Media Sosialy Ao Meksika sy ny Fitiavana Revolisiona

Manerantany, hahita “Meksika isan-karazany” amin'ny vaovao ianao: ny paradisan'ny fety-tora-pasika-masoandro-tequila, firenena miady amin'ny rongony – mampidi-doza sy firenen'ny mpanakanto- mpihira vako-drazana-maroloko miaraka amin'ny  sakafo mafilotra mila fantarina.

Firenena midadasika sy isan-karazany i Meksika, ary roa andro lasa izay, hipoky ny vaovao mahery vaika ny media sosialy Meksikana, nanomboka tamin'ilay loza momba ny herisetra nataon'ireo jiolahimboto taminà mpizaha-tany Espaniola 6 hatramin'ilay Daroka baomba tao amin'ny Foiben'i Pemex, tsy lazaina intsony ny kolikoly sy ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona atao amin'ireo mpanao gazety.

Amin'ny endrika ratsy hamantarana an'i Meksika tamin'ny tontolon'ny media, leo ny mponina sasany avy amin'ny fiarahamonina iraisam-pirenena ao Meksika raha mahita ny endrika tsara nananan'ny firenena very ao anatin'ny tantara mampihoro-koditra isan'andro. Izany indrindra no nahatonga azy nanapa-kevitra hanao hetsika tao amin'ny Twitter tamin'ny alalan'ny famoronana tenifahatra hoe #ForTheLoveOfMexico.

Anisan'ny sioka LAHARANA VOALOHANY tamin'izany resadresaka izany ireto:

Susannah Rigg (@MexicoRetold) nanasa ireo mpiserasera hanomboka resaka amin'ny aterineto:

@MexicoRetold: Tongava mamonjy ny fitiavana revolisiona #fortheloveofmexico

MexicoMoment (@MexicoMoment) nanohy ny adihevitra tamin'ny filazana ny maha-zavadehibe ny fampiasana tenifahatra:

@MexicoMoment: Matoky ny fahombiazana & izay ho zava-bitan'i Meksika izahay. Amin'ny vaovao mahafinaritra sy sakafo mafilotra. Sy ny andraikitra amin'ny fandefasana sioka. #fortheloveofmexico @MexicoRetold

Tach (@tachauvergne) nandoka ny fahasamihafan'ny kolontsain'i Meksika:

@tachauvergne:  Satria tsy misy toeran-kafa eto an-tany izay manome fangaron-tsakafo [melting pot] mampientana sy isan-karazany momba ny kolontsaina, sakafo sy ny mponina #ForTheLoveOfMexico

Paola O Silk (@HTOMpaola) nilaza fa reharehany ny fireneny noho ny lova navelan'ny teratany (indizeny):

@HTOMpaola: RT”@MexicoRetold: Manana fiteni-teratany samihafa mahery ny 68 i Meksika !#fortheloveofmexico” ~antony iray ankafizako ny fireneko izany

Tapagringa (@kimmcdaniel) nanazava ny fomba nivoaran'i Meksika eo amin'ny sehatry ny fotoana sy ny ara-pianakaviana:

@kimmcdaniel: Tiako i Meksika satria nampianatra ahy handeha miadana sy hankafy fitangenana soavaly na bisikileta. Fa ny fianakaviana no tena zava-dehibe. Afa-miandry ny zavatra hafa rehetra.#fortheloveofmexico

Alejandro Castañón (@alexgillessen) naneho ny ahiahiny momba ny “anjara ratsy” mahazo ny firenena sy ny herim-po:

@alexgillessen: @vocativmexico Tiako i Meksika noho ny fanohizany ny tanjany na dia eo aza ny anjara ratsy misy #fortheloveofmexico

Alejandra Castre (@Alejandra81) nanoratra momba ny tantara mahavariana nandritra ny fitondran'olo-tokana lolo (monarch butterflies):

@Alejandra81: #fortheloveofmexico Vavolombelona tamin'ny tranga fifindra-monina mahatalanjona indrindra i Meksika: Tonga isaky ny adiny roa ao amin'ny Ala Oyamel ny Fitondran'olo-tokana Lolo.

Farany, Laura Winfree (@CancunGringa) naneho ny fahagagany amin'ny lova Mayan akaikin'ny tora-pasika Karaiba mahafinaritra:

@CancunGringa: Satria aiza indray ianao no hahita trano Mayana rava akaikin'ny tora-pasika Karaiba? #fortheloveofmexico http://twitpic.com/c16zbe

Captura de pantalla 2013-02-07 a la(s) 13.37.39

Hevitra tsara hafa ilaina asongadina, avy amin'ny Meksikana na olona efa niaina tao Meksika, ho an'ireo olom-pireneny tsy ho very fanantenana manoloana ny firongatry ny herisetra hatrehin'ny firenena ankehitriny.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.