy ny hahatongavany.

People holds a placard that demand death sentence of Jamaat leader Abdul Qader Mollah. people from all walks of life are continuing their sit-in at Shahbagh intersection in the capital for the second consecutive day.

Mbola nanohy ny sit-in teo amin'ny fihaonan-dalan'i Shahbagh tao an-drenivohitra nandritra ny andro faharoa ny olona avy amin'ny saranga rehetra. Saripikan'i Firoz Ahmed. Copyright Demotix (6/2/2013).

Shahbagh, Kianja Tahrir an'i Bangladesh

Henika hetsi-panoherana sy fivorivorian'olona tao Shahbagh andro vitsivitsy izay. Nizotra ho any amin'ny fivorian'olona eo ho eo amin'ny 15000 – 20000 eo ny filaharam-be nanavatsava ny tanàna, ka lasa mampahatsiahy ny zava-nitranga tao amin'ny Kianja Tahrir nandritra ny revolisiona ejipsiana tamin'ny 2011 ny zava-nitranga tao Dhaka. Indreo ny olona mihira ventso-panoherana, mitanisa tononkalo, ary mijery sarimihetsika sy lahatsarim-panadihadiana momba ny adim-panafahana tao Bangladesh.

Pavel Mohitul Alam nanavao ny satany tao amin'ny Facebook avy ao Shahbagh:

Feno filaharana, hiakam-pitolomana ary fihirahirana ao Shahbagh. An'arivony ireo olona avy amin'ny saranga rehetra no nizotra ho amin'ny hetsi-panoherana mampiasa jiron-dabozia sy mitondra fanilo. Hisy tarika hihira tsy ho ela. Mankanesa aty miaraka aminay azafady.

Maro ireo nizara sary avy ao Shahbagh amin'ny alalan'ny Facebook, tahaka an'i ICSF sy Kazi Sudipto.

Manoratra ao amin'ny bilaogy Muktangon ny mpanao gazety sady mpanoratra Imtiar Shamim [bn]:

…Hiely any amin'ny tanandehibe hafa tsy ho ela ity [hetsika eto] Shahbagh ity- Horeseny ny tahotra ady an-trano ataon'ireo sasantsasany mikasa hanao izay hitsabahan'ny mpanjanatany, ary ho azony ny fandresena amin'ny alalan'ny fanamafisana ny [didim-]pitsarana ho an'ireo meloka an'ady.

Eo anilan'i Dhaka, dia andrenesam-baovao momba ny hetsika mitovy aminy koa ao Chittagong, Rajshahi, Sylhet, Khulna, Comilla, Mymensingh ary Rangpur. Mivory maro manandratra ny feony hahazoan'ireo meloka an'ady ny fanamelohana ambony indrindra ny olona.

Manoratra momba ny fielezan'ny hetsika manerana ny firenena i Rayhan Rashid:

Nitety vohitra ny afo. Te-ho aniasan'ireo olona an'hetsiny ireo aho….

Protesters on a candlelight protest organized by 'Bloggers and Online Activist Network' demanding death penalty of war criminal Abdul Quader Mollah. Dhaka, 6 February, 2013

Fiaretan-torin'ny mpanao fihetsiketsehana mandrehitra labozia nokarakarain'ny ‘Bloggers and Online Activist Network’ mitaky ny famonoana ho faty ireo meloka an'ady toa an'i Abdul Quader Mollah. Saripikan'i Firoz Ahmed. Copyright Demotix (6/2/2013)

Fitsarana Nahemotra

Nandritra ny adim-panafahana tamin'ny 1971 dia heverina ho 3 tapitrisa [arivoarivo] ny olona matin'ny tafika Pakistaney ary eo ho eo amin'ny 250.000 ny vehivavy natao an-keriny. Nisy vondrona politika sy fivavahana ao an-toerana tahaka ny RazakarAl Badr ary ny Al-Shams, izay mpikambana ao amin'ny Jamaat-e-Islami ihany koa ny maro amin'izy ireo, no nanampy ny tafika Pakistaney tamin'ny famonoana, indrindra tamin'ny fikendrena ny Haindò.

Abdul Quader Mollah, fantatra ihany koa amin'ny hoe ‘Boucher’ [mpivaro-kena fa midika hoe mpamono olona ihany koa] ho an'ny Bengalis ao amin'ny faritra Mirpur, no loholona mpitarika ny milisy Razakar. Izy no nitarika ny fandripaham-bahoaka tao amin'ny faritra Mirpur. Natsangana ny Fitsarana Ady Heloka Bevava Iraisampirenena 42 taona taorian'ny nahazoana ny fahaleovantena hitsarana ireo nanao heloka nandripaka olona nandritra ny adim-panafahan'i Bangladesh. Ny didim-pitsarana voalohany navoakan'ny Fitsarana Ady Heloka Bevava Iraisampirenena dia mamely an'i Abul Kalam Azad antsoina hoe ‘Bachchu Razakar”, izay nomelohina ho faty noho ny heloka bevava nataony nandritra ny taona 1971.

Fahatezerana Nandritra ny Didim-Pitsarana

Rehefa nodidiana higadra mandra-pahafaty i Quader Mollah (nihevitra ny olona fa hovonoina ho faty izy), maro ny naneho ny fahatezerany tao amin'ny Facebook, Twitter ary ny bilaogy samihafa. Elora Leelith mitaky ny hanaovana an'i Bangladesh “tsy misy Razakar sy voaheloka an'ady”:

Ho teraka amin'ny 7 febroary ny zanako voalohany. Mirary aho mba tsy hahita Razakar sy voaheloka an'ady ireo miara-lehibe aminy eto Bangladesh . Mitady fanasaziana faratampony ho an'i Quader Mollah sy ny tariny aho.

Manontany ny tribonaly amin'ny Twitter i Hazrat Binoy Bhodroe :

@hazratb9bhodroe Ry Tribonaly Hajaina, faty firy no porofoina vao mahazo fanamelohana ho faty?

Vesatra iampangana an'i Abdul Quader Mollah

Enina ny vesatra iampangana an'i Abdul Quader Mollah. Voaporofo teo amin'ny fitsarana ny niraisany tsikombakomba amin'ny vesatra telo sy ny nandraisany anjara mivantana tamin'ny famonoana roa. Noafahana madiodio izy tamin'ny vesatra iray. Mifandray amin'ireo toe-javatra manaraka ireto ny vesatra niandry azy:

  1. 5 Avrily 1971, noho ny baikon'i Mollah, no namonoan'ny iray tamin'ny lefiny antsoina hoe Akhter an'i Pallab, Mpianatry ny kolejy Bangla iray.
  2. 27 Marsa 1971, novonoin'i Mollah sy ireo ambany fahefany tao an-tranony ao Mirpur ao Dhaka ilay poeta mpanohana ny fanafahana antsoina hoe Meherun Nesa, ny reniny ary ny rahalahiny roa.
  3. 29 Marsa 1971, Mollah niaraka tamin'i Al-Badr, ireo Razakars ary ireo lehilahy Bihari tsy miteny Bangla, no nisambotra ilay mpanao gazety Khondoker Abu Taleb ary nitondra azy tany amin'ny toerana antsoina hoe Mirpur Jallad Khana Pump House ary nanapaka ny tendany tao.
  4. 25 Novambra 1971, nisy fanafihana voaomana sy tifitra variraraka nataon'i Mollah sy ireo milisy niara-dia taminy namono nahafaty olona tsy mitam-piadiana avy ao amin'i zana-bohitr'i Khanbari sy Ghatar Char tany Keraniganj.
  5. 24 Avrily 1971, nitarika ny tafika Pakistaney i Mollah sy ireo Bihari 50 tsy miteny Bangla hanafika olona tsy mitam-piadiana avy ao amin'ny zana-bohitr'i Alubdi tao Mirpur ka nahafatesana olona 344.
  6. 26 Marsa 1971 izy sy ny namany no nankao an-tranon'i Hazrat Ali Laskar ka namono ny vadiny, ny zanany vavy roa sy ny zanany lahy roa taona. Nanaovana an-keriny ny zanany iray mbola tsy ampy taona nialoha ny nahafatesany tamin'izany.

Fampakarana Fitsarana Ho Fanoherana ny Didy

Tsy mazava tsara raha misy ny fampakarana fitsarana ho fanoherana ny didy na tsia. Saingy niangavy ny bilaogera Omi Rahman Pial:

Ny fampakarana ny fitsarana manohitra ny fanafahana madiodio an'i Quader Mollah tamin'ny famonoana ny Keraniganj no fanalahidy. Ity hetsika ity no hanery ny antoko ao amin'ny governemanta hampakatra fitsarana ho fanoherana ny fanafahana madiodio. 344 no maty novonoina ary fantatra amin'ny maha-mpamono olona azy izy. Tokony homelohina mihoatra noho ny fanagadrana mandrapahafaty izany halozàna izany.

Araka ny vaovao farany, naka fanapaha-kevitra “ara-politika” hampakara ny fitsarana hanamafy kokoa ny fanasaziana an'i Mollah ny tao amin'ny Fitsarana Iraisampirenena Misahana ny Adi-heloka bevava. Anisan'ny iray amin'ny firenena 58 mbola mampihatra ny fanasaziana faratampony [didy famonoana] hatramin'izao fotoana izao i Bangladesh.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.